RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Fiarahabàna noely 2010 avy amin'ny filoha Marc Ravalomanana

    ravalomanana-noely-2010.jpg

    vij 01 101226 Firarian-tsoa nataon'ny PRM

    DIKA MALALAKA NY FIRARIAN-TSOA NATAON'NY FILOHAM-PIRENENA MARC RAVALOMANANA


    Miarahaba ny vahoaka Malagasy rehetra manerana ny Nosy aho sy manerana izao tontolo izao ! Amin'ity andro krisimasy ity, vanim-potoana iray lehibe amintsika kristianina, ny fahatsiarovana ny naterahan'ny Mpamonjy, izay fantantsika rehetra ary inoantsika rehetra fa nomen'Andriamanitra ho antsika, hisolo heloka antsika, hamonjy antsika amin'ny zavatra rehetra, hanampy atsika ary indrindra indrindra hampiray atsika indray Aminy.



    Koa amin'izao fotoan-tsarotra izay diavin'ny firenentsika izao dia mahafaly ahy indrindra ny miarahaba antsika vahoaka Malagasy rehetra, tratry ity krisimasy 2010 ity.Mahafaly ahy indrindra no miantso ny vahoaka Malagasy rehetra mba samy andinin-tena ary hanitsy sy hamaritra mazava ny lalana tokony hizorantsika mba hamerenana indray ilay fifankatiavana toy ny nitiavan'Andriamanitra antsika, nanolorany zanany lahitokana ho antsika.

    Amin'ity krisimasy 2010 ity no hiarabako ny vahoaka Malagasy iray manontolo amin'ny fahasahiana sy ny herim-po ananany ka ijoroany mandrakariva ny fitakina  amerenana ny ara-dalàna sy hiverenan'ny fandriam-pahalemana eto amin'ny tany sy ny fanjakana.Amin'ity andro krisimasy ity no isaorantsika ny firenen-drehetra eran-tany, tsy ela akory fa vao alina ny Papa ray masina no nanao hafatra ho an'izao tontolo izao indrindra fa ho antsika Malagasy mba hisian'ny fandriam-pahalemana eto amin'ity Nosy malalantsika ity.Koa mahafaly ahy ny miarahaba ny vahoaka malagasy rehetra tratry ity krismasy 2010 ity. Enga anie hitondra antsika ho amin'ny fandriam-pahalemana amin'ny alalan'ny fifankantiavana sy fandrindrana ny fihavanana indray, hanafoana tanteraka ny fankahalana ao am-potsika ao ary ampijoro marina ny finoana sy ny faharetana ary indrindra indrindra ny fanantenana , mba ananantsika izany finoana izany dia mangataka mafy amin'Andriamanitra isika ampijoroany antsika sy ametrahany antsika amin'ny toerana sahaza ny vahoakan'Andriamanitra dia ilay toeran'ny fifankatiavana ilay toeran'ny fisian'ny fihavanana.Mangataka mafy amin'Adriamanitra ary isika mba iverenan'ny fandriam-pahalemana eto amin'ity Nosy malalantsika ity.

    Ry vahoaka malagasy amin'izao fifampiarabantsika tratry ny krisimasy izao tsy ny kristianina irery ihany fa isika manontolo mihitsy dia samy handray andraikitra ahatsiaro tena fa tsy maintsy miankina amintsika tsirairay avy aloha ny hisian'ny fifankatiavana sy ny fifamelana ary ny analavirantsika ny fankahalana. Nanolotra ny zanany lahitokana ho antsika Adriamanitra hapijoro sy haneho antsika ny lalana tokony hizorana ary fahafoizan-tenantsika ary indrindra ny ametrahantsika amin'ny toerana sahaza azy, izany hoe tombotsoam-pirenena izany, izany  hoe fitiavana ny taranaka izany. Miantso antsika Malagasy rehetra ary aho mba hiray feo sy hiombom-bavaka ka izao krisimasy izao no vanin'andro isian'ny fifankatiavana isian'ny fandriam-pahalemana,  miantso atsika rehetra ary aho amin'izao fifampiarabatsika ,  miantso atsika rehetra ary aho amin'ity krisimasy ity mba ho krisimasy sambatra tokoa anie, mba ho krisimasy feno fanantenana tokoa anie , ary mba ho krisimasy tena anjakana ato am-potsika izany fifankatiavana izany, hanampy antsika, homba atsika ary tsy hahafoy na hahasaraka atsika anie Andriamanitra amin'izany,  hijoroana ary ny fahatokisana azy izany koa dia mametraka ny fiainan'ny firenentsika sy ny fiainantsika tsirairay avy fa mahefa ny hery rehetra Izy ary mahavita ny zavatra mahagaga toy izao mitranga tamin'ny nahaterahan'ny Tompo izao.Homba antsika mandrakariva anie Andriamanitra ary isika rehetra dia ho samy tratry ny krisimasy mitsingeringerina indray hihaona soamantsara. Izany fiarahabana hataoko izany dia miantefa amintsika rehetra rehetra ami'izao fahasahiranana amin'izao tsy fisiana amin'izao fitomanina fangirifiriana mahazo ny an'ireo olona any amin'ny toeram-pitsaboana; mahazo  ireo malagasy any am-poja ary indrindra indrindra ny mahazo antsika rehetra amin'ny tebiteby isan'andro noho ny tsy fisian'ny fandriampahalemana.

    Mahatokia ahy minoa ahy, ary ho tafaverina soa amantsara eto amin'ity firenentsika ity ny fandriam-pahalemana ny fifankatiavana ary indrindra indrina ny famerenana indray amin'ny laoniny ny fiainan'ny vahoaka Malagasy ary indrindra indrindra ny famerenana idray ny fiainan'ny firenentsika mba hanjakan'ny filaminanana sy ny fandriampahalemana.

    Homba antsika mandrakariva anie Andriamanitra ho amin'izao fiarahabana tratry ny krisimasy izany.


    Samy ho tahin'Andriamanitra.

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire