Araka ny tatitra azo avy amin'ny fianakavian'ny Jeneraly Raoelina dia naratra mafy izy noho ny vono sy ny herisetra ataon'ny olon-dRajoelina aminy niantomboka tamin'ny fisamborana azy ka hatramin'izy efa any amponja.
Amin'izao ora izao dia tsy fantatra intsony izy na manao ahoana na manao ahoana. Samy mahafantatra isika fa ny Jeneraly Raoelina dia loza mitataho eo ambony lohan'ny Fat.
Re ihany koa izao fa notazomina eny amin'ny commissariat ny zanaka vavin'i Profesora Raymond Ranjeva, taorian'ny "perquisition" tao an-tranon'ny vinantony. Fa inona moa no idiran'ny zanany vavy amin'izao raharaha politika izao ?
Amin'izao fotoana izao ihany koa dia maro ireo sivily iharan'ny "perquisition" tsy amin'antony ary tsy miafina amintsika fa betsaka ireo gadra tsy mbola mandalo fitsarana.
Mampiseho izany rehetra izany fa mitombo isan'andro ny habibian'ity Andry Rajoelina ity sy ny mpanaraka azy.
Adidintsika vahoaka malagasy no manohitra sy miady amin'izao asa ratsy izao.
Mitsangàna hanohitra izao habibiana izao na dia mbola tsy ny tenananao mivantana aza no hiharan'izany.
Atambaro ny hery hampiseho amin'izao tontolo izao fa i Andry Rajoelina no mpanongam-panjakana ary tsy mitsahatra mampiasa herim-pamoretana amin'ny olona mandàla ny ara-dalàna.
Adidintsika izay tsy any amponja no miady ho fanafahana ireo izay any ary ho fanafahana ny tanindrazana izao !
Aoka isika tsy handry raha tsy mahavita izany isan'andro !
"Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao"
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire