RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Ry Malagasy, avoty ny Tanindrazanao !

    Madagasikara-Ravalomanana

    Fivarotana Tanindrazana, famonoana mpiray Tanindrazana, fankahalana mpiray Tanindrazana : Izany no manetsika ireto mpanongam-panjakana hatramin’izay ka hatramin’izao. Fisolokiana, halatra, lainga, habibiana no fomba fiadiny hahatanteraka ny filany. Vonona hamarotra ny Tanindrazana amin’ny fomba rehetra sy amin’izay rehetra manam-bola  i Andry TGV sy ny mpanara-dia azy ary ny mpisavilika rehetra. 

    Manome vahana ny vahiny sy ny mpanjanaka izy ireo ankehitriny. Tsy mahamenatra na hampatahotra azy mihitsy ny handringana ny malagasy : Efa mizotra amin’izany amin’ny fomba rehetra koa izy : fampahantrana, habibiana, herisetra.  Ireo vahiny aza dia omeny alalana hanao ny asan-jiolahy eto amin’ny Firenena, raha tsy hijery ny zava-mitranga any amin’ny faritra atsimo fotsiny isika.
      
    Ny nakan’izy ireo fahefana dia tsy ny hampandroso velively ny firenena : Mihamahantra ambonin’ny harena isika; nodradradraina fa mitady fahalalahana ny vahoaka malagasy : Misy ve izany falalahana miteny izany ankehitriny ? Antony tokana ny nakan’izy ireo an-keriny ny fahefàna dia ny hampitombo ny tombotsoa azony amin’izany fivarotana tanindrazana izany. 

    Manankarena i Madagasikara rey olona fa tsy ny hatsaran’ny tanàna no mahasarika ireo vahiny ireo. Matoa izy ireo manao petrakarena sy vy very ny ainy etsy an-daniny, dia mahafantatra tsara ny vokatra ho trandrahiny etsy ankilany.

    Koa isika vahoaka malagasy no iantefan’ny resaka ankehitriny : Sao dia isika Malagasy indray no tsy mahalala ny rafitra manjaka eto amin’ny Firenentsika, fa na ny mpanelanelana na ireo firenenen-dehibe na ireo vondrom-pirenena samihafa dia samy mahafantatra fa Rajoelina dia tohanana’ireo vahiny izay manambola amin’ny alalan’ny miaramila, satria eto amintsika ny akora tadiaviny ary ny olona tia kely ihany no ahafahan’izy ireo manjakazaka eto amintsika. Ankehitriny dia ireo vahiny na ny jiolahiny no mifanandrina mivantana amin’ny vahoaka tsy misy mpiaro. Santionany sy fiantombohany ny zava-mitranga any atsimo.

    Koa ireo mpanelanelana na ireo firenen-dehibe dia mandrirahira no ataony : isika no tompon-tany koa raha isika aza tsy ho sarotiny, izy ireo koa dia samy mikaondoha amin’izay ahasoa ny azy, koa raha hanaiky ho vonoina sy hitsahina isika dia tsy hiloa-bava akory izy ireo. Tsy ireo no tokony ianteherantsika hanome fahafahana antsika. 

    Tsy tokony ho mpitazana fotsiny isika fa mpandray anjara feno amin’ny tantaran’ny firenentsika sao dia isika indray aoriana no hitanatana vava…

    Isika Malagasy liana fahafahana sy tia tanindrazana dia tsy tokony hamela ny Filoha Ravalomanana hiady irery, tsy tokony hiandry izay higadonany eto an-tanindrazana fa manana anjara biriky amin’ny fanantanterahana izany isika. Izay ahakivy antsika no ataon’ny mpanongam-panjakana. Tsy marina velively ny filazana fa tsy mahazo mivezivezy malalaka ny Filoha Ravalomanana ao Afrika atsimo, na hoe nalaina taminy ny maridalany.
    Koa atomboy amin’ny famakafakana ny zava-misy marina iatrehana izany ampitoniana sy ampasahiana : Maro lavitra isika na dia tsy manana basy aman-tafondro aza. Olom-bitsy dia vitsy ireo mitady hivarotra ny tanindrazana. Jereo sy diniho ny manodidina anao, na sivily ianao na miaramila, mandritra ny minitra na ora vitsy, dia hazava aminao inona no azonao atao ho an’ny Firenenao.

    Ny herintsika dia ny fasahiana mijoro fa antsika, ary indrindra an’ny taranantsika ity tany ity sy ny harenany, ka avela ho viravirain’ny mpangalatra sy ny mpandroba ve ? Fahamarinana sy fitiava-tanindrazana izany fa tsy fihantsiana ady. Tsy ny fikipiana manoloana ny zava-misy no hamaha ny olana fa ny fihatrehana izany omban’ny finoana sy ny firaisan-kina ka “ izaho ho tokinao, ianao ho tokiko” hoy ny ohabolantsika, ary Andriamanitra no momba antsika raha mijoro amin’ny fahamarinana isika.


    http://www.tim-madagascar.org/

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire