![]() |
| Ny Filoha Ravalomanana tatsy Seychelles |
Sambasamba
I Andry Rajoelina tsy nandainga ary nijoro vavolom-belona raha nitafa tamin’ny
mpanao gazety ny tenany teny Ivato ka nanambara fa “Mbola tsy niova Rangahy
iny”mantsy ny Filoha Ravalomanana.
Tena marina
tokoa fa mbola tsy niova ny Filoha Ravalomanana efa-taona aty aorian’ny
fanonganam-panjakàna feno habibiana nataon’I Rajoelina taminy.
-Nalain’ny
mpanongam-panjakàna tamin-kery teo am-pela-tanany ny fahefàna nomen’ny vahoaka
Malagasy azy,
-Nopotehina
sy nodorana ary nangalarin’ireo ory hava-manana sy be fialonana tao anatin’ny
fotoana vitsy monja ny fananany izay nohariany sy nokolokoloiny nandritra ny
telopolo taona,
-Tsy
vitan’ny rava fananana sy voarombaka fahefàna fotsiny ny tenany fa mbola
niharan’ny sesi-tany koa ary voatery nandao ny Tanindrazany taorian’ny
fanonganam-panjakàna nahazo azy,
-Mandrintra
izany fotoana izany dia tsy mitsahatra iharan’ny tsindry hazo-lena sy
heri-setra ny vady aman-janany,ary ireo tapa-porohana kely sisa tsy may sy
tavela tsy lasan’ireo mpangalatra tamin’ny fananany dia mbola hitadiavan’ny
sasany fomba ratsy hafa foana hatramin’izao mba hahafoana azy tanteraka,
-Etsy
ankilan’izay,ireo vahoaka mpitaky ny fahamarinana sy ny ara-dalàna mpanohana
azy izay tsy nitsahatra nitolona nandritra izay efa-taona latsaka izay dia tsy
afa-bela tamin’ireo hery famoretan’ny mpanongam-panjakàna.Na sivily,na
miaramila,na mpitondra fivavahana,na mpanao gazety,na mpanao politika dia samy
efa nahazo ny anjarany avokoa.Tao no nigadra (mbola misy any am-ponja amin’izao
fotoana izao),tao ireo naratra,ary nisy mihitsy aza ireo namoy ny ainy.
Na dia teo
aza anefa ireo rehetra ireo,dia tsy mbola niova tokoa ny Filoha Ravalomanana fa
mbola mitana ny teny nomeny sy ny toky nampanantenainy tamin’ny vahoaka foana
izy mandraka ankehitrio.Tsy nivadika tamin’ny fitokisana nomen’ny vahoaka azy
izy.
Nihevitra
sy nanantena mafy I rajoelina fa ny fampihorohoroana ara-miaramila sy fanaovana
fitaovana ny fitsaràna ary fanaovana takalon’aina ny fananany sy ny
fianakaviany no hampiova an-dRangahy iny.Hay Rangahy iny tsy mba olona mora
miova sy mivadika na dia mafy sy mavesatra aza ny hatsojay sy tsindry hazo-lena
mahazo azy.
Faly sy
velom-panantenana ireo vahoaka Malagasy mpanohana sy mpanara-dia ny Filoha
Ravalomanana fa hatramin’ilay olona nanongana azy aza vaky vava sy nijoro
vavolom-belona mihitsy nilaza hoe:”Mbola
tsy niova Rangahy iny…”
Mbola tsy
niova tokoa Rangahy iny ary mampanantena ireo vahoaka nifidy sy mpanohana azy
fa hanao izay fomba rehetra hiverenana eto an-tanindrazana indray ary vonona
tanteraka hisedra fifidianana Filoham-pirenena izay safidim-bahoaka sy
safidin’ny Malagasy rehetra.
Marihina fa
Filoham-pirenena voafidy sy nametrahan’ny vahoaka Malagasy ny fitokisany indroa nisesy teto amin’ny Firenena Rangahy
iny.Ary ireo fifidianana ireo dia vita sy norombahiny tamin’ny fihodinana
voalohany avokoa (1èr tour dia vita).
Hazo avo
halan-drivotra ny Filoha Ravalomanana satria nandritra ny efa-taona latsaka no
tsy nitsahatra nanapotika,nanaratsy,nanaparitaka vaovao tsy marina ary
nanenjika azy ny fitondran-dRajoelina.Nandritra ny efa-taona no tsy nitsahatra
nanao fampihelezan-kevitra sy nihezaka nambabo ny fon’ny Malagasy tamin’ny
fomba rehetra I Rajoelina.Hatramin’izao anefa mbola tsy niova ny Filoha
Ravalomanana fa mbola atahoran’ny mpanongam-panjakàna sy ny mpifaninana aminy
hatrany amin’ny fifidianana Filoham-pirenena.
Tena mbola
tsy niova Rangahy iny…atahorana mafy ho lany Filoham-pirenena fanin-telony eto
amin’ny Firenena indray…Ho lany PREMIERA TORO DIA VITA indray…Mbola tsy niova
Rangahy iny…fa tena mbola mamim-bahoaka foana hatramin'izao!
D. R.

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire