![]() |
| "Tsy hiamboho adidy aho mon Général" |
“Tsy hiamboho adidy aho Mon Général”.Fehezan-teny diso fantatry ny maro loatra. 11 febroary 1975-11 febroary 2011, 36 taona androany no nitifiran'ireo tsy mataho-tody sy fahavalom-pirenena an'i Tompokolahy Kolonely Richard Ratsimandrava. 36 taona aty aoriana mbola tsy hita mazava ary vao maika aza manjavona tanteraka ny zava-nitranga marina nahafaty ity mpitondra sy olomangam-pirenena ity.
Maro ny Malagasy no nalahelo sy nitomany tamin’izany fotoana izany,ary mandraka ankehitriny aza dia mbola maro no mametra-panontaniana sy miandry ny valin’ny famotorana nampanantenain’ireo mpanao fanadihadiana sy tompon’andraiki-panjakàna tamin’izany fotoana.Toa zary maty momoka anefa izany,ary tsy vitsy koa ankehitriny no manontany tena hoe misy tsy maty manota sy ambonin’ny lalàna ve eto amin’ny Firenena?
Ankoatr’izany:May ny Rova,may Andafiavaratra,firifiry no maratra sy namoy ny ainy isaky ny misy hetsi-bahoaka eto amin’ny firenena raha tsy hilaza hafa tsy ny raharaha 07 febroary fotsiny isika,nefa dia toa mitady ho vitavita ho azy sy tsy misy tohiny daholo izany rehetra izany.
Manoloana izany ary ho fanamarihana manokana ny andro androany dia hindramitsika ity asa-soratr’I Rado (Georges Andriamanantena) ity mandra-pivalin’ny FAMOTORANA rehetra.
EFA ATAO NY FAMOTORANA
![]() |
| Vatana mangatsiakan'Itompokolahy Richard Ratsimandrava |
Rehefa misy zava-doza zay mitranga eto Imerina
ka mandalo fitsaràna dia izao no averimberina:
Tsy azo afenina ny marina fa holazaina am-pahatsorana
Saingy mahandrasa kely f'efa hatao ny famotorana.
Io ny lapan'ny tanàna, kila rava fa nodorana
fa izao no teny re: efa atao ny famotorana
Maty koa Ratsimandrava, tapi-dalana nizorana,
fa izao no teny re: efa ato ny famotorana.
Forehitra Andafiavaratra, ny tenanao nagorangorana,
fa mbola izao no teny re: efa atao ny famotorana!
Kila koa Anatirova, tomany isika torantorana,
fa mbola izao no teny re: efa tao ny famotorana.
Efa atao ny famotorana? taona firy lasa izay?
Tsy nisy valiny mba re, fa ny may dia tena may!
Ireo izay fototry ny afo, angamba tojo famotsorana;
Hany ka tsy nisy re ny vokatry ny famotorana!
fa mbola izao no teny re: efa atao ny famotorana!
Kila koa Anatirova, tomany isika torantorana,
fa mbola izao no teny re: efa tao ny famotorana.
Efa atao ny famotorana? taona firy lasa izay?
Tsy nisy valiny mba re, fa ny may dia tena may!
Ireo izay fototry ny afo, angamba tojo famotsorana;
Hany ka tsy nisy re ny vokatry ny famotorana!
Raha izany àry, no mitranga, mitandrema koa ianao ry Ambohitsorohitra,
Sao mandady any indray ny asan'ireo mpanani-bohitra!
Tsotra kosa izao ny teny izay omeko anao ry Imerina:
Aza dia mpiasabe, manaiky foana ampandeferina!
GEORGES ANDRIAMANANTENA
Nangonin'i Gasykely



Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire