Fito taona lasa izay, toa kivy sy niraviravy tanana isika. Ankehitriny 26 janoary 2016, sahy miteny aho eto fa hijoro isika amin’ny finoana arahin’asa. Hijery ny ho avy sy ny ampitso isika ka hametraka fanantenana vaovao. Fotoana izao ahafahana miaraka hiombona sy miaraka hanarenana ny simba sy kila hotohoto ary indrindra ny hampan-dehanana izay efa maty. Hijoro aho, velomy ao anatinareo ny fanantenana. Tsy hanavahana firehana ny vavaka atao anio fa na ny nandoro, na ny voadoro dia asaina amin’zany avokoa satria Andriamanitra no mitsara fa tsy anjarantsika olombelona.
Avereno aminay ny fanananay izay nalainareo, ny bankinay, ny taninay fa tsy ahasoa anareo akory ny fangalanareo azy ireny. Tsy tonga hampiseho ny simba sy may no atao eto anio fa ny hampaha-fantatra ny finoana izay nivelomanay mandrakariva.
Ny Tiko dia nataonay fitaovana hanasoavana ny mpiara-belona. Tsy nametrahanay ny fonay fa natao fitaovana hanomezana sakafo ny mpitahy tanindrazana. Fa tsy tamin’ny orin’asa Magro na Tiko ny nivarotra zava-mpisotro misy alikaola sy sigara. Fitaovana nomen’Andriamanitra io hanampiana ny mahantra sy ny ankizy, ka avereno ny Tiko sao hanenenanareo !
http://gvalosoa.com/

Tsy mbola mahafantatra filoha nahavita nampandroso haingana sy tena tia an'ity tanindrazantsika ity ankoatra anao izahay Mr Ravalomanana. Matoky tokoa izahay fa ny marina tsy mba maty ary ny fitiavan-tanindrazana am-pon'ny tsirairay avy dia mbola mirehitra tsara indrindra maita sy maheno anao mbola vonona hatrany hanavotra ity Firenena mahatrantsika ity na dia teo aza ny sompatra sy habibiana tsy roa aman-tany nahazo anao sy ny fianakavianao. Mahereza Mr Ravalomanana fa tsy maty tsy akory ny fitiavan'ny vahoaka anao na dia eo aza ny fanaratsiana sy henjika sesilany mitranga.Homba antsika Andriamanitra!
RépondreSupprimerGod bless you Dada
RépondreSupprimerMahatoky anao izahay tanora atoa ravalomanana
RépondreSupprimeramin'ny fananganana indray asa ho anay