RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Antso sy hafatra avy amin'ny Fioha Marc Ravalomanana anio 12 Jona 2011


    Tsy maintsy mody tsy misy fepetra ny sesi-tany politika hoy ny Filoha Marc Ravalomanana.HENOY ETO NY ANTSO

    Tomefy olona ny Kianjan'ny Finoana Magro Behoririka na dia Alahady ankalazana ny nilatsahan'ny Fanahy Masina aza androany. Araka ny tapaka omaly tokoa mantsy dia eo amin'io Kianja io ny vahoaka malagasy no hiandry sy hihaino ny vaovao avy any Sandton.

    Niditra mivantana avy any Afrika Atsimo ary ny Filoha Marc Ravalomanana ka rehefa avy niarahaba ny vahoaka sy ny kristiana eran-tany noho izao Pentekosta izao sy nisaotra an'Andriamanitra dia nilaza ny vaovao mba tsy ho tompon-trano mihono ny vahoaka malagasy.

    Sahirana ny vahoaka, ao ny very asa, tsy mandeha mianatra, ao ny mahantra fadiranovana hoy ny Filoha, tsy misy ny demokrasia, ao ny fampitahorana ka niezaka ny rehetra hikaroka vaha olana ary anisan'izany ny Sadc sy ny Communauté Internationale. Nivory àry ny Sadc hoy ny Filoha Ravalomanana ka nanapaka fa tsy maintsy mody daholo ny "exilés politiques" ary tsy misy fepetra izany.

    Afaka manao politika ireo avy sesitany ka afaka milatsaka ho fidiana. Ny gadra politika rehetra koa dia tsy maintsy avoaka daholo. Nambarany ihany koa ny tsy maintsy hisian'ny fanamboarana ny feuille de route. Farany dia tsy maintsy miresaka ny malagasy samy malagasy handaminana ny rehetra. Nisaotra manokana ny "Parlement européen" ihany koa ny Filoha Ravalomanana tamin'ny fanamelohana io fitondrana mpanongam-panjakana io ary indrindra ny filazan-dry zareo hoe tsy misy an'izany tsy mahazo milatsaka ho fidiana izany raha te hampanjaka ny demokrasia. Nisaotra ny vahoaka malagasy ihany koa moa ny Filoha Ravalomanana teo ampamaranana ny teniny. Rahampitso moa dia mbola eo amin'ny Kianjan'ny Finoana ihany no hifamotoana ny rehetra.


    http://www.tim-madagascar.org/

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire