Noheverina fa antoko anisan’ny nanana ny tanjaka sy ny
heriny ny antoko Tiako i Madagasikara izay niainga tamin’ny Tiako
Iarivo, folo taona lasa mahery kely izay.Ny zavatra hita anefa dia tsy nahavita niaro ny fitondrana azony na dia betsaka sy azo notsapain-tanana aza ny zava-bitany. Nanana ny maro an’isa izany antokon’i Marc Ravalomanana izany tamin’ny androny teo anivon’ireo Parlemanta sy ny fahefana mpanatanteraka.
Noho ny zava-nisy tamin’ny 2009 anefa dia anisan’ireo antoko voalohany nipatitaka ny Tiako i Madagasikara ary dia azo heverina fa ireo mpikambana sasany tao, ireo lohandohan’ny mpisorona tao no nanisy hoditr’akondro ny filoha mpanorina ka dia izao no niafarany.




