RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Ny marina momba ny raharaha BANI

    bani-ivato2.jpg

    Tsy misy zavatra ho tako-nafenina fa tsy maintsy mipoitra eny foana. Amin'ny fifanarahana ankapobeny ary indrindra indrindra amin'ny miaramila na inona na inona ilay fifanarahana dia ny fanajàna ny teny nomena sy ny sonia no mampiseho ny haja amam-boninahitra an'ireo nifanaraka sy nifanome teny ary nanao sonia. Ny tsy fanajàna ny teny sy sonia dia efa marika tandra-vadikoditra amin'ireto manonon-tena ho mpitondra firenena ireto efa ho roa taona izao.

    Mampiseho izany ny maha-olon-tsy manakaja sy voninahitra ireto olon'ny FAT ireto, manaporofo ny maha-jiolahy azireo nandroba fitondràna sy fananam-pirenena : ka omen-tsiny ve izay mandray andraikitra ny hanala jiolahy nangalatra fitondràna ?



    Antsika rehetra manan-tsaina sy mbola mandàla ny fomba amam-panao maha-Malagasy antsika no mamaly ny fanontaniana raha tiantsika ny hamela Firenena vanona hoan'ny taranaka faramandimby ka hamerenana ny hasin'ity Tany ity izay hosihosian'ny olom-bitsy ankehitriny.


    1 commentaire:

    1. Tokony tsy adino fa I Cnl Charles sy ny namany dia nampihinana maloto mihitsy ray amandreny tena Antanimena t@ nisamborana azy, hoy aho hoe, tsy ny tody no misy fa ny atao no miverina. Mbola ho avy koe ny anaran'i Andry Rajoelina sy Mialy, fa i Mialy anie no tena atidoha fa i Rajoelina alika manara-tompo fotsiny e!

      RépondreSupprimer