RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Affichage des articles dont le libellé est Marc Ravalomanana. Afficher tous les articles
    Affichage des articles dont le libellé est Marc Ravalomanana. Afficher tous les articles

    Filoha Marc Ravalomanana : Miady amin’ny olona hitondra fandrosoana ny fitondrana


    Niditra tao amin’ny Magro Ankorondrano ny filoha mpanorina ny orinasa TIKO Marc Ravalomanana nijery ny zava-misy tao an-toerana rehefa nisy ny fanidiana tsy ara-dalàna nataon’ny vaditany niaraka tamin’ny miaramila mirongo fiadiana. Nisy ny fanomezam-baovao tsara ho fantatry ny rehetra nambarany tamin’ny mpanao gazety sy ireo tanora nirodorodo nanatitra CV tamin’izany .

    ravalomanana_magro1

    Kabarin’ny Filoha Marc Ravalomanana Tanjombato 26 janoary 2016 : "Hijoro aho, velomy ao anatinareo ny fanantenana (...)"


    kabary_ravalomanana_tanjombato_26_01_2016.jpg

    Fito taona lasa izay, toa kivy sy niraviravy tanana isika. Ankehitriny 26 janoary 2016, sahy miteny aho eto fa hijoro isika amin’ny finoana arahin’asa. Hijery ny ho avy sy ny ampitso isika ka hametraka fanantenana vaovao. Fotoana izao ahafahana miaraka hiombona sy miaraka hanarenana ny simba sy kila hotohoto ary indrindra ny hampan-dehanana izay efa maty. Hijoro aho, velomy ao anatinareo ny fanantenana. Tsy hanavahana firehana ny vavaka atao anio fa na ny nandoro, na ny voadoro dia asaina amin’zany avokoa satria Andriamanitra no mitsara fa tsy anjarantsika olombelona.

    26 janvier 2009 - 26 janvier 2016: Sept ans après, toujours rien !


    pillage_rnm_anosy_26_01_2009.JPG


    Madagascar a été le théâtre d’un événement sans précédent le 26 janvier 2009. Tous les bâtiments et autres biens du Président Marc Ravalomanana ont été pillés et brûlés à Antananarivo, la radio et la télévision nationale ont subi le même sort. Ailleurs dans la capitale, les pompiers ont découvert plusieurs corps calcinés dans un magasin pillé.

    Marc Ravalomanana: Mpitarika nampitraka an’i Madagasikara


    ravalomanana_madagasikara_03.jpg
    Fototra goavana iorenan'ny fampandrosoana ny fitsipi-pifehezana sy ny fanarahan-dalàna

    Nitranga ny fanakorontanana niafara tamin’ny fanonganam-panjakana niaraka tamin’ny fanevatevana ireo soatoavina tena Malagasy ny taona 2009. Tsy nionona fotsiny tamin’ny fanapotehana ny tontolo ara-toekarena sy ny lafiny ara-tsosialy ireo fahavalom-pirenena ho fiarovana ny tombontsoan’ny mpanjanaka fa nanimba tanteraka ny fihavanana izay mampiavaka ny Malagasy.

    Le TIM se réveille, le HVM perd son sang-froid


    tim_ravalomanana_elections.jpg

    Depuis la reprise en main par le président Ravalomanana du parti qu’il a créé, le Tim s’est remis en ordre de bataille pour affronter les prochaines échéances. Les démembrements du parti mis en veilleuse durant ces 5 dernières années se sont réveillés autour des congrès régionaux, mobilisant les militants et les adhérents sur des thèmes mettant en valeur le patriotisme, le courage et la fierté d’être malgache. La période de reconquête est en marche et ne laisse pas indifférents les autres partis.

    Kongresin'ny antoko Tiako I Madagasikara 2015


    kongresy-tim-2015.mm


    Andriamatoa Marc Ravalomanana sy ny mpiara-dia aminy dia hanatanteraka kongresin'ny antoko " TIAKO I MADAGASIKARA" 2015.

    MAGRO Tanjombato

    Zoma 22, sabotsy 23 mey 2015 manomboka amin'ny 09 ora maraina

    kongresy-tim2-2015.jpg

    TONGA MIARAKA NO FANOMBOHANA

    MIASA MIARAKA NO FAHOMBIAZANA

    Marc Ravalomanana: Vonona hampiasa ny traikefany hanatanterahana ny Fampihavanam-pirenena sy hampandrosoana ny Tanindrazana


    rajaonarimampianina-ravalomanana-ratsiraka.jpg

    Nanana ny anjara fitenenany ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana nandritra ny fihaonambe nasionaly ho amin'ny Fampihavanam-pirenena izay notarihan'ireo Ray aman-dReny am-panahy ao amin'ny FFKM tetsy amin'ny CCI Ivato androany sabotsy 2 may 2015.

    Nandritra izany anjara fitenenana izany no nanehoan'ny filoha Ravalomanana ho ren-tany sy ren-danitra ny fifonany sy fialan-tsininy manoloana izay mety hadisoana vitany teto amin'ny Firenena; fa nandritra izany fotoana izany koa no nanaporofoany ny fahavononany tanteraka hitondra ny anjara birikiny amin'ny fanavotana indray ny Firenena izay tena latsaka an-katerena tokoa ankehitriny. Vonona tanteraka ny filoha Marc Ravalomanana ny hizara ny traikefa sy fahaiza-manaony ho fanarenana indrindra indrindra ny toe-karem-pirenena.

    Raha fintinina tsotsotra dia mivaky toy izao manaraka izao izany anjara-fitenenan'ny filoha Marc Ravalomanana izany:

    Marc Ravalomanana: Mijoro aho handray andraikitra


    ravalomanana-fampihavanam-pirenena2.jpg
    Marc Ravalomanana: Vonona hanolo-tanana sy handray andraikitra

    Araka ny fandaharam-potoana dia mitohy sy manomboka androany indray ny Fampihavanam-pirenena tarihan'ireo Ray aman-dReny Filoham-piangonana FFKM. Manoloana izany indrindra dia nampiseho ny fahavononany tanteraka hiatrika sy handray anjara amin'izany ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Omaly maraina teny amin'ny trano fonenany teny Faravohitra dia niara-niombom-bavaka tamin'ireo mpitondra fivavahana maro ny tenany ho fitrotroana am-bavaka izao Fampihavanam-pirenena izao izay zava-dehibe loatra ho an'ny ho avin'ny fiainam-pirenena.

    Ny 25 Aprily teo, dia nandefa taratasy ho an'ireo Ray aman-dreny am-panahy mpitarika ny FFKM ny tenany. Nanambara tao anatin'izany taratasy izany izy fa mijoro handray andraikitra ho amin’ny soa iombonan’ny Vahoaka Malagasy tsy ankanavaka ka hitondra ny anjara birikiny sy handray hanjara feno amin’ny fampihavanam-pirenena. Notsindrian'ity Filohan’ny Repoblikan’ny Madagasikara teo aloha izay voafidim-bahoaka ara-pomba demokratika indroa nisesy teto amin'ny Firenena ity fa tsy ho izy velively sy ny mpiara-dia aminy no ho sakana amin’ny fandaminana sy ny ezaka hisian’ny fitoniana eto amin’ny fiainam-pirenena.

    Mivaky toy izao manaraka izao izany taratasy izany:

    Le Président Ravalomanana, l’espoir qu’on interdit aux malgaches !


    ravalomanana_gendarmes-bira.jpg

    La précipitation dans la conduite du projet de réforme du statut de la capitale traduit l’affolement des actuels dirigeants pour chercher à tout prix à réduire les prérogatives dévolues au magistrat de la capitale. L’incohérence de la réforme et les rejets de la Hcc ne les ont pas dissuadés à la représenter et même si au final, le texte voté ne ressemblait plus au projet initial.

    Pour ce pouvoir en mal de reconnaissance et de crédibilité, qui est conscient que la mairie d’Antananarivo peut servir de tremplin vers un destin national et craignant la transformation des prochaines municipales en un exutoire de la population pour exprimer leur défiance, à défaut de pouvoir le faire dans la rue, l’avènement d’un futur magistrat de la ville qui ne serait pas de son bord politique est un affront qu’il ne saurait cacher.

    MADAGASCAR - 17 mars 2009 - 17 mars 2015 : 6 ans après, le pays reste dans le chaos !



    17 mars 2009 : C’est un triste anniversaire pour le peuple Malagasy où Rajoelina et sa clique, soutenus activement par la France se sont emparés du pouvoir par la force, obligeant le Président Ravalomanana à transférer le plein pouvoir à un Directoire militaire qui, aussitôt après, l’avait donné à Rajoelina. On a volé au peuple malagasy sa victoire acquise deux ans auparavant. Pire, ce sont les assassins de la Démocratie d’hier qui sont au pouvoir actuellement par la magie des semblants d’élections imposées aux Malagasy.

    Qu’ont-ils apporté les voyous putschistes en 6 ans de règne sinon un chaos sans précédent dans lequel les Malagasy sont abandonnés à leur sort. Le pays est devenu parmi les pays les plus pauvres du monde où :

    Marc Ravalomanana: Namory ireo mpiara-miasa akaiky aminy sy ireo mpitarika TIM...The time is now!


    The time is now...

    Nampivondrona ireo solontenan’ny Antoko TIM sy ireo fikambananaa miara-dia aminy ny filoha Ravalomanana teny Faravohitra. Nahitana solontena 250 no nanatrika izany teny an-toerana ka niompana tamin’ny fanazavana ny momba ny fahaiza mitantana, ny fampihavanana, ny fampatsiahivana ny zava-nitanga tamin’ny taona 2009 ny fihaonana tamin’izany. Nambaran’ny filoha Ravalomanana tamin’izany fa tsy misy zavatra mandeha eto raha tsy mipetraka ny fifampitokisana. 

    Anisan’ny tetika ho entiko ny fametrahana ny fifampitokisana.Ilaina ny fifampitokisana satria efa rava izany na eo anivo’ny fianakaviana, na ny fiaraha-monina na ny any ivelany ka tsy maintsy apetraka, ny famerenanana ny fanohananana, ny fiaraha-miasa ary ny fisian’ny fitoniana na "stabilité" eto amin’ny firenena ary ny fanantenana ka ireo no fototra ahahafana hiara hiasa.

    Marc Ravalomanana: Ilain'i Madagasikara ny hakingany sy ny traikefany



    Niezaka nanapotika an’i Marc Ravalomanana tamin’ny fomba rehetra ny fitondrana tetezamita fa tsy nahavita. Maro ny tetika natao mba hankahalan’ny Malagasy azy fa tsy nandaitra. Noharatsiana manerana izao tontolo izao izy fa hoe mpamono olona saingy tsy nahomby. Voatazony ny teny nomeny ary dia tafaverina soa aman-tsara eto Madagasikara tao anatin’ny filaminana izy. Nampiseho ny fahavononany hiasa ho amin’ny fanavotana ny firenena izy ka ny fahantrana irery ihany no fahavalo.

    Marc Ravalomanana: De retour à Iavoloha après sept ans d’absence


    Il a quitté subrepticement le Palais d’Iavoloha après avoir l’occupé durant 7 ans pendant son règne. Marc Ravalomanana remettra de nouveau ses pieds, après 7 ans d’absence au pays, dans ce palais d’Etat. Vendredi prochain, l’ancien président sera présent à Iavoloha.

    Ses proches l’ont confirmé. Marc Ravalomanana sera à Iavoloha, vendredi prochain, pour assister à la cérémonie de présentation de vœux du président de la République, Hery Rajaonarimampianina, à l’occasion du nouvel an 2015. L’ancien président avait déjà reçu son invitation pour faire partie des invités de marques de l’actuel locataire d’Iavoloha et « a déjà donné sa parole de venir assister à cette fête », affirme ses proches.

    Profesora Raymond Ranjeva:"Ny fisamborana ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana dia nahatonga azy ho mythe politique"


    tatitra_ranjeva_raymond_paris.jpg
    Profesora Raymond Ranjeva (Sary:http://www.tim-madagascar.org/)
    Tatitry ny valan-dresaka niaraka tamin’i Profesora Raymond Ranjeva 07 desambra 2014 

    Nifamotoana tamin’ny Malagasy monina ao amin’ny faritry Parisy izay namaly antso ny profesora Ranjeva. Mazava ho azy fa ny raharaham-pirenena no nifantohan’ny resaka ary tamin’ny famelabelarana izay nataony talohan’ny fanontaniana avy amin’ireo nanatrika dia nanome ny fijeriny izy. 

    Hafatra sy vaovao avy amin'ny Filoha Marc Ravalomanana: "Minoa fotsiny ihany! Ny marina dia marina foana"



    Taorian'izay roa volana latsaka nanagadràna ny filoha Ravalomanana izay dia nahazo fahafahana hamangy sy hitsidika azy indray ny vady aman-janany. Nandritra izay fotoana lava izay dia maro ny vahoaka, indrindra ireo mpanohana an'i Dada no tsindrian-daona sy mangetaheta ny vaovao momba azy.

    Tamin'ny faran'ny herinandro teo ary dia nampita hafatra sy vaovao avy any amin'ny "amirauté" Antsiranana, izay toerana hitazomana an-keriny sy tsy an-drariny an'ity filoha teo aloha izay tena mbola mamim-bahoaka tokoa ity Ramatoa Lalao Ravalomanana.

    Mivaky toy izao manaraka izao izany vaovao sy hafatra izany:

    Fampihavanam-pirenen-dRajao: "Malok'ila"


    fampihavanam-pirenena-madagasikara.jpg

    Na nahay nihatsara vela-tsihy sy nampandry adrisa nandritra ny fotoana vitsy mba hampatoriana ny vahoaka aza ingahy Rajaonarimampianina dia nilatsaka tanteraka ny saro-tavany ankehitriny.Nanambara ity farany fa "Tsy maintsy miatrika fitsarana aloha i Ravalomanana".Mazava tanteraka ho an'ireo mora norebirebena sy nanaiky nofitahina hatrany amboalohany amin'izay angamba izao fa "Fangalana an-keriny" sy "Fanagadràna" ary "Fanaovana takalon'aina politika" no tena mahazo ny Filoha Marc Ravalomanana ankehitriny. Mazava tanteraka fa misy manao mpitari-bato vilam-bava ka tsy vonona mihitsy hiroso velively amin'izany "Fampihavanam-pirenena" izany eto.

    Marc Ravalomanana: Fototra goavana amin'ny "Fampihavanam-pirenena" sy ny "Fampandrosoana" an'i Madagasikara


    Ravalomanana_takalonaina_gadra.jpg
    Asa mafy, asa tsara niteraka vokatra
    Iray volana androany izay no nangalàna an-keriny sy nanagadràna ny Filoha Marc Ravalomanana any Antsiranana.Tany amboalohany dia nofetsena sy nofitahina ny vahoaka fa ho fiarovana ny ainy no nanaovan’ny fanjakàna an’izao fihetsika feno herisetra sy fanaovana tsinontsinona ny zo mahaolona izao.Rehefa nandeha anefa ny fotoana dia niova tsikelikely teny an-dalana izany fampandriana adrisa marivo tototra izany ka vetivety dia nahitàna antotan-taratasy hanenjehana azy eo anatrehan’ny lalàna tampoka ny fanjakàna, ary mandraka androany dia lasa takalon’aina politika ny Filoha Ravalomanana.

    Marc Ravalomanana: "Takalon'aina politika"



    Valo amby roapolo (28) andro androany no nangalàna an-keriny sy nanagadràna ny Filoha Marc Ravalomanana.Tany amboalohany dia nihezaka nitondra fanazavàna ny fitondràna tarihan'Ingahy Hery Rajaonarimampianina fa ho fiarovana ny ainy no nanaovana ireny fihetsika izay niarahan'ny rehetra nahita fa feno herisetra sy manosihosy tanteraka ny zon'olombelona ireny.Nanambara mihitsy aza ireo mpitondra tamin'izany tamin'ny alalan'Ingahy praiminisitra Kolo Roger fa "Napetraka amin'ny toerana sahaza azy amin'ny maha Filoham-pirenena teo aloha azy ny Filoha Ravalomanana". Fihetsika sy fanambaràna izay voamarina tanteraka ankehitriny fa fanesoana sy fandatsàna ary fanaovana tsinontsinona ity Filoha teo aloha izay voafidin'ny vahoaka Malagasy in-droa nisesy teto amin'ny Firenena ity satria raha ny zava-misy dia voageja anaty efi-trano kely tokana ny Filoha Ravalomanana; efi-trano izay sady hety no tsy misy fitaovana hainoamanjery (Radio sy fahitalavitra) ahafahan'ity farany manara-baovao sy ny zava-misy mitranga ivelan'ny toerana hitazomana azy.Tsy vitan'izany fa tsy manana zo hitazona finday ny Filoha Ravalomanana, ary na ny penina ahafahany manoratra aza dia voarara ihany koa.Raha atao mahitsy ny resaka dia ny zo fototra mahaolona mihitsy no hosihosena sy ataon'ny fitondràna Rajaonarimampianina tsinontsinona ankehitriny: Fanapotehana ara-tsaina sy ara-pahasalamana ny Filoha Ravalomanana no tena tanjon'ireo managadra sy manao takalon'aina politika azy ankehitriny.

    Rencontre Africaine pour la Défense des Droits de l’Homme: Appel pour la libération de l'ancien Président Marc Ravalomanana


    raddho-ravalomanana.jpg

    Organisation Non Gouvernementale ayant Statut 
    spécial à l’ECOSOC aux Nations Unies, membre 
    observateur à la Commission Africaine des Droits de 
    l’Homme et des Peuples (CADHP) de l’Union Africaine

    COMMUNIQUE DE PRESSE

    Appel pour la libération de l'ancien Président Marc Ravalomanana



    La Rencontre Africaine pour la Défense des Droits de l’Homme (RADDHO) a appris l’arrestation de l'ancien Président Marc Ravalomanana, qui est en « résidence surveillée » depuis son retour le 13 octobre 2014 à Madagascar.

    Exilé en Afrique du Sud depuis 5 ans et 7 mois, suite à un coup d’Etat perpétré par Andry Rajoelina, l'ancien Président Marc Ravalomanana avait pris la décision de regagner son pays dans la nuit du Dimanche 12 au Lundi 13 octobre 2014, conformément à l’article 20 de la Feuille de Route pour la Sortie de Crise.

    Le président Ravalomanana: un grand homme !


    ravalomanana_Ambanitsena.madagascar

    Le président Marc Ravalomanana réapparaît ce jour, sous bonne garde, aux funérailles de sa sœur Madame Rasoloarisolo Zanakolona. Visiblement tenaillé par la douleur de la perte d’un être cher. Mais surtout laminé par 13 jours d’incarcération injuste et arbitraire, toujours inexpliqués par le pouvoir central de Hery Rajaonarimampianina et de Kolo Roger. Son état physique trahit sous toutes les coutures les belles déclarations mensongères des tenants du régime sur le traitement digne réservé à un ancien chef d’Etat qu’ils prétendent apporter à son égard.