RADIO LONGO MADAGASIKARA
Fanambaràna miaramila: Komity Miaramila ho an'ny Fanavotam-Pirenena
Ry Vahoaka malagasy mpiray tanindrazana, Valo amby folo volana izay no niandrandrantsika rehetra vahaolana maharitra mba ho famahana ny krizy politika eto amin'ny firenena. Indrisy anefa fa dia mbola samy miziriziry amin'ny heviny avy na ny andaniny na ny ankilany, ka ny malagasy no mizaka ny voka-dratsin'ny hambom-po diso toerana izay mitarika fahantrana mangitsokitsoka amin'ny vahoaka.
Manjaka ny tany tsy tan-dalàna sy ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, manjaka ny fanamparam-pahefana, very fanahy mbola velona na ny mpanao politika na ny mpandraharaha, indrindra ny vahoaka tsy mandady harona satria tsy misy ny fandriam-pahalemana amin'ny lafiny rehetra.
Eo anatrehan'izany dia mahatsiaro manana adidy ny foloalindahy malagasy koa nanapa-kevitra sy mandray izao andraikitra manaraka izao :
- Atomboka ny fampihavanam-pirenena tena izy, tsy misy anilihana na iza na iza
- Avoaka ireo rehetra voafonja noho ny antony politika
- Antsoina ireo rehetra voasesi-tany any ivelany hiveerina eto an-tanindrazana hiara-hanarina ny tanindrazana iombonana
- Rava manomboka izao ny andrim-panjakana rehetra misy ary ny Komity miaramila ho fanavotam-pirenena no mitantana vonjimaika ny raharaha-mpirenena
- Ankinina amin'ny sekretera jeneraly ny fampandehanana ny raharaham-panjakana eo amin'ny ministera isan'isany.
Koa antsoina ny miaramila sy zandary ary polisy hamonjy ny Toby niaviany avy.
Aoka ho tony isika vahoaka ary hifanome tanana aminay indrindra eo amin'ny lafiny fandriam-pahalemana;
HO AN'NY TANINDRAZANA
KOMITY MIARAMILA HO AN'NY FANAVOTAM-PIRENENA
Inscription à :
Publier les commentaires (Atom)
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire