RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Movansa Ravalomanana: Ny hanongotsongona ny maty,tahotry ny handevim-belona


    Mitodika tanteraka any amin'ireo Minisitra avy amin'ny movansa Ravalomanana ao anaty governemanta FAT ny mason'ny rehetra manoloana ny toe-javatra mampalahelo mahazo ny Orinasa TIKO ankehitriny.

    Tsara ny mampatsiahy fa manana minisitra eo amin'ny sehatry ny varotra sy indostria ary ekonomia ny movansa Ravalomanana izay mahasahana mivantana avokoa ny raharaha Tiko.

    Raha atao fijery mahitsy,ho an'ny vahoaka ny Orinasa Tiko dia tsy afaka misaraka @ anaran'ny Filoha Ravalomanana ka miandry izay fihetsika sy fanampahan-kevitra avy @'ireo minisitra sy parlemantera(movansa Ravalomanana) ny vahoaka.


    Hatreto aloha dia mbola tsy misy azo tsapain-tànana ny vokatra nidirana tao amin'ny fitondràna FAT:

    -Tsy mbola tafody hatramin'izao ny Filoha Ravalomanana,

    -Mbola tsy misokatra fa vao maika aza iharan'ny tsy rariny hatrany ireo haino aman-jery nakaton'ny FAT(MBS,Fahazavàna,Radio Madà,...),

    -Mbola any amponja ireo gadra politika maro sivily sy miaramila,

    -Ary izao indray dia iharan'ny tery vay manta sy tsindrio fa lavo tsotra izao ny Orinasa Tiko izay tapa-porohana sisa tsy may taorian'ny fanonganam-panjakàna 2009.

    Raha fehezina hatreto dia lasa tohatra fiakarana sy fitaovana ampiasain'ny fitondràna FAT fotsiny aloha ny movansa Ravalomanana niditra ao amin'io fitondràna FAT io(Hatramin'ny nidiran'ny movansa Ravalomanana tao dia manomboka misokatra tsikelikely ho an'ny FAT ny fankasitrahana iraisam-pirenena ary miala tsikelikely aminy ny sazy maro azony taorian'ny fanonganam-panjakàna vitany tamin'ny taona 2009).

    Etsy andanin'izay dia tena maizina tanteraka ny ho avy ara-politikan'ny Filoha Ravalomanana sy ny fodiany an-Tanindrazana.Aoka tsy hadino fa tamin-kery no nanonganana ny Filoha Ravalomanana teo amin'ny fitondràna;fifidianana indroa nisesy(fihodinana voalohany hatrany dia vita) anefa no nametrahan'ny vahoaka azy teo.

    Ny tiana hahatongavana dia tsotra.Hitady vokatra sy hiasa ho an'ny movansa Ravalomanana sy ny vahoaka mpomba azy no nidiran'ireo Minisitra sy CT ary CST tao amin'ny fitondrana FAT fa tsy sanatria ho fitaovana sy tohatra fiakaran'ny fitondràna tetezamita izay mbola tsy ara-dalàna akory.

    Rehefa hita re tompoko fa pataloha tery,rehefa hita fa mahakizo fara,rehefa hita fa tsy hisy vokatra ny fidirana ao @ fitondràna FAT dia aleo miala tao araka ny toro-marika avy @ Filoha Ravalomanana sao mantsy hitady tombony ka hatombony,mandona tapany dia handoa erany.Mba tsy ho tsarain'ny tantara sy tsy ho tsarain'ny vahoaka izay fatra-panantena ho mpamadika tolona sy mpiray tsikombakomba amin'ny  tetezamita tsy ara-dalàna tarihan-dRajoelina ankehitriny.

    Mila fihetsika sy fanampahan-kevitra mahery vaika sy matotra avy amin'ireo mpitari-tolona sy movansa ny vahoaka izay efa trotraky ny fahantràna sy ny tsy rariny sao mantsy varimbarian'ny lavitra ireo heverina ho mpitarika ka tsy hahita ny loza efa mihantra eo ambany maso...

    Atsipy ny teny any am-pon'ny mahalala rehetra!

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire