Miarahaba antsika rehetra. Nivoaka alina ary efa hitantsika etsy ambany fa nazava sy hentitra ny fanapahan-kevitr'ireo Filohampirenena Mpikambana ao @ SADC: "13.Summit reiterated the need for an all-inclusive process towards finding a lasting solution of the challenges facing the country." Izany hoe tsy ekena ilay sori-dalana natao rango-pohy tamin'ny 09-03-2011 satria mandeha ila fa indrindra koa tsy hiraisan'ny Malagasy iray manontolo.
Niova koa ny mpanelanelana satria dia ny filoha zambianina Rupiah Banda sy afrikanina tatsimo Jacob Zuma ampian'ny mpanelanelana teo aloha filoha Joachim Chissano no tsy maintsy mandray izany andraikitra izany ary hampivory ny Malagasy rehetra any Gaborone.
Azo lazaina fa tsy nahomby izany ny fomba nitondran'i DR Simao ny fanelanelanana ka hapetraka amin'ny olona mitondra firenena voafidim-bahoaka ny teny farany hamahana ny krizy eto Madagasikara.
Tsy misy mpandresy, tsy misy resy fa Madagasikara no jerena ary ny fiarahana midinika sy ny fanatanterahana izay nosoniavina ihany no vahaolana maharitra hialantsika Malagasy amin'izao krizy izao.
----------------------------------------------------------------------------------------
Extract from the SADC Communique that refers to Madagascar
11. Summit considered the report of the SADC mediator on Madagascar, HE Chissano….noting the development of the roadmap for returning that country to constitutional normalcy.
12. The Summit commended HE Chissano for his efforts in bring together the stakeholders in the process of reconciliation and finding a lasting solution for that country.
13. Summit reiterated the need for an all-inclusive process towards finding a lasting solution of the challenges facing the country. In this regard, Summit mandated the SADC chairperson, chairperson of the SADC organ on Politics Defence and Security Cooperation and SADC mediator on Madagascar to, as soon as possible, convene a meeting with all Malagasy stakeholders to be held at SADC headquarters in Gabarone, Botswana.
Communiqué Final de la Sadc
Communiqué final à l'issue de la réunion extraordinaire des Chefs d'etat et de gouvernement de la Sadc qui s'est tenue à Windhoek ce 20 Mai 2011. LIRE ICI
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire