RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Iza moa Ranjeva Raymond ?


    * Tera-tany malagasy, mizaka zom-pirenena malagasy ihany. Lahimatoa amin’ny mpiray tam-po sivy mianadahy. Fianakaviana tsotra ara-pivelomana na dia taranak’Andriana aza.
    * Nobeazina sy nianatra foana teto Madagasikara izy afa-tsy nandritry ny herintaona tany Frantsa.
    * Nandranto fianarana teny amin’ny ENAM ankoatra ny teny amin’ny oniversiten’i Madagasikara.
    * Avy eo dia niaro ny “thèse de doctorat en Droit” (1971) sy nanala ny « agrégation en droit » (1972) tao Paris na dia efa mpampianatra am-perin’asa teny amin’ny oniversiten’i Madagasikara izy tamin ‘izany.
    * Mpikatroka ao amin’ny fiangonana katolika hatramin’ny fahazazany izy mandrak’ankehitriny ary marihina etoana fa isan’ny mpikambana ao amin’ny “ Conseil Pontifical Justice et Paix”.
    * Mankato ny ekiomenisma izy. Ny vadiny rahateo Rabetafika Yvette dia protestanta. Niteraka dimy mianadahy izy mivady.



    * Teny amin’ny Oniversite, ankoatra ny maha-mpampianatra azy dia voafidy ho filohan’ny toeram-pianarana ambony momba ny lalàna, toe-karena, fitantanana, sosiolojia.
    * Nampianatra tao amin’ny sekoly fanofanana miaramila manam-boninahitra ambony sy manam-boninahitra ambony ao amin’ny polisim-pirenena tao Antsirabe.
    * Avy eo dia voatendry ho Rektora voalohany ny oniversiten’Antananarivo.
    * Tamin’ny 1990 izy dia voafidin’ireo Firenena mpikambana teo anivon’ny Fikambanam-be sy ny Filan-kevim-pilaminana iraisam-pirenena (« Assemblée générale sy Conseil de sécurité des Nations –Unies ») ho Mpitsara iraisam-pirenena ao amin’ny « Cour internationale de Justice ». Antokom-pahay lalàna ambony avy amina firenena samihafa no nanolotra azy ary anisan’izany ny teto Madagasikara.
    * Voafidy fanindroany tamin’ny 1999 rehefa nahavita ny fe-potoana voalohany izay naharitra sivy taona (1991-2000).
    * Tamin’ny 2003-2006 dia voafidy ho filoha lefitry ny “Cour internationale de Justice” izy.
    * Rehefa tapitra ny fe-potoana faharoa dia nanapa-kevitra ny tsy hilatsaka ho fidiana intsony izy fa hody aty an-tanindrazana ( 2009).
    * Marihina fa araka ny sata mifehy ny Mpitsara iraisam-pirenena dia tsy mahazo mandray anjara amin’ny raharaha mikasika ny fiainana politika na ny an’ny tanindrazany avy na ny an’ny firenena hafa ny Mpitsara rehetra ao. Izany anefa tsy nanakana an’Andriamatoa Ranjeva Raymond mivady hanaraka akaiky ny fandehan’ny raharaha teto amin’ny nosy satria niverina in-droa na in-telo isan-taona teto Madagasikara aza ry zareo.

    source:http://ryranjeva.org

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire