
Laha-tsoratra nivoaka teto volana maro lasa izay izy ity avy amin'ny namana mpamaky iray saingy iniana averina eto indray manoloana indrindra ny zava-misy eto amin'ny firenena ankehitriny.Ary tsy ny mpanara-baovao akaiky na ny zava-misy marina eto amin'ny Tanindrazana ankehitriny no hilaza ny mifanohitra amin'izay voasoratra ato.
Resaka Alain Ramaroson sy ny fitaovam-piadiana ary ny tafika.
Vao tsy ela izay no niresaka momba ity rangahy malaza eto amin’ny firenena ity isika mikasika ireo andian-jatovo angoniny manerana ny fokontany izay mampiahiahy be ihany ny momba azy raha ny vaovao heno sy ny fanadihadiana natao no jerena.Tsy hiverina amin’io resaka io intsony isika fa zavatra hafa indray izay tsy dia mifanalavitra amin’io loatra no horesahatsika anio.
Mivadibadika ary miovaova isan’andro ny fandehan’ny toe-draharaha misy ankehitriny;manoloana izany dia tsy mipetra-potsiny ny tena fa mba manao fanadihadiana sy fanangonam-baovao samy hafa izay izay mba vita eny rehetra eny.
Taorian’ny fanesorana amin’ny toerany tsy ho minisitry ny fiarovam-pirenena intsony ny Jeneraly Noel Rakotonandrasana dia maro dia maro ny vaovao miparitaka sy miely etsy sy eroa,ary ny sasany aza dia vaovao izay tsy tokony ho henon’ny daholo be akory saingy noho ny didadisa sy ny tsy fifampatokisana misy ankehitriny eo amin’ny samy mpitondra FAT dia lasa misy ho azy ny lela mivaha ka nanjary nilaza ny tsy filaza sy ny tokony afenina ny ireo mpitondra sasany.
Misongadina amin’ireny ny tsy fankatoavan’ny tafika intsony ny fitoeran’Ingahy Alain Ramaroson ho ao anatin’ny fitondrana FAT.Nivoaka izany feo izany tamin’ireo mpiara-miasa akaiky sy naman’I Jeneraly Noel Rakotonandrasana.Asa mahatsapa angamba izy ireo fa be loatra ny andraikitra sy fahefana tazonin’Ingahy Alain Ramaroson ka nahatonga azy ireo hamoaka izao alahelony sy heviny izao.
Azo heritreretina koa anefa hoe ity farany(Alain Ramaroson) mivantana no nanoro hevitra an’I Andry Rajoelina ny mba hanilihana an’I Jeneraly Rakotonandrasana tsy ho minisitra intsony satria mety mahafantatra zavatra maro loatra ity jeneraly ity;ary raha zohina ny tantara dia tsy vao izao no nisy disadisa sy tsy fitovian-kevitra teo amin’I Alain Ramaroson sy ny Jeneraly Noel Rakotonandrasana.
Eo indrindra ary ity fanamarihana ity no mipetraka:Fifanandrifian-javatra ve sa ahoana fa ao anatin’ny tsy fifankazahoan-kevitra misy eo amin’ny samy mpitondra FAT sy ny tafika no nivoaka ny resaka fitaovam-piadiana mahery vaika maro izay efa tonga sy mihantsona ao an-tseranan-tsambon’ny Toamasina ao.Mifanilaka sy samy tompon’andraikitra momba io fitaovam-piadiana io(Manodidina ny 200 ka hatramin’ny 300 isa ilay izy araka ny feo nivoaka teo anivon’ny tafika ihany);ary voatonontonona matetika amin’izany ny anaran’ingahy Alain Ramaroson.
Io resaka io ihany no hiampitantsika kely sy hitsidihana vetivety ilay resaka andian-jatovo natsangan’I Alain Ramaroson manerana an’Antananarivo ary mipaka hatrany amin’ny faritany.Nambarany moa tamin’izany fa hanampy ny mpitandron’ny filaminana izay efa misy ireo andian-jatovo ireo,saingy tsy nofaritany mazava kosa ny anjara andraikiny sy ny lalàna mifehy azy.Nampetratsika ny fanontaniana tamin’izay hoe:Tsy ampy tokoa ary ve ny mpitandron’ny filaminana (POLISY,ZANDARY,MIARAMILA,FIS,…)efa misy eto an-toerana ankehitriny no tsy maintsy nanangana io vondrona vaovao io indray ny tompon’andraikitra amin’izany???
Fa ny fanontaniana tiana apetraka androany dia hoe:Misy hifandraisany ve ireto andian-jatovo natsangan’ingahy Alain Ramaroson ireto sy ny ampamoaka izay voalaza etsy ambony mikasika ireo fitaovam-piadiana mahery vaika mitoby ao an-tseranan-tsambon’I Toamasina???
Raha izao fihazakazaky ny toe-draharaha izao dia mety hivaly amitsika tsy ho ela io fanontaniana io.
Manoloana izany rehetra izany dia samy manana ny heviny koa ny olona eny an-dalam-be rehetra eny,ary samy manana ny fomba fijeriny sy ny fomba fiheviny mikasika io raharaha iray io.Ao anatin’izany feon’ny làlana sy ny fiaraha-monina izany no andrenesana fa mety efa mahana amin’ny zavatra hitranga tsy ho ela hono I Alain ramaroson ka voatery nanangana an’io tafika kely io,raha izay no azo ilazana azy,mba hiaro ny ainy sy ny fananany raha toa ka sanatria hiverina indray ny fandrobàna sy ny fanapotehana nisy teto amin’ny tany sy ny firenena herin-taona lasa izay.Asa na ny fananany andian-jatovo maro mitam-piadiana io no nahazoany anaram-bositra hoe Jeneraly Alain Ramaroson ankehitriny???Marihina fa tsy afa-bela ao anatin’iny tantara mampalahelo sy manjombona nandalovan’ny firenena iny ny anaran’Iti farany( Alain Ramaroson).
Etsy andanin’izany koa dia mbola Ingahy Alain Ramaroson ihany koa no manageja sy lasa tompon’ny fananan’ny Filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana.Fiarakodia maro an’ity farany sy an’ny zanany no eo am-pela-tanan’Ingahy Alain ramaroson ankehitriny;ary ny mahatsikaiky sy ny mampalahelo amin’ity resaka ity dia maro tamin’ireo fiara ireo no efa niova loko,sy laharana(numéro) indrindra fa ny fiarakodia vaventy mpitatitr’entana sy ny fiara tsy mataho-dalana ka lasa fananan’ny mpitondra FAT maro ankehitriny,ary tsy diso anjara amin’izany koa ireo manam-boninahitra vitsivitsy izay mpiray petsapetsa amin’ingahy Alain Ramaroson ao anivon’ny tafika.Fa ny tena mahalasa saina dia tsy vitsy amin’ireo fiaran’ny filoha teo aloha sy ny fianakaviany ireo no lasa fiara ampiasain’ny orisasa mpanao savony lehibe iray eto an-drenivohitra mitatitra ny vokany manerana ny nosy.
Ankoatr’io orinasa io dia tsy vitsy amin’izany fiara izany koa no lasa ampiasain’ny mpitondra FAT hitaterany BOIS DE ROSE any amin’ny faritra avaratry ny nosy ankehitriny.Dia mahalasa saina sy mahavaky fo tokoa ny zava-misy.
Dia io resaka io ihany koa no hiampitatsika indray amin’ny resaka Fangalarana sy fanaovana an-keriny ataon’ny fitondràna FAT ankehitriny amin’ny fananan’ny fiangonana FJKM.
Nahavaka ny sain’ny mpanara-baovao maro ny toe-javatra niseho tany Toamasina andro vitsy lasa izay.Raha fintinina vetivety ny zavatra nitranga dia nisy iraka avy amin’ny fitondrana FAT nitondra taratasy ara-panjakàna amin’ny anaran’ny FAT tonga tao amin’ny toby FJKM iray ao Anjoma Toamasina nilaza fa haka ny fitaovana fanaovana tranon-tsekoly FJKM.Ny nahagaga dia tsy nisy resaka hafa na fiaraha-miresaka amin’ny tompon’andraikitry ny fiangonana akory natao fa dia tonga dia ireo fitaovana no saika nalaina an-keriny avy hatrany tsy misy alaharoalaharo.
Avy nampiseho ilay taratasy misy didy fakana an-keriny moa ireto iraky ny fitondrana ireto dia lasa ary nilaza fa hiverina hiaraka amin’ny fiara fitateran’entana avy eo haka ireo fitaovana(Vy fanaovana trano,tafo,sns…)
Nanoloana izany toe-javatra mampalahelo izany dia tsy nitazam-potsiny ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny fiangonana fa nandray andraikitra avy hatrany ka nampilaza ny mpino kristianina rehetra sy ny fiaraha-monina manodidina ny fokonolona sy ny sisa.Ary ny nahavelom-bolo sy nampihetsi-po dia teo no eo ihany dia vory tokoa ny fokonolona sy ny mpino rehetra (katolika,protestanta,fiangonana zandriny isan-karazany…),ary nian-dahy niam-bavy andro aman’alina niambina ireo fitaovan’ny fiangonana FJKM ireo.
Hatramin’izao dia mbola tsy misy tohiny mazava io resaka io fa dia hohitatsika eo ihany ny fivoarany.
Manoloana io trangan-javatra io anefa dia misy fanontaniana maro manitikitika ny saina:
-Inona marina no hevitra tiana ampitaina sy tiana hahatongavana manoloana izao fihetsika izao???
-Dia tena tsy manam-bola sy tsy manana fitaovana entina miasa intsony tokoa ve ny mpitondra FAT ka lasa mahavita izao fihetsika tsy ampoizina izao???
-Tsy fahendrena kokoa ve ny mangataka fanampiana toy izay manao an-keriny sy amboletra ny fananan’ny fiangonana toy izao???
-Mba misy kristianina mpino ihany ve ao amin’ny fitondrana FAT ao,mba mahalala matahotra an’Andriamanitra???
Mety mbola maro ny fanontaniana azo apetraka mikasika io raharaha io fa tsetsatsetsa tsy aritra koa no isintonana ny saintsika mikasika ny fanafihana sy famakiana trano fiangonana maro tato ato.Raha tsy hilaza hafa tsy ny fahavoazana niantra tamin’ny fiangonana teny Ambohimalaza Miray,Ambohijatovo sy teny atsimon-drano teny ary ny maro hafa izay tsy voatanisa eto dia mipetraka ihany koa ny fanontaniana hoe:Fifanandrifian-javatra daholo ve izany rehetra izany sa misy zavatra hafa fonosiny???Ny nahazo an’I pasitera Lala Rasendrahasina lehiben’ny fiangonana FJKM teny amin’ny episkopa Antanimena tsy lazaina intsony fa dia ireny efa niaraha-nahita ireny ny zava-nitranga.Fa ny mahavalalanina koa anefa na izany na tsy izany dia hatramin’izao tsy mba nisy tompon’andraikitra na dia iray monja aza tamin’iny fotoana iny mba nanao fialan-tsiny amin’ny maha tompon’andraikitra sy Ray aman-dReny azy eto amin’ny tany sy ny firenena fa dia samy mangina fotsiny izao.Mahagaga!!!
Ny olona mba sahy naneho ny heviny sy nahasahy nijoro ka nanao fialan-tsiny sy fifonana tamin’ny Pasitera Rasendrahasina dia ny Ray aman-dReny ampanahy Tompokolahy Kardinaly Gaetan Razafindratandra.Ray aman-dReny tokoa izany lehilahy izay ary very olo-manga tanteraka ny firenena nilaozany;ary handry am-piadanana anie izy.Tsy hohadinotsika angamba ny teny nataony raha nihaona tamin’I Pasitera Rasendrahasina izy indray andro ka nilazany hoe:”MIFONA ZANDRY”.Midika sy mifono zavatra maro io teny io fa anjaratsika tsirairay avy no mandika izany araka izay heritreritsika sy hitiavantsika azy.
Am-bava homana e!am-po miheritra!!!
MBOLA HITOHY...
Rindra R.

Vonjeo amin'ny fahavalo izahay;
RépondreSupprimerFa zava-poana ny famonjena ataon'ny olona.
Andriamanitra no haharezantsika;
Fa izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika
SALAMO 108( 12, 13)
mampalahelo tokoa izao zavamitranga izao ! miambena ! mivavaha handresena izao ratsy manjaka @ Madagasikara malalantsika izao ! Aoka tsy ho kivy fa hitraka hatrany fa misy farany n y zavatra rehetra ary ny mino tsy maintsy mandresy !
Supprimer