RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • VIDEO Tsy mivadika amin'ny ara-dalàna ireo parlemantera TIM (COLLECTIF GTT)


    Nanao valandresaka hoan'ny mpanao gazety androany ireo parlemantera Tiako I Madagasikara. Nambaran'izy ireo am-pahibemaso fa tsy manara-dalàna sy tsy hiteraka filamianana eto Madagasikara izao fanendrena nataon'ny mpanaraka an'i TGV izao. Iny fanendrena iny no nandrasana hoy ireto olomboafidy TIM ireto dia afaka manadio tsara ny tokatrano anatiny ny antoko. Nambaran'izy ireo moa fa ireo nanaiky hiara-dalana amin'ny mpanongam-panjakana ireo no mpanoha-riana tao anain'ny tolona hatramin'izay.

    Mikasika ny famoahana ny tanindrazana ao anaty krizy dia nambaran'ireo olom-boafidy TIM fa manohana ny fitohizan'ny dinika karakarain'ny CNOSC sy ireo vondrona miaraka aminy izy ireo. Ny antony dia tsotra : io ihany no ankatoavin'izao tontolo izao.
    Araho ato vaovao sy horonan-tsary fanadihadiana mikasika izany:VIDEO Tsy mivadika amin'ny ara-dalàna ireo parlemantera TIM (COLLECTIF GTT)
    http://collectif-gtt.org/

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire