Rivo-baovao feno fanantenana sy fifaliana hatrany no entin’i Neny Lalao Ravalomanana amin’izay toerana rehetra tsidihany.
Nizotra nianavaratra ny kandida Lalao Ravalomanana omaly.Nanomboka tao Andranomamy ny maraina ny fihaonana tamin'ny vahoaka. Ranomasom-pifaliana ny an'ny renim-pianakaviana nahita azy. Velom-panantenana izy ireo amin'ny fandraisana andraikitra ataon'i Lalao Ravalomanana eto amin’ny firenena. Nitohy tao Ambondromamy ny dia. Ho fanombohana sahady ny asa dia efa nanome fanampiana an’ireo fikambanam-behivavy sy ny sampana dorkasy ao amin’ity kaomina ity i Lalao Ravalomanana.
Iaraha-mahalala fa ny vehivavy, indrindra ny renim-pianakaviana, no mahalala kokoa ny famahàna ny olana ara-tsosialy ka horaisina avy hatrany ny andraikitra momba izany. Ny tolakandro kosa dia i Mampikony no nandray an’i Lalao Ravalomanana. Avy hatrany dia nidina teny an-tsena izy nitafa tamin’ny mponina. Notsorin’ireto farany ny olana eo amin’ny tanàna. Taorian’izay ary dia nanambara i Lalao Ravalomanana fa azo jerena ny hanatsarana ny tsena sy ny hanamboarana toeram-pivoahana ho an’ny rehetra. Tanàna fijanonan’ny fitaterana matetika i Mampikony ka tokony ahitana taratra ny fifanajana eo amin’ny samy Malagasy sy ny fahaizana manaja ny manodidina. Androany dia hanatanteraka hetsika goavana ao Antsohihy ny mpanohana an’i Neny lalao Ravalomanana. Efa nahazoana alalana avy amin’ny sekretera jeneralin’ny faritra Sofia io fanehoan-kevitra politika io.
Ireo an-dian-tsary nanamarika ny dian'i Neny (crédit photos: Daniel Rakotoarisoa)

Mazava ny fitiavan'olona an'i Neny noho ny zavabitany eo anivon'ny fikambanana vehivavy. na koa renimpianakaviana sy hafa izay tsy fantatro nefa inoako fa marobe! Ho tonga haingana anie ny fananan'ity Nosy malalantsika ity Mpitondra endry hamerina ny fankasitrahan'ny malagasy noho ny fahombiazana hita sy tsapa eo @ fitantanana Firenena. Ny tianay dia i Neny no hanohy ny dingana goavana efa vitan'i Dada ary safidin'ny maro anisa tsy azo sakanan'izaniza no hanantantera izany
RépondreSupprimer