RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Fampahantràna sy fandrobàna manara-penitra : Jirama, AirMad,Tiko,…


    fandrobana-orinasa-tiko.jpg

    Mandalo krizy ekonomika goavana izao tontolo izao ankehitriny ary tsy misy afa-bela amin’izany ireo firenen-dehibe sy matanjaka fa mihorohoro sy tsy tafandry mandry daholo mitady hevitra andro aman’alina mba hiadiana amin’izany.

    Vokatr’izany krizy ekonomika izany dia orinasa am-polony maro no efa nikatona indrindra any Eropa (France,Espagne,Portugal,Grèce,…) ary mpiasa an’hetsiny maro no voatery very asa tsy fidiny.

    Manoloana izany anefa dia tsy mipetra-potsiny ireo mpitondra any amin’ireo Firenena ireo fa mitady ny hevitra sy fomba rehetra mba hiatrehana io krizy goavana io ary indrindra mivaky loha mafy andro aman’alina sy mandoa-danitra mihitsy aza mba hitazomana sy hiarovana ireo Orinasa mba tsy hikatona sy hisorohana ny fahaverezan’asan’ireo mponina ao aminy.

    Lasa namorona politika manokana mba hiarovana ny orinasany sy ny mpiasany mihitsy ireo Firenen-dehibe ireo. Raha tsy hitanisa afa-tsy Lafrantsa ohatra dia lasa nisy minisitera manokana mikarakara sy manampy ary miaro ny orinasa sy ny mpiasa mba hiatrehana ny krizy.


    Raha manambitamby sy mikolokolo fatratra ireo orinasany (vahiny na tompo-tany) ireo Firenen-dehibe izay azo lazaina fa matanjaka ara-ekonomika dia tsy mba izany kosa no zava-miseho eto Madagasikara, ary mahagaga fa ny mifanipaka amin’izany mihitsy aza no zava-misy.

    Eto Madagasikara, izay anisan’ny Firenena mahantra indrindra eto ambonin’ny tany ary mitazona ny rambon’ny filaharana tao anatin’ny telo taona izay, no misy mpitondra manam-pahaizana sy hafa kely amin’ny fiadiana amin’ny fahantràna.Tsy vitan’ny nandoro, nandroba, nangalatra ireo orinasa Malagasy mba nijoro sy nisy teto amin’ny Firenena izy ireo izay niteraka sy namorona Malagasy tsy an’asa maro be vokatr’izany fa mandraka ankehitriny dia mbola mitohy ny famonoana tsikelikely sy fandevenana ho lasa lavenina tanteraka ireo tapa-porohana sisa tsy may tamin’ireo orinasa  ireo.

    Raha politika manokana mihitsy ny an’ireo Firenena matanjaka ny fiarovana ny orinasany sy ny mpiasa ao aminy, ny eto Madagasikara kosa dia politika manokana mihitsy ny fanapotehana sy fandrobàna orinasa ary famoronana Malagasy tsy an’asa.

    Tsara ny mampatsiahy fa taorian’ny fanonganam-panjakàna ny taona 2009 dia orinasa ampolony maro, indrindra teto Antananarivo no rava sy potika ary vokatr’izany araka ny voalaza etsy ambony dia Malagasy an’hetsiny no very asa.

    Tsy mahagaga ankehitriny raha mitombo izay tsy izy ireo vehivavy voatery mivaro-tena, ireo vatan-dehilahy teren’ny tsy fisiana ao an-tokatrano dia lasa manaonao foana sy mangalatra, ary ireo ankizy madinika dia tena mampalahelo fa voatery mandao tsy fidiny ny sekoly ary manampy isa ireo lehibe eo amin’ny sehatry ny fitadiavam-bola.

    Eo anatrehan’izany anefa dia mbola mitohy hatrany ny antsojay sy tsindry hazo-lena mihantra amin’ireo orinasa zara fa mijoro sisa sy mitsilopilopy ankehitriny. Asa,mbola tsy afa-po ve ny mpitondra ankehitriny fa mbola tsy rava sy potika tanteraka ireo orinasa ireo sa mbola tsy betsaka tsara ny Malagasy tsy an’asa ?

    Ao ny orinasa TIKO izay efa mandohalika tanteraka ankehitriny.Telo taona mahery lasa anefa izay dia anisan’ny orinasa matanjaka indrindra sy reharehan’ny Malagasy taty amin’ny fari-dranomasin’ny Oseana Indiana io orinasa io. Nifampitana tamin’ny teknôlôjia avo lenta sy hary fomba indrindra taty amin’ny kaontinanta Afrikana. Nampiasa Malagasy an’aliny maro manerana ny Nosy ary ny tantsaha no tena betsaka sy nahazo tombony tamin’izany.Tsy very anjara tamin’izany koa ireo mpivarotra sy mpanjifa ny vokatr’io orinasa goavana io tamin’izany.

    Ankehitriny, aiza ho aiza ny zava-misy ?Iza no mahazo tombotsoa amin’izany?

    Ao koa ny orinasam-panjakàna JIRAMA, izay toa lasa fitadiavam-bolan’ireo manam-pahefàna sy ireo milaza azy fa mpitondra ankehitriny sisa. Raha araka ny filazan’ireo mpiasa sy fikambanana sendikaly ao amin’io orinasa io dia vola an-tapitrisany maro isam-bolana no manjavona sy tsy hita popoka ao.Toy ny paiso an-kady sisa ilay orinasa ka mangalatra sy manilika daholo izay te hanao izany.Tsy mahagaga mihitsy raha mitombo ary mihalava hatrany ny déléstazy misy eto amin’ny Firenena ankehitriny, vokatry ny gaboraraka misy. Misy faritra aza maharitra andro maromaro mihitsy ny fahatapahan-jiro. Ny vola takiana amin’ireo mpanjifa anefa tsy mitsaha-mitombo isam-bolana.

    Tsy adino ny Air Madagascar izay efa mitsilopilopy koa sisa ankehitriny ary raha mbola mijoro aza dia eo ambany elatra sy aloky ny Air France.

    Etsy akilan’izany dia tsy afa-bela tanteraka koa ireo orinasa vahiny raha tsy hitanisa hafa tsy ny orinasa Sherritt Madagasikara ao Toamasina. Mitaraina mantsy ireo vahiny mpitantana ity orinasa goavana ity fa iharan’ny takalon’aina ara-politika goavana ankehitriny. Araka ny vaovao fantatra dia takian’ireo mpitondra ankehitriny vola be mahatratra hatramin’ny 100 ka hatramin’ny 800 tapitrisa dolara (800 millions USD) ity orinasa ity ankehitriny noho ny antony tsy dia mazava loatra.

    Orinasa vahiny iza sy mpanam-bola vahiny iza no mbola ho sahy hampiasa ny volany sy hamorona orinasa eto Madagasikara manoloana izao zava-misy sy politika hafa kelin’ny mpitondra ankehitriny izao ?

    Ny azo antoka sy tsy azo hidivirana dia ny vahoaka madinika sy ny Malagasy hatrany no mizaka sy iharan’ny voka-dratsin’izany rehetra izany (Fahantràna, tsy fandriampahalemana, hanohanana,…).

    Ny asa iray dia midika aina iray, very asa izany dia mitovy amin’ny hoe very aina. Firifiry moa izay efa very aina izay tao anatin’ny telo taona izay…Firifiry ireo eo ampialana aina sy maty tsikelikely ankehitriny ?


    D.R.

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire