Ny 06 Mai 2009 no naiditra am-ponja ny colonel Ralitera Andrianandraina izay talen’ny fiarovana ny HCC. Rah any làlana dia tapitra ny 06 Novambra teo ny tokony hitazomana azy am-ponja ary tokony nivoaka izy sy ireo mpiara-miasa aminy 5 mirahalahy tao amin’ny HCC ihany. Tsy tanteraka anefa izany noho “ny baiko midina”. Nanambara ny Me Yves Ratrimoarivony, mpisolovava ireto voafonja politika ireto fa dia “tsy ara-dàalana sy tsy ara-drariny” izao fanagejana olona izao. “Simba tanteraka ny ho avin’ireo olona ireo, tsy manana fiainana intsony, satria dia gadraina tsy amin-drariny”. “Efa tsy misy intsony ny fanajana ny zo maha olona eto amin’ity Madagasikara ity, ary ny Fitsarana dia mitongilana tanteraka” hoy Me Ratrimoarivony. Amin’ireo fiampangana miisa 5 an’ny colonel Ralitera moa dia voatonona ao ny “ famonoana ilay mpivaro-boky teo Ambohijatovo, ny famonoana ilay polisy Sabe Christian teny Anosy, ary ny fitazomana fitaovam-piadiana tsy ara-dàlana”. Ireo rehetra ireo moa dia voalaza ao anatin’ny didy fampitana fa dia misy vavolombelona avokoa, saingy mbola tsy nahita maso izany ireo mpiaro.(...)
http://collectif-gtt.org/
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire