Vory maro ny vahoakan’Ambatomanohana, distrikan’ Anjozorobe ny Alarobia lasa teo, nandritra ny fihaonan’ireo TIM Analamanga sy ny vahoaka tany an-toerana. Araka ny nambaran’ny solontenan’ny COM/TIM Ambatomanohana, dia vonona ny hitsena sy hametraka ny Filoha Ravalomanana eo amin’ny fitantanana ny firenena izy ireo. Mandalo fotoan-tsarotra ny vahoaka any amin’iny faritra iny, noho ny tsy fandriampahalemana ary eo ihany koa ny fihenan’ny tahan’ny fidiran’ny ankizy an-tsekoly.
Raha ho an’ny mpitarika ny Tanora TIM Analamanga, Ramatoa Fanja, dia nanentana ireo tanora ho tonga marobe amin’ny fandrindràna ny TIM ny tenany, ka hametraka ny rafitra manerana ireo fokontany sy kaominina. Ramatoa Zo, nisolontena ireo vehivavy TIM kosa, dia nanambara fa fitaratra ny andriambavilanitra amin’ny maha-reny azy ireo, ka ho eo anilan’I “Dada” mandrakariva, hanome tanana, ka ho lohany eo amin’ny tolona indrindra eo amin’ny fitsenana azy eto an-tanindrazana.
Raha nandray fitenenana kosa ny depiote RAVELONANOSY Mamitiana, mpitarika ny TIM eto amin’ny faritra Antananarivo sy ny manodidina, dia namafisiny fa miharitra ny fahoriana ny mponina ambanivohitra, indrindra hatramin’izao fitondran’ny FAT izao. Manjaka ny tsy fandriampahalemana, hoy ihany izy, mahazo vahana ny halatr’omby, sns… ary nampahantraina tanteraka ny vahoaka. Namafisin’ny Depiote Mamitiana koa fa tsy maintsy miverina ny Filoha Ravalomanana, ary hatsangana noho izany ireo mpandrindra miisa dimy isaky ny fokontany, sy dimy isaky ny kaominina. Torak’izany koa ny sampana Tanora sy ny sampana Vehivavy TIM isam-pokontany, sy kaominina ihany koa.
Ho an’ny depioten’Avaradrano RAKOTOARISOA Etienne, dia voalazany fa betsaka sy tsy tambo isaina ireo zava-bitan’ny Filoha Ravalomanana, ka anisan’izany ireo lalana manerana ny nosy. Ekena hoy izy, fa misy ny fanovàna, saingy fanovàna nampiditra vola am-paosin’ny mpitondra ankehitriny. Tafiditra amin’izany ny momba ireo raharaha bois de rose, vatosoa, sy ireo harena ankibon’ny tany hafa…Nohamafisin’ny Depiote Leriva Manahirana avy ao Brickaville kosa fa misongadina mandritra izao fitondrana izao ny Andramena, ny hopitaly, ny fankahalàna, izay samy manara-penitra avokoa.
Tsy mahalàla sy tsy mandre afa-tsy ny vaovaon’ny TVM sy RNM ny vahoakan’Ambatomanohana, ka noho izay antony izay no nahatongavan’ireo delegasiona mafonja tany an-toerana, mba hanazava ny sain’ny vahoaka, sy hanambara ny tena zava-misy marina misy eto amin’ny firenena. Izay no voalazan’ny Depiote Zafilahy Stanislas. Tokony hanana finoana feno isika hoy izy, fa tsy maintsy tanteraka ny tolona nimatimatesantsika.

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire