Tao amin’ny FJKM Ambohimarina Fahazavana, ao anatin’ny distrikan‘Ankazobe, no nankalaza ny fetin’ny
reny ramatoa Lalao Ravalomanana. Nentina am-bavaka izy sy ny fianakaviany ary
nahazo ny tso-drano ihany koa mba hanandratra avo ny voninahitry ny fiangonana
sy ny toeran’ny reny malagasy amin’ny andrikitra ho raisiny eto amin’ny
firenena. Ho marika hita maso ny fiarahabana azy nahatratra ny fetin’ny reny
kosa dia notolorana lamba salampy malagasy fotsy manjopiaka izy ary nisy koa ny
vary gasy an-tsobiky nololohavin’ny mpiara-mivavaka avy any amin’ny 120km
natokana ho azy ho fankasitrahana ny fanekeny ny fanasana androany. Amin’ny
maha-vadin’ny filoha mpanampy azy eo anivon’ny fiangonana FJKM moa no nanasan’ny
sinodam-parintany Vonizongo Vavolombelona azy ary dia am-pitiavana no nanekeny
izany fansana izany.
Fivoriam-be voalohany ity nokarakaraina tany Ambohimarina
Ankazobe ity raha ho an’ity sinodam-parintany ity manokana. Nahatsiaro manana
adidy amin’ny mpiandry ny ondrin’Andriamanitra koa Ramatoa Lalao Ravalomanana
ka nanolotra bodofotsy 50. Ny 44 dia ho an’ny vadin’ny mpitandrina ao anatin’ny
sinodam-parintany Vonizongo Vavolombelona. Ny ambiny kosa hatolotra izay
vehivavy osa indrindra 6 ahian’ny fitandremana Ambohimarina Fahazavana.
Ankoatrin’ny fanamafisany ny fahavononany hanarina ny rava dia nanentana ny
rehetra tsy hitsahatra hivavaka ramatoa Lalao Ravalomanana raha nandray
fitenenana. « Mivavaha ka aza mitsahatra » hoy izy « fa ny
vavaka manova zavatra ». Farany dia nanteriny ny firarian-tsoa avy aminy
ho an’ny reny Malagasy manerana ny tany noho izao andro natokana hahatsiarovana
ireo kitapo nifonosana izao.
Ireo andian-tsary nanamarika ny fotoana/crédit photos: Daniel Rakotoarisoa
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire