 |
| Pr Ranjeva Raymond |
Nisy ny resaka nifanaovana tamin’ny Pr
Ranjeva Raymond amin’izao ankatoky ny hanatanterahana ny fihaonan’Atoa isany
Marc Ravalomanana sy
Andry Rajoelina araka ny tapaky ny SADC nandritra ny fivoriana tsy ara-potoana nataony tany Luanda ny 31 mey sy 01 jona 2012. Nitondra ny heviny mikasika ny fitarazohan’ny krizy izy, ary nandroso vahaolana hivoahana amin’izany. Tafa sy dinika.
Tia Tanindrazana (T.T) : Telo taona izao no nilazana fa misy ny krizy ary antitranterina fa mihombo io krizy io. Nandramana daholo ny vahaolana rehetra hamahana azy. Fa krizy inona marina no miseho eto fa toa samy manana ny fandraisany azy ny Olom-pirenena ?
Pr Ranjeva Raymond (R.R) : Mizara roa ny fisehon’ny krizy, araka ny famakafakana azy. Eo aloha ny tsy fisian’ny filaminana eo amin’ny tontolon’ny asa, indrindra ny tsy fisian’ny asa, eo ny fahasahiranana amin’ny fahasalamana, ny fampianarana sy ny fanabeazana, satria potika ny fikarakarana azy ireo ary zara raha nisy ny fiahiana ara-tsosialin’ny mponina nandritra izay telo taona izay. Ireo fitakiana sendikaly samihafa miseho ankehitriny dia maneho izany tanteraka. Manaraka izany, ny tsy fisian’ny fandriampahalemana dia mampahatahotra sy mampiraviravy tanana ny mponina mpamokatra na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra. Tsy voafehy ny asan-dahalo izay miendrika fikomiana mihitsy ka mihanaka tsikelikely, ary mety handrava haingana ny firenena.
Ankoatra izay moa dia mampihombo ny krizy ny tsy fisian’ny vola ampiasain’ny olona te hiavo-tena, koa izany no mampijaly ny vahoaka tao anatin’izay telo taona izay ary mila fanafodiny maika.
Ny fanonganam-panjakana niseho teto Madagasikara no fototry ny krizy. Ary tsy misy tsy miaiky izany, afa-tsy izay te hikimpy maso. Izany no mahatonga ny olom-pirenena tsy hanaja ny mpitondra sy ny lalàna, izany no mahavaky ny fianakaviana sy mandrava ny fihavanana. Tapaka ny famatsiam-bola avy any ivelany nefa tsy manana handoavana hetra na ny olom-pirenena na ny orinasa eto an-toerana. Fandaniam-poana tsy misy fehiny no hita. Ny vola ampidirin’ny fitondrana eto tsy ampy. Potika tanteraka ny fiarahamonina. Very ny hasina sy ny soatoavina ara-moraly sy ara-pinoana, ka ny fifampiahiahiana sy ny fifankahalana no manjaka.