Mahatsiaro ho sokajiana zanak’ikala hafa ireo mponina avy any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy. Fantatra mantsy izao fa dia tanteraka soa amantsara ny fifanarahana ara-barotra mikasika ny famarotana loharano roa ho an’ny Kanadiana. Ny ministry ny rano Fate, Nirhy Lanto no nanambara izany am-pahibemaso. Tsy niandry ela ny valin-kafatra avy amin’ny vahoaka atsimo. “tsy rariny ary tsy azo ekena izao toetra mamoafady izao” hoy ny député Longin, voafidy any any Beloha Androy.
Any amin’ity faritra ity mantsy dia toa volamena izany rano fisotro izany. Toa karazana heso ihany izao fihetsika izao raha ny fihevitr’ity solombavabahoaka ity.
Araho ato vaovao sy horonan-tsary(VIDEO) mifandraika amin'izany: Fivarotana rano amin’ny vahiny : fanaovana tsinontsinona ny mpiray tanindrazana (collectif-gtt.)
http://collectif-gtt.org/
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire