RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Dahalo sa FATn-dahalo?


    rajoelina-dahalo-capsat.jpg
    Dahalo sa FATn-dahalo...???

    Vono afo, sarimihetsika!!!Samia mailo ry Malagasy!!!Dizina sy fanin'ny fahantràna tanteraka Ramalagasy ankehitriny ka tsy mahita izay lala-kombàna sy vaovao marina tokony hinoana intsony. Etsy andaniny ny fitondràna TETEZAMIHISATRA mahay manararaotra tsara izany fahaleman-dRamalagasy izany ka mihezaka amin'ny fomba rehetra mamono ny afo izay manomboka mahazo rehitra mandoro ilay fitondràna tsy mari-pototra (mba tsy hilazàna hoe sandoka sy tsy ara-dalàna).Vao niandoha ny fanonganam-panjakàna dia herisetra, fafy lainga, fanaratsiana (diabolisation), basy,miaramila, vono olona sy rà latsaka no nanombohan-dRajoelina sy ny forongony azy.


    Telo taona aty aoriana,mitohy ny tetezamihisatra; ary araka ny fomban'ny mpanongam-panjakàna izay tsy hitany izay maharatsy azy dia mitohy koa ny fampiasàna herisetra, fampihorohoroana, fanariana dia ny saim-bahoaka mba tsy hahitàny ny tena zava-misy.

    Ankoatra ny hery famoretana hanoheran'ny FATn-dRajoelina ny fihetsiketseham-bahoaka sy ny herisetra mifanaraka amin'izany mantsy dia asa na fifanandrifian-javatra na ahoana fa amin'izao ankatoky ny fetim-pirenena sy fotoana maha may volo-tratra ny FAT izao (Fitakiana sendikaly maro, fihaonana Ravalomanana-Rajoelina) no mipoitra sy mibahana ny haino aman-jery rehetra ny resaka fikambanana satanika sy ny asan-dahalo mahery vaika. Mahagaga fa tsy dia henoheno loatra amin'ny haino aman-jery ny vaovao mikasika ny fanagiazan'ny fitondràna FAT ny fitaovana sy kojakojan'ny orinasa Tiko sy ny heri-pon'ireo tantsaha sy mpiasan'ny Tiko manohitra sy miady fo aman'aina mba hanakanana izany. Mahagaga fa tsy mahazo laza amin'ny Radio sy fahitalavitra toy ny resaka dahalo sy club satanika ny fihaonan'ny Filoha Ravalomanana sy Rajoelina. Misy zavatra afenina sa misy zavatra atahorana ho fantatry ny Malagasy?

    Fanontaniana mipetraka:

    -Andian'olona an-jatony maro mitana fitaovam-piadiana mahery vaika sy raitra. Dahalo sa milisy sa andian-tafika no filaza izany?

    -Iza no mpamatsy fitaovana ary avy aiza?

    -Androany dia fantatra fa lasa nidina any an-toerana (Bekolita) ny PM Beriziky, ny MIN (IN)Justice Christine, MIN DEF André Lucien Rakotoarimasy, sy lohandohan'ny mpisorona maromaron'ny FAT. Sahy nidina any an-toerana tokoa ve ireto andiana FAT ireto raha tena marina sy mitombona avokoa ireo vaovao ankalazaina sy makotrokotroka amin'ny vaovao sy haino aman-jery ireny? Sao lahy mba tsy tena dahalo sy jiolahy no any fa FATn-dahalo sy FATn-jiolahy mpanao sarimihetsika toy ny mahazatra?

    -Ora na andro no nisaina dia tratran'ireo manam-pahaizana ara-pitsikilovana Emmoreg ireo mpisikidy roa lahy nolazaina fa saika hamono an'i andry TGV tamin'ny alalan'ny ody gasy (araka ny filazan'ny mpitandron'ny filaminana manam-pahaizana ihany).Volana maro kosa izao no lasa fa mbola mitohy sy manjaka ary mampihorohoro sy mampitondra faisana ny Malagasy izany "club satanika" izany.Tsy mety tratra fa vao maika atao mibahana sy mahazo laka amin'ny haino aman-jery ny fisiany.Tadiavo ny DISO!

    -Nolazaina fa tsy nanana vola handefasana ny lalao baolina kitra rehetra (EURO 2012) ny fanjakàna ary dia diso fanantenana sy tezitra avokoa ny mpitia baolina kitra rehetra.Tampoka teo tonga ny vaovao fa i Rajoelina mivantana no hanefa ny vola rehetra hividianana ny lalao rehetra (24). Fehiny: Rehefa misy ny VOLA (Boadérôzy,...) dia mivaha ny olana rehetra na ara-miaramila (CAPSAT,sns...),na ara-polifika na ara-baolina kitra.

    Dia hoy ilay ranamana mpanao gazety izay hoe DE GAG'ELA. Ho an'izay manokatra ny masony sy mampiasa ny sainy kosa dia tsy GAGA mihitsy.

    1 commentaire:

    1. Miarahaba antsika rehetra,
      Miangavy antsika rehetra koa mba hanaparitaka azy ity izay afa-manao :
      Tamin'ireny fahatongavan'ny mpanongam-panjakana teo @ fitantanana ny firenena ireny dia nisy recrutement be natao tao Ambotsirohitra tao ny volana avril-mai 2009. Rehefa nanery an'ingahy rajoelina hiala tsy misy atak'andro tao @ Lapa Ambotsirohitra ny SADC ary nilaza ny hanao intervention militaire raha miriziry eo izy dia nandeha io recrutement be io hanao renfort nt CAPSAT sy ampahany t@ force soi disant régulier. Ny resaka nandeha t@ izany dia hoe raha misy ny fanafihana ataon'ny SADC dia hiala eto andrenivohitra ireo éléments ireo fa hisarika ny SADC hanao ady anaty akata. Nihevitra ry zareo t@ izany fa tsy ahay terrain ny SADC ka ho tsimponina fontsiny raha manaraka an-dry zalahy any anaty akata any.

      Nivadika resolution pacifique t@ alalan'ity GIC GIC ity moa ny fitantanana ny kirizy teto araka ny fangatahan'ny frantsa renimalalan'ny sasany. Dia izao hiainantsika mandraka androany izao ny tohiny sy ny vokany.

      Izao mitranga io resaka dahalo miseho @ endrika mahery vaika sy matanjaka io. Mampitodika any @ iry projet voalaza etsy ambony hoe saika niantrehana ny BRIGADE SADC iry ary ny resaka. Ireo ve ilay éléments no recruté-na maro be t@ izany. Taiza ary iza no mamatsy fitaovam-piadiana azy ireo? anarivony fa tsy mba anjatony nefa tsy re hoe taiza no nisy fitaovam-piadiana maro be lazaina fa very na nisy namaky teto. Sao tapaka ny fifanarahana tany aloha tany ka indreo fa miboriaka ry zalahy. Mampieritreritra ny teny nambaran'ny jeneraly ministry ny tafika hoe ndeha hanao fifampiraharahana @ dahalo. Taiza no mbola nisy izany hatrizay naha dahalo ny dahalo? Sao misy zavatra ahiana hipoaka ao ka ho vaky barara eo ny nafenina hatrizay?
      Mila mpanao gazetY havanana @ irony investigation avo lenta irony isika hanarahana akaiky io toe-draharaha io.

      RépondreSupprimer