
Tonga soa omaly folakandro teto antanindrazana i Tojo Ravalomanana,zanaka lahin’ny Filoha Ravalomanana sy Atoa Guy Rivo Randrianarisoa,mpitondra-tenin’ny movansa Ravalomanana.Na dia somary tampoka aza ny fahatongavan’izy ireo dia tsy nahasakana ny olona tsy ho tonga maro izany nitsena teny Ivato .Tamin-kafaliana lehibe sy fanantenana goavana tokoa no nandraisan’ireo vahoaka azy mianaka,indrindra ho an’ireo vahoaka tsy nitsaha-nitolona nandritra izay telo taona izay.Hita avy hatrany fa hery sy fanantenana lehibe ho an’ireo zanak’i DADA izao fahatongavan’i Tojo Ravalomanana sy Guy Rivo Randrianarisoa izao.Ny azo hamintinana azy dia tsinjo fa efa tsindrian-daona ny rehetra ny hahita ny Filoha Ravalomanana migadona antanindrazana tsy ho ela intsony .
Sary:Mydago.com
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire