Tsy naharesy lahatra ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny fanazavana efa nataon’ireo manamboninahitra Malagasy izay nanao tatitra mikasika ny hetsika manokana “tandroka” nataon’izy ireo tany amin’iny faritra atsimon’ny Nosy iny. Nitaky fihaonana tamin’ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, arak’izany ireo masoivoho iraisam-pirenena eto Madagasikara. Nandritra izany fihaonana natao omaly izany no nitakian’izy ireo ny hanokafana fanadihadiana tsy miankina mikasika iny raharaha iny, ka ny Firenena mikambana mihintsy no hitarika izany. Neken’ny Praiminisitra ny hanaovana izany fanadihadiana izany, araka ny nambarany.
Tsy isalasalana ny milaza fa ho an’ireo masoivohom-pirenena na solon-tenan’ireo sampan-draharaha iraisam-pirenena miasa sy monina eto Madagasikara dia tsy azo antoka velively ireo fanambarana miendrika fanadiovan-tena izay nataon’ireo manamboninahitra Malagasy mahakasina ny fizotran’ny hetsika “Tandroka” izay notarihan’izy ireo. Nisy arak’izany ny fandraisan’andraikitr’ireto vahiny ireto izay nangataka fihaonana tamin’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta omaly. Nandritra ity fihaonana ity no notakian’ireo masoivoho vahiny ireo ny hanokafana fanadihadiana tsy miankina mahakasika ny fizotran’ny hetsika “Tandroka” izay napetraky ny fitondrana tetezamita tany amin’iny ilany atsimon’ny Nosy iny. Araka ny fanamarihan’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta dia ny hahafantarana ny antony nampirongatra ny asan-dahalo tany amin’iny faritra iny sy hamaritana ny paik’ady hamongorana izany no tena iompanan’ity fanadihadiana tsy miankina ity. Ankoatr’izay dia nambaran’ireo masoivoho vahiny tonga teny Mahazoarivo ihany koa fa ny hialana amin’ny honohono, sy mba hamaritana mazava tsara ny fisiana na tsy fisiana vono olona faobe nataon’ireo miaramila nalefa tany atsimo no tena anton’izao fanadihadiana tsy miankina izao. Marihina fa ny masoivohon’ny Firenena Mikambana eto amintsika no hitarika izany fanadihadiana izany.
Tsiahivina fa taorian’ny fanambaran’ny Amnesty International izay nanao fanakianana goavana ny zava-misy nataon’ireo miaramila tany atsimo dia nanao fanambarana an-gazety ireo manamboninahitra izay nitari-tafika tamin’ny hetsika “Tandroka”. Fanambarana izay nilazan’izy ireo fa tsy mitombina velively ary fanendrikendrehana no nataon’ny Amnesty International. Arak’izany, raha toa ka resy lahatra tamin’izany fanambaran’ireo manamboninahitra ireo ny fianankaviambe iraisam-pirenena dia tsy nitaky ny hanaovana fanadihadiana manokana intsony. Midika izay rehetra izany fa tsy manana fitokisana amin’ireo manamboninahitra ambony eo aan’ivon’ny fitandroana ny fandriam-pahalemana eto Madagasikara ny Vondrona iraisam-pirenena, na dia sokajin’olona tokony hananana fitokisana aza izy ireo.
Marihina fa efa nisy sahady ireo izay nilaza fa fitsabahan’ireo masoivoho vahiny amin’ny raharaham-pirenena Malagasy izao fitakiana ny hanaovana fanadihadiana manokana mikasika ny vono olona tany atsimo izao. Tsara ihany koa anefa ny mampatsiahy fa azon’ny fianankaviambe iraisam-pirenena atao tokoa ny mametram-panontaniana amin’ny zava-misy eto amintsika raha toa ka manointoina ny fanajana ny zon’olombelona izany. Marihina fa isan’ireo firenena nanasonia ireo fifanarahana iraisam-pirenena momba izany fanajana ny zon’olombelona izany I Madagasikara. Arak’izany dia tsy afa-mitazam-potsiny ny fianankaviambe iraisam-pirenena raha toa ka manjaka eto amintsika izay tsy fanajana ny zon’olombelona izay.
A.Ranaivo / http://lanation.mg
Vakio koa:

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire