FEHIN'NY ZAVA-NITRANGA ANDROANY
Tamin’ny fidirany mivantana androany teny amin'ny kianjan'ny finoana dia nanambara ny Filoha Ravalomanana fa efa miomana fatratra ireo filohampirenena avy ao amin'ny SADC amin'ny fivoriana mikasika an'i Madagasikara. Nilaza ireo filoha ireo fa tsy maintsy mifampiresaka isika samy malagasy, kanefa ny sasany vao hiresaka dia efa tora-kovitra. Tsy maintsy tanterahana ny fifidianana eken'ny rehetra ary malalaka. Ny fifidianana izay natao tamin'ny 17 Novambra dia tsy eken'izao tontolo izao. Hita mazava hoy izy ny tahotry ny sasany nefa mbola tsy manomboka akory ny fampielezan-kevitra.
Nanafatra ireo mpitarika ny Filoha Ravalomanana mba hijoro tsara fa tsy hamitaka ny vahoaka amin'ny resaka hoe hiditra anaty “système” izay mitondra ny vahoaka hivarina any an-kad. Nambaran'ny Filoha Ravalomanana fa tonga tany ivelany i Vakitampona dia nanontaniana hoe tànan-kavia sa havanan-dRavalomanana ianao ary tsy nanan-kavaly moa ny lehilahy tamin’izany, ka tsy tokony hanao toy izany ianareo mpitarika fa hijoro hatrany hoy izy.
Androany dia naneho ny heriny ny antoko TIM tamin’ny filaharambe mialoha ny fahatongavana teny amin'ny kianjan'i Magro.
Nandray fitenenana ny Senatera Robert, nontronin'ireo Parlemantera TIM maro. Nanambara ny senatera fa mijoro ny TIM ary vonona hijoro amin'ny famerenana ny ara-dalàna sy vonona amin'ny fampandaniana indray ny Filoha Ravalomanana amin'ny fifidianana. Manamafy koa ny TIM fa tsy misaraka amin'ny UDEMPRO sy ny ANKOLAFY TELO
Ny pasitera Edouard dia nanambara fa efa nialana nenina Rajoelina tamin'ny resaka rehetra saingy tsy laitra ahisoka. Ny mety aminy dia ny miala ihany. Miantso ireo mpitandro filaminana handray andraikitra fa tsy an-dRajoelina irery i Madagasikara hoy izy. Zava-doza ho an'ny firenentsika raha ny vahoaka no tsy mahatoky anareo foloalindahy intsony hoy izy, koa tongava miaraka amin'ny vahoaka
Andriamatoa Rakotovazaha Olivier dia miarahaba ny TIM tamin'ny hetsika lehibe nataon'izy ireo androany. Izahay ao amin'ny UDEMPRO dia miaraka aminareo TIM hoy izy, toa izany koa ny ankolafy telon'ny UDEMPRO ary koa ny ankolafy telo.

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire