
Amin’ny alahelo lehibe no hilazana amitsika Malagasy mbola saro-piaro amin’ny fitiavan-tanindrazana sy mahatsiaro tena ho tompon’andraikitra eto amin’ny Tany sy ny Firenena fa voatso-dranon’ny reny malalany tamin’ny fomba ofisialy omaly tany Parisy ny governora mpanongam-panjakàna frantsay vaovao eto Madagasikara Andry tgv. Telo taona aty aorian’ny fiaraha-miasa matotry ny roa tonta tamin’ny fanonganana ny Filoham-pirenena Malagasy voafidim-bahoaka farany teto Madagasikara dia izao noraisin’ingahy Sarkozy filoham-pirenena frantsay amin’ny fomba manetriketrika izao ingahy Andry tgv rehefa avy nahatanteraka ny anjara andraikiny amin’ny maha mpanongam-panjakàna azy.
Tsy niandry ela fa dia nihazakazahana natao sonia io omaly io ihany koa ny fifanarahana ara-barotra teo amin’ny Firenena roa tonta toy ny mahazatra an’i lafrantsa amin’ireo Firenena eo ambany vahohony manerana an’i Afrika.
Ny lesona azo sintonina sy fampianarana avy amin’ny lafrantsa dia ilay teny malaza manao hoe : « Aza ny ataoko no atao fa izay lazaiko tanteraho. ». Izany hoe, ny Firenena frantsay sy ny vahoaka frantsay ihany no tokony hiaina ao anatin’izany fanajàna ny zon’olom-belona sy ny demokrasia izany fa ny Firenena eo ambany ziogany sy eo ambany fifehezan’ireo governorany,toy ny eto Madagasikara kosa dia azo ekena tsara na dia mifanohitra tanteraka amin’izany aza no zava-miseho.
Mody lazaina fa mpanongam-panjakàna sy tsy manaja ny zon’olom-belona ingahy Andry tgv sy ny forongony omaly, fa raisina amin’ny fomba ofisialy sy ampanajàna kosa androany miaraka amin’ilay diplaomasia feno fitaka sy fihatsaram-bela-tsihy mampalaza ny frantsay.
Ny azo antoka koa aloha dia samy voaray tamin’ny fomba manetriketrika toa an’i Andry tgv izao avokoa na i Kadhafi na i Ben Ali na i Gbagbo na i Moubarack sy ny sisa nefa niaraha-nahalala daholo ny niafaran’ireny rehetra ireny avy eo.
I Madagasikara no anisan’ireo Firenena vitsy eto ambonin’ny tany manana mpitondra tsy ara-dalàna sy mpanongam-panjakàna fa indrindra indrindra tsy voafidim-bahoaka nefa afaka mivarotra sy manao ampihi-mamba ny harem-pirena. Fahefàna avy aiza tokoa moa no hahafahan’i Andry tgv sy ny frantsay mpiahy sy mpanohana azy hanao fifanarahana ara-barotra amin’ny fananan’ny Malagasy ? Raha ny tokony ho izy mantsy dia Filoham-pirenena ara-dalàna voafidy sy nahazo tso-drano avy amin’ny vahoaka no manana fahefàna hanao izany.
Tsara ny manamarika fa ny firenena frantsay irery ihany no tsy nitsaha-nanohana sy nitady ny fomba rehetra (na ara-diplaomatika,na ara-bola,na ara-tafika…) hampahomby ny fanonganam-panjakàna nataon’i Andry tgv tao anatin’izay telo taona izay; ary na ankehitriny aza dia ny Firenena frantsay irery ihany koa no nihazakazaka voalohany nankasitraka ny fitondràn’ity olo-malazan’ny fanodinana kapila mangirana ity. Tsara koa mantsy ny mitondra fanazavàna fa ireo Firenen-dehibe hafa dia tsy mbola nanaiky, ary manara-maso akaiky ny fivoaran’ny fanatanterahana ny tondro-zotra sy ny fitondrana FAT araka ny fanambaràna nataon’ny Firenena Amerikana sy ny vondrona Eropena farany teo raha tsy hitanisa hafa tsy ireo isika.
Raha ny tsilian-tsofina sy ny vaovao mbola tsy voamarina na tsy ofisialy aza dia tsy mankasitraka velively izao fihetsiky ny frantsay manoloana ny mpanongam-panjakàna Andry Rajoelina izao ny Firenena Alemana. Hohitatsika miandalana eo ihany ny ho tohin’izao fisolokiana sy fisandohana goavana izao fa ny zavatra azo antoka kosa dia samy mbola tsy fantatra na ho lany filoham-pirenena na tsia avokoa na i Sarkozy na i Andry tgv amin’ny taona ho avy, ary ny tsy fatokisan’izy ireo izany mihitsy angamba no mampihazakazaka azy ireo hanao ny hadalàny sy ny habibiany toy izao.
Samy tsy misy tompon’ny ampitso isika, ary antenaina fa hampifoha indray ny tena fitiavan-tanindrazana izay mitady hatoritory any anatin’ny Malagasy tsirairay avy any izao fihetsika mamoha-fady ataon’ireo mpisoloky fahefàna sy ny reny malalany izao.
Atsipy ny tady antandroky ny omby,atsipy ny teny ampon’ny mahalala.
D.R
Resabe maneranan'ny europa dictature economika ataony nga SARKOZYMERKEL mandresy lahatra ireo firenena mivondrona ao europa,izay maro amin'ireo parlementera europeanina no tsy manaiky sy sorena amin'izao fifanarahana izao,mbola folo mahery ireo ho resena lahatra...,toy ny eto madagasikara, manao zay ho afany i Sarkozy sy ny mpitondra FAT,vita omaly izany ny fitsidihana ofisialy nataony nga Rajoelina tao paris,ny ahiahy tsy hiavanana,asa na fanampian'ny madagasikara an'i nga Sarkozy @ fifidianana ho filoha frantsay ho avy,na fivarotana mitsangana ny malgasy fa tsy mandohalika toy t@ lasa intsony,na fankatoavana ny fanonganam-panjakana teto madagasikara t@ taona 2009,eo anatrean'izany dia tsy mahafantatra ny malagasy fa toa tompon-trano mihono ihany... inona ny maha malagasy anao rehefe kila sy very ,miaina ao anaty ny haizina ary ho amidin'ny sasany mitsanga... TANDREMO MASINA I MADAGASIKARA
RépondreSupprimer