RADIO LONGO MADAGASIKARA
Affichage des articles dont le libellé est Antson'ny Filoha Marc RAVALOMANANA. Afficher tous les articles
Affichage des articles dont le libellé est Antson'ny Filoha Marc RAVALOMANANA. Afficher tous les articles
Antson'ny Filoha Ravalomanana, 20 septambra 2013 :" Hamerina an’i Madagasikara ho firenena vanona sy manana ny maha izy azy eo amin’izao tontolo izao isika"
Marc Ravalomanana:"Tsy hihemotra ny movansa Ravalomanana, hajao ny safidin'ny vahoaka Malagasy." (+ VIDEO)
Hentitra dia hentitra ny Filoha Marc Ravalomanana raha nitondra fanazavàna mikasika ny fivoaran'ny toe-draharaham-pirenena androany.Raha fintinina ny voalazany dia tsy hihemotra ny movansa Ravalomanana manoloana ny fanambaràna farany izay navoakan'ny vondrona SADC.
"Tsy hisy fanapahan-kevitra raisina raha tsy tafaverina i dada !"
“Tsy hisy fanapahan-kevitra raisina raha tsy tafaverina i dada !”.
Izany no anisan’ny hafatra lehibe nentin’ ny Filoha Marc Ravalomanana
raha niditra mivantana teny Amboanjobe izy anio, niarahaba tratry ny
taona ary nampahery ny mpandala ny ara-dalàna. Nampatsiahy izy
tamin’izany fa Andriamanitra no tompon’ny fahefana ka tokony hatoky Azy
ny vahoaka malagasy.
Filoha Marc Ravalomanana : "Tolona ho an'ny taranaka no atao !"
Nanambara
tamin’ny fomba ofisialy aho hoy izy fa hirotsaka ho fidiana
filohampirenena hoy ny Filoha.
Atao daholo izao lainga izao hoy izy
hanoherana izany, lazaina fa misy didim-pitsarana manakana izany.
Tsy
marina izany hoy izy fa izay milaza izany dia asaivo manome ny porofo :
Oviana ny didy no nivoaka ?
Manaraka
izany dia naneho ny alahelony amin’ireo mpiray tandindrazana maty toa
vono moka any atsimo ny Filoha. Tsy misy hoy izy fampiharana ny lalàna
fa tonga dia maty ny olona. Tsy azo lazaina intsony hoe “accident” hoy
izy satria tsy iray na roa satria toa olona milahatra mihitsy no
fahitana ireo maty.
Filoha Marc Ravalomanana:"Manambàra amin'ny fomba ofisialy aho fa hirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena ary tsy hihemotra amin'izany!"
...Manambàra amin'ny fomba ofisialy aho fa hirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena ary tsy hihemotra amin'izany!
Nanombohany ny kabary androany dia ny fitondràna fampiononana hoan'ny fianakavian'izay mana-manjo, izay no maha-malagasy, koa mamangy ny fahoriana hoan'i Rajoelina sy ny fianakaviany aho hoy izy.
Nanazava ny fahitàny ny zava-misy eto Madagasikara izy ary malahelo noho izao zava-mitranga izao satria tena latsaka ankaterena tokoa ny malagasy. Manana zina ny olombelona hoy izy ihany, ka tokony jerena ireo olona izay ao anaty fahantràna tanteraka ka lasa mifandripaka ny samy malagasy ka na ireo niara-dia teo aloha aza dia efa tsy mifampatoky intsony. Misaraka izy ireo ankehitriny ka raha tsy tonga ny fampihavanana dia hifamono eto ny samy malagasy ka diso tanteraka izany satria isika samy isika no hifandripaka eto. Tokony handini-tena ny tsirairay fa tsy afaka ny samy hiteny fa manana ny rariny daholo.
Antson'ny Filoha Marc Ravalomanana, 30 aprily 2012
Manoloana ny zava-misy dia niantso tao amin'ny kianjan'ny Magro ny filoha Marc Ravalomanana ary nanome baiko ireo tompon'andraikitry ny Ankolafy Ravalomanana : Miala ny rafitra ankehitriny, izay tsy manaja intsony ny tondrozotra ary tsy manaja koa ny zon'olombelona!
HENOY ETO
http://www.tim-madagascar.org/
Antso sy hafatra avy amin'ny Fioha Marc Ravalomanana anio 12 Jona 2011
Tsy maintsy mody tsy misy fepetra ny sesi-tany politika hoy ny Filoha Marc Ravalomanana.HENOY ETO NY ANTSO
Tomefy olona ny Kianjan'ny Finoana Magro Behoririka na dia Alahady ankalazana ny nilatsahan'ny Fanahy Masina aza androany. Araka ny tapaka omaly tokoa mantsy dia eo amin'io Kianja io ny vahoaka malagasy no hiandry sy hihaino ny vaovao avy any Sandton.
Niditra mivantana avy any Afrika Atsimo ary ny Filoha Marc Ravalomanana ka rehefa avy niarahaba ny vahoaka sy ny kristiana eran-tany noho izao Pentekosta izao sy nisaotra an'Andriamanitra dia nilaza ny vaovao mba tsy ho tompon-trano mihono ny vahoaka malagasy.
Sahirana ny vahoaka, ao ny very asa, tsy mandeha mianatra, ao ny mahantra fadiranovana hoy ny Filoha, tsy misy ny demokrasia, ao ny fampitahorana ka niezaka ny rehetra hikaroka vaha olana ary anisan'izany ny Sadc sy ny Communauté Internationale. Nivory àry ny Sadc hoy ny Filoha Ravalomanana ka nanapaka fa tsy maintsy mody daholo ny "exilés politiques" ary tsy misy fepetra izany.
Afaka manao politika ireo avy sesitany ka afaka milatsaka ho fidiana. Ny gadra politika rehetra koa dia tsy maintsy avoaka daholo. Nambarany ihany koa ny tsy maintsy hisian'ny fanamboarana ny feuille de route. Farany dia tsy maintsy miresaka ny malagasy samy malagasy handaminana ny rehetra. Nisaotra manokana ny "Parlement européen" ihany koa ny Filoha Ravalomanana tamin'ny fanamelohana io fitondrana mpanongam-panjakana io ary indrindra ny filazan-dry zareo hoe tsy misy an'izany tsy mahazo milatsaka ho fidiana izany raha te hampanjaka ny demokrasia. Nisaotra ny vahoaka malagasy ihany koa moa ny Filoha Ravalomanana teo ampamaranana ny teniny. Rahampitso moa dia mbola eo amin'ny Kianjan'ny Finoana ihany no hifamotoana ny rehetra.
http://www.tim-madagascar.org/
Antso sy vaovao avy amin'ny Filoha Marc Ravalomanana anio 30 aprily 2011
FEHIN'NY ZAVA-NITRANGA ANDROANY
Tamin’ny fidirany mivantana androany teny amin'ny kianjan'ny finoana dia nanambara ny Filoha Ravalomanana fa efa miomana fatratra ireo filohampirenena avy ao amin'ny SADC amin'ny fivoriana mikasika an'i Madagasikara. Nilaza ireo filoha ireo fa tsy maintsy mifampiresaka isika samy malagasy, kanefa ny sasany vao hiresaka dia efa tora-kovitra. Tsy maintsy tanterahana ny fifidianana eken'ny rehetra ary malalaka. Ny fifidianana izay natao tamin'ny 17 Novambra dia tsy eken'izao tontolo izao. Hita mazava hoy izy ny tahotry ny sasany nefa mbola tsy manomboka akory ny fampielezan-kevitra.
Antso sy hafatra avy amin'ny Filoha Marc Ravalomanana anio 22 Aprily 2011
![]() |
| Ny Filoha Marc Ravalomanana |
Manoloana ny fafy lainga sy famitaham-bahoaka ataon'ny fitondrana FAT,ary indrindra manoloana ny fahoriana sy fahantrana lalina izay mianjady amin'ny vahoaka ankehitriny dia nitondra vaovao momba ny toe-draharaha-pirenena ankehitriny ny Filoha Marc Ravalomanana.Tsy adinony tamin'izany koa ny nitondra fampaherezana ny vahoaka Malagasy.
HENOY ETO
http://www.tim-madagascar.org/
Antson'ny Filoha Marc Ravalomanana tao amin'ny Matv ny 26 Mars 2011
Nanao antso mivantana tamin'ny vahoaka Malagasy tao amin'ny hainoamanjery Matv ny Filoha Marc Ravalomanana. Notsindriany mafy tamin'izany ny maha tsy ara-dalàna ny governemanta vaovaon'ny fitondrana FAT ankehitriny.Tsy adinony koa ny nampahery hatrany ny vahoaka Malagasy manoloana ny fahantrana sy hirifiry ary fahoriana lalina izay iainan'izy ireo ankehitriny vokatry ny fihoaram-pefy goavana sy tsy fanarahan-dalàna ataon'ny fitondràna FAT.
HENOY ETO
http://www.tim-madagascar.org/
Marc Ravalomanana: "Tsy misy fepetra intsony ny fahafahako mody."
Antson'ny Filoha Marc Ravalomanana teny Imerinkasinina, Ambohimalaza, Ambohiboahangy
SARY:MyDago.com
Vaovao bebe kokoa sy loharanom-baovao:http://mydago.com/2011/02/videos-photos-teny-imerinkasina/
Inscription à :
Articles (Atom)













.jpg)