RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Affichage des articles dont le libellé est VAVAKA. Afficher tous les articles
    Affichage des articles dont le libellé est VAVAKA. Afficher tous les articles

    VAVAKA (Hadinoy aho anio...) Georges Andriamanantena



    Tompo ô! mafisa fo,
    Ka aza omena valiny aho
    Na mangataka aza anio!

    Fa iangaviako Ianao!

    Omeno an'ny rahalahiko,
    ary ho azy manontolo,
    izay fangatako isanandro!

    Omeo an'ireo mahantra

    izay fitafiko androany
    Omeo an'ny maro anaka
    ny sakafo anio tontoloko,
    Omeo an'ireo sahirana
    izay anjara tsikitsikiko,
    Omeo ho an'ireo voazioga
    ny fahafahako anio.

    Avela aho mba hangatsiaka,

    Avela aho mba hitofezaka,
    Avela aho mba hitomany,
    Avela aho mba ho voageja,
    na anio fotsiny aza!

    Sao izany no hanamaivana

    ny am-paham-pahoriana
    entiny mandavataona ...
    sy ny masoandro takona
    lolohaviny isanandro.

    sady koa mba hamantarako

    ny fitiavantena-disoko,
    fa ny ahy hatrany hatrany
    no efa niadiako fo,
    rehefa mba mivavaka aho,
    ka hadiniko ny hafa.
    Koa italahoako Ianao:
    Hadinoy aho, anio!

    Rado (Georges Andriamanantena)