Nandre sy Nahita ary Nahatsapa ny fandikam-pitsipika goavana nataon’ireo olona tarihin’andriamatoa RAHARINAIVO Andrianatoandro ny Birao politikan’ny Antoko Tiako i Madagasikara.
Ny Birao politika dia maneho ny fitsipahany marin-drano ireo fanambarana feno fitaka nolazaina fa amin’ny anaran’ny Antoko sy ireo fafi-lainga haelin’ireo antokon’olona nisitaka tamin’ny antoko ireo, ary koa manameloka ny fampiasan’izy ireo antsokosoko ny antontan-taratasy mikasika ny antoko Tiako i Madagasikara.
Manoloana izany toe-javatra izany, Ny Birao politika dia manao izao fanamarihana manaraka izao :
- Araka ny Sata sy ny Fitsipi-pifehezana anatiny mifehy ny antoko Tiako i Madagasikara, dia ny Filoha Nasionaly irery ihany no afaka miantso ny Fihaonambem-pirenena (congrès national) na ny Filan-kevim-pirenenin’ny Antoko(Conférence nationale). Noho izany ireo fihaonana na fivoriana isan-karazany natao sy notarihin’Atoa RAHARINAIVO Andrianatoandro amin’ny anaran’ny Antoko dia tsy tsy ara-dalàna avokoa. Ary ireo fanambarana nataony amin’ny anaran’ny antoko dia sady tsy misy fiantraikany mihintsy na mamatotra velively ny Birao politika amin’izay fanapahan-keviny.
- Ny Birao Politika dia mihevitra fa ny fihetsika nasehon’ireto olona nisintaka reto dia fanitsakitsahana tanteraka ny fepetra hifampifehezan’ny Antoko,mandray izany ho fikomiana amin’ny rafitry ny Antoko, ary ho famadihana ny fenitra sy ny sori-dalan’ny antoko Tiako i Madagasikara, indrindra amin’izao vanim-potoana manahirana izao.
- Manamarika ihany koa ny Birao politika fa sady tsy voalohany no tsy indray andeha Atoa RAHARINAIVO Andrianatoandro no nihoa-pefy sy nandika ny fepetra hifampifehezana, ny fenitra ary ny sori-dalan’ny antoko.
- Ankehitriny izy nanangana Birao politika hafa tanteraka hivelan’ny Rafitra aradalànan’ny antoko Tiako i Madagasikara, kanefa mampiasa ny anaran'ny antoko hanehoana hevitra am-pahibe-maso, hevitra izay mifanimpaka tanteraka amin’ny foto-kevitra hijoroana sy harovan’ny antoko Tiako i Madagasikara. Tsy azo ekena ary tsy azo leferina intsony izany fihetsika politika tsy mendrika sy tsy madio izany.
- Mahatsapa ny birao politika fa nampiana tosika mafy tamin’ireo haino aman-jery sy gazety, indrindra ireo akaikin'ny F A T ireo hetsika feno fisolokiana natao ireo, koa dia manameloka izany fihetsika mamohehitra hentina andemen-tsaina ny vahoaka izany.
- Mihevitra ary ny Birao Politika fa fanaratsiana endrika ny antoko Tiako i Madagasikara izany. Voatohintohina sy voazimbazimba tanteraka ny hajany,koa dia milaza amin’ireo mpikambana sy ireo mpanohana azy ny antoko Tiako i Madagasikara fa manomboka izao dia hahantona tsy ho mpikambana ao
anatin’ny Antoko intsony ireo olona nikomy ireo mandra-pandraisana ny fanapahan-kevitra farany famaizana azy ireo, ary manamafy fa tsy solontenan’ny antoko Tiako i Madagasikara velively izy ireo.
- Ny Birao politika dia manavao indray ny fahatokisany ny Filoha Marc RAVALOMANANA ary dia manamafy aminy ny firaiketany amin’ireo tarigetran’ny Antoko sy ny finiavany hikatsaka hatrany ny filaminana sy ny fampandrosoana an’i Madagasikara.
NOHO IZANY
Ny Birao Politika dia mamerina mampahatsiahy indray fa :
1. Ny Antoko Tiako i Madagasikara dia tsy mandray anjara mihintsy amin’ireo rafitra peta-toko napetraky ny F A T samirery ary tsy nanome alalana na iza na iza hisolo tena azy ao anatin’ireo rafitra ireo ;
2. Atoa RAHARINAIVO Andrianatoandro dia tsy mahasolo tena ara-dalàna ny Antoko Tiako i Madagasikara, na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona ary na amin’ny rafi-panjakana inona na rafi-panjakana inona.
Nanapa-kevitra ihany koa ny Birao politika fa :
1. Hahantona avy hatrany tsy misy hatakandro, tsy ho mpikambana ao amin’ny Antoko Tiako i Madagasikara intsony Atoa RAHARINAIVO Andrianatoandro sy ireo rehetra nanara-dia azy.
2. Ireo fanambarana rehetra nataon’Atoa RAHARINAIVO Andrianatoandro sy ireo rehetra nanara-dia azy dia heverina ho toy ny tsy nisy ary tsy manankery.
3. Hentanina ny mpikambana rehetra sy ny vahoaka malagasy tsy vaky volo mba ho mailo hatrany ka tsy handray anjara na hirotsaka amin’ireo fifidianana kasain’ny FAT samirery hatao.
Ny Birao Politika dia maneho ny fankasitrahany ireo Malagasy rehetra tsy mitsahatra manome hery ny Antoko Tiako i Madagasikara manoloana izao hetsika mamohehitra hanakorontanana azy izao.
Andriamanitra anie hanome lalandava antsika ny hery sy ny tanjaka hahafahantsika hanoy ny lalantsika hampandresy ny hetaheta marin’ny vahoaka Malagasy.
États-Unis d'Amérique, ny 13 novambra 2010
Amin’ny anaran’ny Ny Birao politikan’ny Antoko Tiako i Madagasikara
Ny Filoha Nasionaly,
Yvan RANDRIASANDRATRINIONY

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire