RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • MADAGASIKARA: Tsy azo ekena ny fifidianana fransafrika



    TSY AZONTSIKA EKENA NY SARITSARIM-PIFIDIANANA!!
    Nangalarina an-keriny tamintsika vahoaka ny safidintsika sy ny démokrasia tamin’ny 17 marsa 2009. Izao indray dia terena isika hiditra sy hanaiky izay fifidianana kononkonon’ny mpanongam-panjakana sy ny mpiray tsikomba aminy. Tsy azontsika ekena velively izany satria tena fanaovana tsinontsinona antsika vahoaka. Adidintsika no mandà izany ary tsy mbola tratra aoriana akory.

    Maro ny antony tsy hanekena izao fifidianana izao:


    1-Ny CENIT, izay nametrahana ny andraikitra hikarakara sy hanatontosa ny fifidianana dia tsy azo hatokisana noho ireo mambra ao aminy izay mitanila any amin’ny mpanongana ny ankamaroany. Ny filohany, Rtoa Béatrice Attalah, dia fantatra ny fifandraisany akaiky amin’i TGV. Efa mpanolo-tsainan’ny ministra mpanongana Hery Rajanarimampianina izy, mambra mpitantana koa ao amin’i Madarail izay fananan’i Mamy Ravatomanga, namana akaikin’i TGV. Dia azo inoana ve fa tsy hitanila Ramatoa io?

    2-Ny CNOE no miandraikitra ny fanaraha-maso ny fizotran’ny fifidianana. Iza no filohany ? Rtoa Ramaholimihaso izay tsy zoviana intsony ny fiandaniany sy ny fiarahany làlana amin’ny mpanongam-panjakana,

    3-Ny CES, izay noforonina manokana hanamarina ny maha-ara-dalàna ny fifidianana. Izy ihany koa no mamoaka ofisialy ny valim-pifidianana. Ny filohan’ny HCC ihany no filohan’ny CES dia tsy iza fa Jean-Michel Rajaonarivony izay anisan’ireo nikononkonona ny fanonganam-panjakana teny an-tranon’i TGV teny Ambatobe. Tsy nihambahamba ny lehilahy namadika ny Tanindrazana mba hitazonany ny toerany.

    4-Ny FFM (Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy) dia nofenoina fikambanana vaovao akaikin’ny fitondrana. Inona no fampihavanana ho tanterahiny raha ireo lazaina ho “mpampihavana” ao anatiny aza tsy azo inoan-teny sy mitanila? Kanefa ny tsy fombàna ny atsy na ny aroa no ilaina indrindra amin’ny asa ataony.

    Fehiny, tsy misy amin’ireo voatanisa eo ambony ireo no tena mahaleo tena ka afaka manao ny asany an-kahalalahana. Ny fanapahan-kevitra ho raisiny dia tsy maintsy hirona any amin’ny fitondrana: “Tsy hitsipa-doha ny laka-nitany ireo”. (...) Hamaky ny tohiny

    1 commentaire:

    1. Mahery tsy maody hono tsy ela velona ry Malagasy.Tandremo fa zava-doza sy mahavanin-doza i Fransafrika.Raha tsy mailo isika dia tafiditra sy latsaka anaty vela-pandriny.

      RépondreSupprimer