RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Manohana sy hampandresy an'i Dr Robinson Jean-Louis ny P.A.J.I.M (Plateforme des Associations des Jeunes et Intellectuels de Madagascar)



    Ny Plateforme des Associations des Jeunes et Intellectuels de Madagascar (P.A.J.I.M), izay ahitana tangorom-pikambanana manerana ny Faritra 22, rehefa avy nivory teto Antananarivo, dia nandinika ny toe-draharaha politika iainan’ny firenena, indrindra tao anatin’izay efa taona nisian’ny krizy mafy nianjady tamin’ny Malagasy izay, hita tamin’izany ary fa :
    • Tsy nifampatoky intsony ny vahoaka Malagasy, tsy misy intsony ny fandriam-pahalemana, very ny soatoavina sy ny fahendrena nananana hatr’izay ;
    • Nidina ambany dia ambany ny fahafaha-mividin’ny Malagasy;
    • Very asa ny tanora Malagasy (600.000 ) noho ny fikatonan’ny AGOA ary tsy natokisan’ny mpamatsy vola intsony ny mpitondra eto Madagasikara;
    • Tsy nanana politika mazava nentina nitantanana ny firenena ny mpitondra;
    • Tsy nisy tena loharanom-bola fantatra mazava nentina nampihodinana ny orinasam-panjakana sy ny ministera isan-tsokajiny;
    Andaniny anefa, hita mifanohitra tanteraka tamin’izany ny fari-piainan’ny mpitondra:
    Noho izany, ny tanora izay maro an’isa amin’izao dia mijery ny anio, mitsinjo sahady ny ampitso ary vonona dieny izao ny handray andraikitra. Fantany ny lasany izay nomena azy, mba hanorenany ny ho avy amin’ireo sehatra maro (toe-karena, sosialy, fianakaviana,……)
    • Tanora mihaino, miaraka, mandray an-tanana ny ampitso eo amin’ireo sehatra isan-tsokajiny
    • Tanora vonona sy sahy hisedra ny mafy mba hananany ho avy mamiratra
    • Tanora mahalala ny tanjany na ara-kevitra izany, na ara- moraly, indrindra ara-olona
    Rehefa nojerena, nofakafakaina ny programan’asa natolotr’ireo kandida mifaninana amin’ny fihodinana faharoa, dia hita fa ny tetik’asa natolotr’Atoa Jean Louis ROBINSON no mifanakaiky indrindra amin’ny hevitra izay fantany fa hampandroso an’I Madagasikara, indrindra fa ny tanora Malagasy sy hiaro ny hasin’ny Université eto Madagascar. Koa manentana antsika tanora (ambanivohitra, andrenivohitra, manam-pahaizana….) sy avaram-pianarana rehetra ny PAJIM mba hanome ny vatony ho an’Atoa Jean Louis ROBINSON satria izy no fantatra fa hany tokana “FAVORI”
    Androany, 03 Desambra 2013
    Ny vahoaka aloha”, “ary minoa fotsiny ihany”

    Ny mpandrindra

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire