May Ambondrona sa manomboka tazan-dRajoelina ny afo handoro azy sy ny FAT-ny?
SMM, SECES, mpianatra, lasantsy sy frais hiakatra,...raha tsy hitanisa hafa tsy ireo isika dia samy mampaneno lakolosy daholo manoloana ny krizy tsy mety vita (fanahinian'ny sasany halavaina) sy ny halafon'ny fiainana ary ny fahatram-bahoaka. Nilaza i Andry Rajoelina fa tokony hajanona ny grevy sy ny fitakiana isan-karazany mba hampisy fandriampahalemana eto amin'ny Firenena.
![]() |
| Ankoatra ny NOTAM anabakabaka dia manana NOTAM an-tanety koa i zandry |
Ahoana moa ny nataotsika tamin'ny revolisiôna orange tamin'ny 2009 zandry kely? Ohatra ny miverina sahady izany tantara izany an?
Nandresy tokoa ary ve ny tolona? Fa ny mahagaga ry zandry dia ny zavatra lazain'ialahy fa tsy nety natao-dRavalo ihany no averin'ialahy avy im-polo na in-jato heny akory aza ankehitriny. Gaga ve zandry raha miverina sahady ny tantara?
Nolazaina tamin'izany fa manao fitaovana miaramila i Ravalo izao. Izao tsy miaramila tsotra fotsiny fa ankoatra ny camion miaramila maro be mameno tanàna dia nampian'ialahy an'izany FIS izany ary farany teo niforona ihany koa ny DST (raha hiverina kely 50 taona any aoriana isika dia DSTapo no fiantso azy).Nalaza vetivety mihitsy izany risara baomba sy charlie DST izany.
Nolazaina fa nakaton-dRavalo ny viva fa amin'izao anie letsy zandry ankoatra ny MBS, Radio Mada, Fahazavàna,sns...dia am-polony maro ny haino aman-jery nakaton'ialahy manerana an'i Madagasikara e!
Nolazaina fa nanagadra olona amin'ny tsy misy dikany Ravalo (Pety,Voninahitsy,sns...),amin'izao fotoana, firifiry moa ireo sivily, miaramila, mpitondra fivavahana, mpianatra, mpanao gazety, olo-tsotra voatery miforitra any amponja any vokatry ny politikan'ny fanovàna nataon'ny fonja moran'ny FAT-n'ialahy ry zandry?
Tsy hitanisa hafa tsy ireo aho androany ry zandry, fa ny hafatro fotsiny amin'ny mahazoky ahy dia mahaiza ary mamono afo satria zandry tia milalao afo izay. Tandremo main'ny afo natsangana anefa.
Farany fa tsy ny kely indrindra zandry dia mba tanteraho ilay teninao teny Iavoloha indray andro iny hoe asiatsika NOTAM ny rivo-doza rehetra mitady hiditra eto Madagasikara.(Nisy rivo-doza niditra teo ary nadrava sy nanapotika ny Firenena). Fa aza ny rivo-doza ihany no asiana NOTAM fa mba asio koa ny fahantràna sy ny fahoriana iainan'ny Malagasy ankehitriny. Dia mba asio NOTAM daholo ny grevy sy ny fitakiana rehetra fa manakorontana Firenena fotsiny!
Izay indray aloha ny androany zandry fa dia mandra-panoratra indray!
FAT: Fitondràna Avo momba ny
G.R.

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire