RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • TIKO : hanasoa ny mpiara-belona !

    orinasa-tiko3.jpg
    "Hanasoa ny mpiara-belona"

    "Hanasoa ny mpiara-belona",  izany no hira fanevan'ny vondrona TIKO, orinasa vita malagasy, manana ny maha izy azy eto Madagasikara, naorin’ny fianakaviana Ravalomanana. 

    Tsiahivin’ny tale jeneraliny etoana, Andriamatoa Heritiana Andrianaivo, ny entana vokarin’ny orinasa sy ny lanjan’izany teo amin’ny tsenam-barotra PPN. Tsara kalitao nefa takatry ny malagasy. Tao anatin’ny andro iray monja no nanapotehan’ireo milaza azy ho mpitondra fanjakana izany orinasa nanerana ny Nosy izany ary ambaran’ny tale ara-bola eto, Andriamatoa Faliniaina Ratsimbazafy, ny anjojay niainan’izy ireo nandritra izay telo taona izay.

    Mahavelombolo anefa ankehitriny ny fahitana an’Andriamatoa Tojo Ravalomanana izay mitraka, miasa, manarina ary mbola mitondra fanantenana ho an’ny vahoaka malagasy fa hitsangana indray ny orinasa TIKO, hanala ny fahasahiranana, hanasoa ny mpiray tanindrazana. Deraina tanteraka ny herimpo ananan’izany tovolahy izany eo anatrehan’ny habibiana manjaka eto amin’ny firenena ankehitriny. Tsy kisendrasendra izany toe-panahy ananany izany fa ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara ! Dia ho taratry ny tanoran'ny firenena tokoa anie i Tojo Ravalomanana hisondrotan'i Madagasikara amin'ny avo indrindra !


    http://www.tim-madagascar.org/

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire