Toy ny mahazatra nandritra izay efa-taona latsaka nisian’ny
fanonganam-panjakàna izay dia zary lasa tandra vadi-koditra amin’ingahy Andry
Rajoelina ny fandaingàna sy fiheverana ny vahoaka ho zazakely sy bado.
Fomba
mahazatra izay tsy hitan’ny mpanongam-panjakàna izay maharatsy azy satria
nahafahany nifikitra teo amin’ny tetezamitatra tetezamita nandritra ny taona maro ka dia
tohizany mandraka ankehitriny.
Farany teo
ary dia tsy nisalasala indray ny filohan’ny FAT nilaza fa mamitaka sy
mampanantena tsy misy ny vahoaka mpanara-dia azy fotsiny hono ny Filoha
Ravalomanana raha milaza ombieniombieny fa hody eto antanindrazana ary handray
anjara feno amin’ny fifidianana Filoham-pirenena ho avy izao.
Izany hoe te hiteny izany Ingahy Andry Rajoelina fa safidy sy
sitra-pon’ny Filoha Ravalomanana no manao sesi-tany ny tenany sy mijanona atsy
Afrika Atsimo hatramin’izao,ary:
-Tongatonga
ho azy amin’izao ireny NOTAM mateti-piavy toy ny sotro kely nandrara ny
fodian’ny Filoha Ravalomanana sy ny vady aman-janany teto Madagasikara ireny,
-Fifanadrifian-javatra
fotsiny ireny hery famoretana (EMMOREG,FIS,DST,...) mandrakotra sy
mameno ny seranam-piaramanidin’Ivato ireny raha vao mahare siotsion-dresaka
fotsiny ny mpanongam-panjakàna fa ho avy Ravalomanana,
-Kisendrasendra
ny nahatongavan’ny raharaha AV7 ,(fikambanana izay sady nataon'ny
mpanongam-panjakàna sorona mba fihakarana teo amin'ny fitondràna no lasa
fitaovana politika koa ankehitriny noho ny fatahorana ny safidim-bahoaka),atsy
Afrika atsimo indrindra amin’izao ankatoky ny fifidianana izao,…
Adala sy tsy misy saina daholo ny vahoaka tsy mahatakatra ny zavatra ao ambadika sy fonosin'ireny teti-dratsy sy sarimihetsika rehetra ireny.
Ho an’ny
mpanara-baovao sy ireo vahoaka vita vaksiny amin’ny lainga sy sarimihetsik'i
Rajoelina nandritra izay efa-taona latsaka izay dia mazava ny resaka fa tahotra
tsotra izao ny hifaninana amin’ny Filoha Ravalomanana no antony.Tsy misy
fanazavana hafa ankoatr’izay.
Raha
dinihina sy tomorina akaiky ny fanambaràna nataon’ity filohan’ny FAT ity tato
ato izay tsy miambahamba milaza fa tsy mino ny fiverenan’ny Filoha Ravalomanana
eto Madagasikara dia mazava ny resaka fa efa vonona tanteraka
amin’ny fomba rehetra ny tenany (Rajoelina) amin’ny fanakanana ity
Filoham-pirenena nahongany ity mba tsy ho tafaverina intsony eto Madagasikara
farafaharatsiny mialohan’ny fifidianana Filoham-pirenena.
Ahatarafana
koa izany fomba fiteny izany fa efa matoky tanteraka ny tetika sy drafitra maty
paika efa vonona sy nomaniny any ambadika any i Rajoelina mikasika ny
fisakanana ny fiverenan-dRavalomanana eto Madagasikara.
Ny fanontaniana mipetraka dia hoe:Nahoana no mbola matahotra an-dRavalomanana amin'ny fifidianana foana i Rajoelina sy ny forongony na dia efa nangalatra "depart"amin'ny propagandy nandritra ny efa-taona latsaka aza?
Tsy maharesy lahatra vahoaka ve ny kianja manara-penitra sy ny tetezamita mora ka mahatonga an-dRajoelina tsy hatoky tena hatramin'izao raha resaka fifidianana sy safidim-bahoaka no resahina?
Ho an’ny
mpanara-baovao ohatra dia tsy tongatonga ho azy ny fanendrena ny Jeneraly
Richard Ravalomanana ho kaomandy vaovaon’ny Zandarimariam-pirenena.
Ny Jeneraly
Ravalomanana dia tsy iza fa iray amin’ireo manamboninahitry ny tafika
atokisan-dRajoelina indrindra,ary anisan’ireo miaramila mihazakazaka indrindra
amin’ny fisondrotana galona nandritra izao tetezamita izao.
Ary farany
fa tsy ny kely indrindra dia ity Jeneraly ity no anisan'ny mafana fo indrindra amin'ny fanenjehana ny mpanara-dia sy mpomba ny Filoha Ravalomanana.Hatreny an-tanim-bary eny Tsimbazaza izany,mandalo an'Ambohijatovo ary hatreny Ivato dia tsy miala ity farany manenjika vahoaka sy izay rehetra mety manelingelina ny fitondràna FAT rehetra.
Ho an’ireo
vahoaka tsy manaiky na tsy mankasitraka izao fanjakanan-dRajoelina sy ny
tetezamitany izao dia mahafantatra tsara fa tsy tongatonga ho azy ilay
anaram-bositra hoe”Richard Baomba” fa ao raha.Ary na ireo
mpiasam-panjakàna eo amin’ny sehatry ny fahasalamana nanao fitokonana faraparany
teo koa dia manana ny antony mazava matoa nanome anarana ity Jeneraly malaza
ity ihany koa hoe “Profesora Ravalomanana”.
 |
| Galona (mora) sady haingam-pandeha (TGV) |
Malaza ho
nanao “Ecole de guerre” ny Jeneraly Ravalomanana,ary mety anisan’ny
antony nisafidian’ny filohan’ny FAT azy izany.
Ny azo antoka sy voaporofo anefa
aloha hatreto dia “guerre” tsy misy farany amin’ny vahoaka mpanohitra ny
fitondràna FATn-dRajoelina no mampalaza sy mahakinga ary mampihakatra galona azy matetika.Tsy lazaina intsony ny
fahitàna Baomba volana alohan’ny biby…Efa hain’ny rehetra ny tohiny.
Ny tiana
hahatongavana dia tsotra ihany.Mandady ny trambo,ary efa miha lalina hatrany ny
faka nahoriny nandritra ny efa-taona latsaka izao.
Vohizina
mafy fa ny fifidianana ihany no hahafahatsika Malagasy miala amin’izao krizy sy
fahantràna lalina nateraky ny fanonganam-panjakàna izao.
Marina tokoa izany,vahaolana ny fifidianana,saingy inona moa no maha
fifidianana azy raha toa ka tsy ho voahaja ny safidim-bahoaka izay fototra voalohany
sy antom-pisian’ny Demokrasia?
Inona no
maha Fifidianana
sy safidim-bahoaka azy raha toa ka ny kandidà iray izay mbola tena atokisana andrandrain’ny maro
an’isa no tsy avela hirotsaka sy sakanana amin’ny fomba rehetra mba tsy handray
anjara?
Sa tsy mba
isan’ny vahoaka intsony ireo Malagasy maro be manerana ny Nosy midradradradra
sy miandrandra mafy ny fiverenan’ny Filoha Ravalomanana antanindrazana
ary maniry ny filatsahan-kofidiany?
Tsy misy
ngeza sy mafy toy ny vatolampy hono ry VAHOAKA;saingy rehefa tsy miteny
dia izao karazam-borokely rehetra izao mahavita manao maloto eo antampon-dohany
daholo…
Atsipy ny tady eny an-tandroky ny omby,atsipy ny
teny any am-pon’ny mahalala.Mba tsy ho zaza saina sy mora handairan’ny lainga
araka ny fiheveran’ny sasany azy daholo (intsony) anie ny Vahoaka Malagasy…!
D.R.