RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Affichage des articles dont le libellé est FAT. Afficher tous les articles
    Affichage des articles dont le libellé est FAT. Afficher tous les articles

    "Tsy niteraka mpanongam-panjakàna i Vakinakaratra."



    vakinakaratra-rajoelina-fat.jpg
    Na dia mbola tsy nanambara ofisialy amin’ny filatsahan-kofidiany amin’ny fifidianana Filoham-pirenena aza i Andry Rajoelina dia tsikaritra tato ato ny fihazakazahany mafy amin’ny fanaovana fampihelezan-kevitra mialohan’ny fotoana.

    Ny tena marina dia tsy vao izao ity filohan’ny tetezamita FAT ity no nanao fampihelezan-kevitra fa nandritra ny efa-taona latsaka izay dia tsy nitsahatra ny tenany nandresy lahatra sy nihezaka namafa ao an-tsain’ny Malagasy ny fanonganam-panjakàna feno habibiana nataony teto amin’ny Firenena.

    Asa!Heverin’i Andry Rajoelina fohy fisainana sy mora very tadidy tokoa ve ny Malagasy ka tsy hahatsiaro intsony ny zava-doza niainany nanomboka ny taona 2009 ary niteraka fahapotehana sy fahoriana lalina ho an’ny Firenena mandraka ankehitriny?Anjaran’ny Malagasy tsirairay no mamaly an’izay.

    Vahoaka Malagasy...Vatolampy angeren'ny vorona ?



    Toy ny mahazatra nandritra izay efa-taona latsaka nisian’ny fanonganam-panjakàna izay dia zary lasa tandra vadi-koditra amin’ingahy Andry Rajoelina ny fandaingàna sy fiheverana ny vahoaka ho zazakely sy bado.

    Fomba mahazatra izay tsy hitan’ny mpanongam-panjakàna izay maharatsy azy satria nahafahany nifikitra teo amin’ny tetezamitatra tetezamita nandritra ny taona maro ka dia tohizany mandraka ankehitriny.

    Farany teo ary dia tsy nisalasala indray ny filohan’ny FAT nilaza fa mamitaka sy mampanantena tsy misy ny vahoaka mpanara-dia azy fotsiny hono ny Filoha Ravalomanana raha milaza ombieniombieny fa hody eto antanindrazana ary handray anjara feno amin’ny fifidianana Filoham-pirenena ho avy izao.

    Izany hoe te hiteny izany Ingahy Andry Rajoelina fa safidy sy sitra-pon’ny Filoha Ravalomanana no manao sesi-tany ny tenany sy mijanona atsy Afrika Atsimo hatramin’izao,ary:

    -Tongatonga ho azy amin’izao ireny NOTAM mateti-piavy toy ny sotro kely nandrara ny fodian’ny Filoha Ravalomanana sy ny vady aman-janany teto Madagasikara ireny,

    -Fifanadrifian-javatra fotsiny ireny hery famoretana (EMMOREG,FIS,DST,...) mandrakotra sy mameno ny seranam-piaramanidin’Ivato ireny raha vao mahare siotsion-dresaka fotsiny ny mpanongam-panjakàna fa ho avy Ravalomanana,

    -Kisendrasendra ny nahatongavan’ny raharaha AV7 ,(fikambanana izay sady nataon'ny mpanongam-panjakàna sorona mba fihakarana teo amin'ny fitondràna no lasa fitaovana politika koa ankehitriny noho ny fatahorana ny safidim-bahoaka),atsy Afrika atsimo indrindra amin’izao ankatoky ny fifidianana izao,…

    Adala sy tsy misy saina daholo ny vahoaka tsy mahatakatra ny zavatra ao ambadika sy fonosin'ireny teti-dratsy sy sarimihetsika rehetra ireny.

    Ho an’ny mpanara-baovao sy ireo vahoaka vita vaksiny amin’ny lainga sy sarimihetsik'i Rajoelina nandritra izay efa-taona latsaka izay dia mazava ny resaka fa tahotra tsotra izao ny hifaninana amin’ny Filoha Ravalomanana no antony.Tsy misy fanazavana hafa ankoatr’izay.


    Raha dinihina sy tomorina akaiky ny fanambaràna nataon’ity filohan’ny FAT ity tato ato izay tsy miambahamba milaza fa tsy mino ny fiverenan’ny Filoha Ravalomanana eto Madagasikara dia mazava ny resaka fa efa vonona tanteraka amin’ny fomba rehetra ny tenany (Rajoelina) amin’ny fanakanana ity Filoham-pirenena nahongany ity mba tsy ho tafaverina intsony eto Madagasikara farafaharatsiny mialohan’ny fifidianana Filoham-pirenena.

    Ahatarafana koa izany fomba fiteny izany fa efa matoky tanteraka ny tetika sy drafitra maty paika efa vonona sy nomaniny any ambadika any i Rajoelina mikasika ny fisakanana ny fiverenan-dRavalomanana eto Madagasikara.

    Ny fanontaniana mipetraka dia hoe:Nahoana no mbola matahotra an-dRavalomanana amin'ny fifidianana foana i Rajoelina sy ny forongony na dia efa nangalatra "depart"amin'ny propagandy nandritra ny efa-taona latsaka aza?

    Tsy maharesy lahatra vahoaka ve ny kianja manara-penitra sy ny tetezamita mora ka mahatonga an-dRajoelina tsy hatoky tena hatramin'izao raha resaka fifidianana sy safidim-bahoaka no resahina?

    Ho an’ny mpanara-baovao ohatra dia tsy tongatonga ho azy ny fanendrena ny Jeneraly Richard Ravalomanana ho kaomandy vaovaon’ny Zandarimariam-pirenena.

    Ny Jeneraly Ravalomanana dia tsy iza fa iray amin’ireo manamboninahitry ny tafika atokisan-dRajoelina indrindra,ary anisan’ireo miaramila mihazakazaka indrindra amin’ny fisondrotana galona nandritra izao tetezamita izao.

    Ary farany fa tsy ny kely indrindra dia ity Jeneraly ity no anisan'ny mafana fo indrindra amin'ny fanenjehana ny mpanara-dia sy mpomba ny Filoha Ravalomanana.Hatreny an-tanim-bary eny Tsimbazaza izany,mandalo an'Ambohijatovo ary hatreny Ivato dia tsy miala ity farany manenjika vahoaka sy izay rehetra mety manelingelina ny fitondràna FAT rehetra.

    Ho an’ireo vahoaka tsy manaiky na tsy mankasitraka izao fanjakanan-dRajoelina sy ny tetezamitany izao dia mahafantatra tsara fa tsy tongatonga ho azy ilay anaram-bositra hoe”Richard Baomba” fa ao raha.Ary na ireo mpiasam-panjakàna eo amin’ny sehatry ny fahasalamana nanao fitokonana faraparany teo koa dia manana ny antony mazava matoa nanome anarana ity Jeneraly malaza ity ihany koa hoe “Profesora Ravalomanana”.
    Galona (mora) sady haingam-pandeha (TGV)

    Malaza ho nanao “Ecole de guerre” ny Jeneraly Ravalomanana,ary mety anisan’ny antony nisafidian’ny filohan’ny FAT azy izany.

    Ny azo antoka sy voaporofo anefa aloha hatreto dia “guerre” tsy misy farany amin’ny vahoaka mpanohitra ny fitondràna FATn-dRajoelina no mampalaza sy mahakinga ary mampihakatra galona azy matetika.Tsy lazaina intsony ny fahitàna Baomba volana alohan’ny biby…Efa hain’ny rehetra ny tohiny.

    Ny tiana hahatongavana dia tsotra ihany.Mandady ny trambo,ary efa miha lalina hatrany ny faka nahoriny nandritra ny efa-taona latsaka izao.

    Vohizina mafy fa ny fifidianana ihany no hahafahatsika Malagasy miala amin’izao krizy sy fahantràna lalina nateraky ny fanonganam-panjakàna izao.

    Marina tokoa izany,vahaolana ny fifidianana,saingy inona moa no maha fifidianana azy raha toa ka tsy ho voahaja ny safidim-bahoaka izay fototra voalohany sy antom-pisian’ny Demokrasia?

    Inona no maha Fifidianana sy safidim-bahoaka azy raha toa ka ny kandidà iray izay mbola tena atokisana andrandrain’ny maro an’isa no tsy avela hirotsaka sy sakanana amin’ny fomba rehetra mba tsy handray anjara?

    Sa tsy mba isan’ny vahoaka intsony ireo Malagasy maro be manerana ny Nosy midradradradra sy miandrandra mafy ny fiverenan’ny Filoha Ravalomanana antanindrazana ary maniry ny filatsahan-kofidiany?

    Tsy misy ngeza sy mafy toy ny vatolampy hono ry VAHOAKA;saingy rehefa tsy miteny dia izao karazam-borokely rehetra izao mahavita manao maloto eo antampon-dohany daholo…

    Atsipy ny tady eny an-tandroky ny omby,atsipy ny teny any am-pon’ny mahalala.Mba tsy ho zaza saina sy mora handairan’ny lainga araka ny fiheveran’ny sasany azy daholo (intsony) anie ny Vahoaka Malagasy…!



    D.R.

    Alain Ramaroson :Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina ?



    alain-ramaroson-fat3.jpg
    Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina,ary izay fatra-pilalao afo ihany no may...Main'ny afo natsangany...

    Izay no azo ilazàna ny zava-misy ankehitriny mikasika ny raharaha Alain Ramaroson sy ny fanjakàna FAT.

    Iza tokoa moa no tsy nahatadidy ny hafanam-po diso tafahoatra sy fanararaotam-pahefàna nataon’Ingahy Alain Ramaroson nandritra ny fanonganam-panjakàna nataony niaraka tamin’ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny mpitondra FAT ankehitriny ny taona 2009?

    Fanambarana avy amin’ny Etat-Major Mixte opérationnel national (EMMONAT) - Mpitandron'ny filaminana tokoa sa mpitandron'ny fanakorontanana ara-politika?



    communique-emmonat1.jpg
    Mpitandron'ny filaminana sa mpitandron'ny fanakorontanana ara-politika?

    Mihazakazaka dia mihazakazaka ny toe-draharaha eto amin’ny Firenena ankehitriny. Miha mahazo rehitra hatrany ny afo mandoro ny fitondràna tetezamitan-dRajoelina  Mampiaka-peo sy manao fihetsiketsehana maneho tsy fankasitrahana ny fitondràna misy ankehitriny avokoa ny ankamaroan’ny hery velona sy ny mpiasam-panjakàna ary ny fikambanana maro samihafa misy eto amin’ny Firenena.

    Ny marina momba ny raharaha BANI

    bani-ivato2.jpg

    Tsy misy zavatra ho tako-nafenina fa tsy maintsy mipoitra eny foana. Amin'ny fifanarahana ankapobeny ary indrindra indrindra amin'ny miaramila na inona na inona ilay fifanarahana dia ny fanajàna ny teny nomena sy ny sonia no mampiseho ny haja amam-boninahitra an'ireo nifanaraka sy nifanome teny ary nanao sonia. Ny tsy fanajàna ny teny sy sonia dia efa marika tandra-vadikoditra amin'ireto manonon-tena ho mpitondra firenena ireto efa ho roa taona izao.

    Mampiseho izany ny maha-olon-tsy manakaja sy voninahitra ireto olon'ny FAT ireto, manaporofo ny maha-jiolahy azireo nandroba fitondràna sy fananam-pirenena : ka omen-tsiny ve izay mandray andraikitra ny hanala jiolahy nangalatra fitondràna ?

    Fivarotana rano amin’ny vahiny : fanaovana tsinontsinona ny mpiray tanindrazana



    Mahatsiaro ho sokajiana zanak’ikala hafa ireo mponina avy any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy. Fantatra mantsy izao fa dia tanteraka soa amantsara ny fifanarahana ara-barotra mikasika ny famarotana loharano roa ho an’ny Kanadiana. Ny ministry ny rano Fate, Nirhy Lanto no nanambara izany am-pahibemaso. Tsy niandry ela ny valin-kafatra avy amin’ny vahoaka atsimo. “tsy rariny ary tsy azo ekena izao toetra mamoafady izao” hoy ny député Longin, voafidy any any Beloha Androy.
    Any amin’ity faritra ity mantsy dia toa volamena izany rano fisotro izany. Toa karazana heso ihany izao fihetsika izao raha ny fihevitr’ity solombavabahoaka ity.

    Araho ato vaovao sy horonan-tsary(VIDEO) mifandraika amin'izany: Fivarotana rano amin’ny vahiny : fanaovana tsinontsinona ny mpiray tanindrazana (collectif-gtt.)

    http://collectif-gtt.org/

    Niloa-bava i Tantely Andrianarivo: «Takalon’aina ny vahoaka»


    Nandalo tao Antsirabe ary nitafa tamin’ny vahoaka tao an-toerana ny Praiministra teo aloha Tantely Andrianarivo ny antoandron’ny talata 26 oktobra teo. Teo amin’ny Kianjan’ny kolontsaina manoloana ny Tranompokonolona Antsirabe no nifamotoanany tamin’ireo mpikatroka Arema.

    Azo lazaina ho maromaro ihany no nanoina ny antso na dia tampoka aza ity fandalovany tao Antsirabe ity, satria raha ny fandaharam-potoanany dia ny faritra Matsiatra Ambony no hovangiany. Noho ny fiangavian’ireo kamarady teo aloha dia nisy ity fihaonana ity. Nisongadina nandritra ny lahateniny fa fotoanan’ny fifohazana izao ho an’ireo mpomba sy mpikatroka namany taloha ary ho an’ny fampandrosoana no tokony himasoana maika. Raha ny zava-misy mantsy dia variana amin’ny ady seza ny mpitondra ary tena adino tanteraka ny vahoaka eny ambanivohitra. Anisan’ny nampalahelo azy ny fahapotehan’ireo ireo asa fampandrosoana maro efa somary nisongadina sy nampiavaka an’i Vakinankaratra toy ny fiompiana omby be ronono sy ireo asa fanamboarana lakan-drano ho an’ireo tantsaha.

    Vahoaka sesehena teny Anosy nifanandrina tamin'ny kolonely Richard Ravalomanana sy ny fitsaràna FAT


    Nafana tanteraka ny teny amin’ny manodidina ny lapan’ny fitsarana androany maraina. Tonga nanotrona ireo mpitari-tolona ho tsaraina ny mpandala ny ara-dalàna. Hiram-pivavahana, hiakam-pitolomana no niandrasan’izy ireo izany fotoana izany.(...)

    Tsy nahatohitra ny vahoaka ny col. Richard “La Bombe”


    Niezaka hanaparitaka ireto mpitolona ireto ny EMMOREG saingy tsy nahatohitra. Nidina teny an-toerana mihitsy ny Kol. Ravalomanana Richard saingy nijoro hatramin’ny farany ihany koa ny vahoaka. Maro no tsy nikoso-maso taminy ka tsy nahomby avokoa ireo fisamborana nokasainy hotanterahina. 

    Tsy navelan’ny vahoaka hiditra ny lapan’ny fitsarana Yves Aimé sy Fetison


    Hetsi-bahoaka tetsy amin'ny tribonaly Anosy: Taitra ary tsy tana intsony ny vahoaka

    hetsi-baoaka-anosy3.jpg