RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Fanafihan'ny DST ny fianakavian'i Tojo Ravalomanana tao Andranomanelatra Antsirabe

    tojo-andranomanelatra-dst.jpg


    Ny alin’ny alatsinainy teo dia niharan’ny herisetra sy fampihorohoroana i Tojo Ravalomanana sy ny ankohonany (Zanaka lahin’ny Filoha Ravalomanana) tao Andronomanelatra Antsirabe.

    Araka ny vaovao voaray dia tonga tao antokatranon’ity zanaky ny Filoha Ravalomanana ity ny andiana miaramila izay nilaza fa avy amin'ny DST (Direction de la Sécurité Territoriale) ary hanao « Perquisition » hono. Raha ny voalazan’ireo nanatri-maso dia ny fiaran’ny FIS (Force d'Intervention spéciale) no nampiasain’izy ireo.

    Tsy nisalasala ireto andiana miaramila ireto fa avy hatrany dia namaky ny vavahadiben’ny tanàna tamin’ny alalan’ny tsofa matanjaka fanapahana vy (Tronçonneuse Électrique ) ary raha vao tafiditra ny tanàna dia tsy nisalasala koa nitifitra ny alika mpiambina tanàna tao.


    Rehefa tafiditra tao antrano ireo andiana miaramila dia nilaza tamin’ny tompo-trano fa hanao perquisition.Nanaiky izany i Tojo Ravalomanana saingy niangavy kosa ny mba tsy hanimbàna ny entany.

    Nandritra izany fotoana izany dia vory ny fokonolona teo antanàna ary nijoro hiaro ny toerana sady taitra nanoloana ny poa-basy sy ny fanafihana mahazo ny fianakavian’i Tojo saingy mbola tifi-danitra sy poa-basy ihany koa no nanaparitahan’ireo andiana miaramila izany.

    Raha ny vaovao farany dia tsy nahita na inona na inona tao antrano ireto mpanao « perquisition » hafa kely ireto ary niala tao rehefa afaka ora iray mahery.Tsara ny mitondra fanamarihana fa ankoatra ny fitifirana ny alika mpiambina tanàna dia niharan’ny herisetra ihany koa ny mpiambina manokana an’i Tojo Ravalomanana ary naratra nandritra izany.

    Mipetraka ny fanontaniana hoe “Perquisition » marina tokoa ve no anton-dian’ireto mpitandron’ny filaminana hafa kelin’ny DST ireto sa zavatra hafa mihitsy?Andrasan’ny mpanara-baovao ny fanazavàna avy amin’ny tompon’andraikitra naniraka azy ireo ankehitriny.

    Loharanm-baovao: http://collectif-gtt.org/

    1 commentaire:

    1. Ny zavatra otran'izao dia efa fantatrireo ao @ FAT fa modiany tsy hita ary mampiseho fa tena fanjakan'ny baroa no misy eto @tsika izao. Izay manana basy ihany zany no mahery kanefa raha ny zava misy eto amintsika tatoato no jerena dia efa manomboka ho leo sy sahy hamaly ireo mpitandro ny filaminana ireo ny vahoaka:
      1°/TOAMASINA: polisy voatifitra teny ambony posy. 2°/MAINTIRANO: Gendarme novonoin'ny olona noho ny fampitahorana nataony. 3°/MAHAJANGA: polisy novonoin'ny olona noho ny fampitahorana nataony an'ireo olona miara misotro aminy. ANDRANOMAVO (Soalala): gendarme namono olona aminy tsy antony... Miseho ho MPANJAKA mihitsy @zao reo olona lazaina fa mpitandro ny filaminana ireo ka raha tsy mahay ireo dia hivadika ity tantara ity ka ny vahoaka indray no hivadika sy hirotaka azy ireo ary amin'izay vao tena henjana ny tolona eto Gasikara fa te,a rà mandriaka tsy hifankahitana sahala ny tany Niger sy Congo...

      RépondreSupprimer