RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Fisamborana an-keri-setra ny Filohan’ny Fikambanan’ny Ben’ny tanàna eto Madagasikara


    Tsy niandoha akory ny hetsika nifamontoanan’ny AMM (Association des Maires de Madagascar) dia efa nipoaka ny baomba mandatsa-dranomaso. Vao niantso olona hihazo ny esplanade ny filohan’ity fikambanana ity dia tonga nanakorotana ny hery famoretana. Nisesy ny fanapoahana grenady manepotra ary narahin’ny fisamborana an’i Guy Maxime izany. Naondrana tao anaty fiara vaventy aloha ny tenany mialohan’ny nitondrana azy teny amin’ny brigadin’ny zandary Betongolo hatao famotorana. Rehefa izay dia narahin’ireo hery famoretana hatrany Tsaralalàna ireo mpanao fihetsiketsehana.

    Araho ato:VIDEO FISAMBORANA AN-KERI-SETRA ny Filohan’ny Fikambanan’ny Ben’ny tanàna eto Madagasikara.

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire