RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Fidirana ao amin’ny Kianjan’ny Demokrasia: hiady hatramin’ny farany ny vahoaka

    edgard-pds-antananarivo.jpg
    Edgard Razafindravahy, PDS Antananarivo

    Vory lanona manoloana ny Kianjaben’ny Mahamasina ny vahoaka mpandala ny ara-dalàna io maraina io. Fotoana nifanomezana hanehoana hery manoloana ny fizirizirian’ny PDS ny renivohitr'i Madagaiskara izy ity. Herinandro mahery tokoa izao no nangatahana ny Kianjan’ny Demokrasia eo Ambohijatovo mba hitondrana fanehoan-kevitra saingy toa rano raraka an-damosin-gisa ihany izany fanajàna ny mpiandraikitra ny tanàna izany. Mangataka fihaonana amin’ny filohan’ny Delegasioana Manokana indray ireo iraky ny vahoaka tsy mety voaray satria ambara ombieny fa tsy eto an-toerana izany tomponandraikitra voalohany amin’ny tanàna izany. Hetsika am-pilaminana no nentina naneho izany fitakiana izany androany ary natao teo ambany imason’ireo EMMOREG niandry izay mihoa-pefy. Ny tao amin’ny biraon’ny kaomina kosa dia toa efa natahotra be ihany satria ankoatry ny vavahady nihidy hatramin’ny maraina dia babangona tanteraka ny toeram-piasàna ka nisolo miaramila sy polisy mitam-piadiana ny mpiasan’ny Kaomina. Hatramin’ny talen’ny kabinetra nandray ireto solotenan’ny vahoaka ireto aza dia toy ny olona vonon-kiady miaraka amin’ny basy poleta eny am-balahana sy ny fitafy natokana ho an’izany.

    Rehefa niroso tamin’ny fifampiresahana dia nanazava ny sata vaovao mifehy ity Kianjan’Ambohijatovo ity yila talen’ny kabinetran’ny tanàna. Ireo iraky ny vahoaka kosa dia nanamafy fa toerana ahafahana maneho hevitra ao anaty fifampifehezana no tadiavin’ny mpiray tanindrazana satria demokrasia no nentina nanambazana vahoaka roa taona lasa izao.
    ARAHO ATO VAOVAO SY HORONAN-TSARY MIKASIKA IZANY: VIDEO/Fidirana ao amin’ny Kianjan’ny Demokrasia : hiady hatramin’ny farany ny vahoaka.

    http://collectif-gtt.org/

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire