RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • FANAMBARANA - Fetison R. Andrianirina : « Les chemins de crêtes »


    Ny trangan-javatra mahonena iainan’ny mponina any amin’ny tapany atsimon’ny nosy manontolo faramparany izao, ny fitotonganan’ny fandehanan-draharaham-pitondrana mikorosy fahana, ny fihazakazaky ny fahantran’ny sarambabem-bahoaka ary fihetsik’ireo mpanao politika mpanararaotra tato ho ato dia mitaky ny hizoran’i Madagasikara sy ny Malagasy amina lalana mihilangilana an-tampon-tsolatra tsy hahavery azy anaty kizo sy ny kobaka am-bava mampikatso sy mandoto ny dinika politika.

    Mikendry ny hanala ny Malagasy amina adiady madinika sy antso an’efitra tsy mahomby ny Antoko PSD ka manolo-kevitra ny hihetsehan’ny hery rehetra, handrafetana fiaraha-mientana sy fampihaonana ny fahasamihafana.

    Ainga vao miendrika fanamby marina tsy mbola nisy toy izany teo amin’ny Tantaram-pirenentsika no maka faka, dia ny : fahaterahana Fitondram-bahoaka mifanaraka amin’ny vanim-potoana ankehitriny,matanjaka sy tsy mivaky, mirehareha amin’ny fahasamihafan’ny faritra ao aminy ; fiekena fisiana soritra iombonana mirafitra sy mivoatra anatina drafi-pitondrana miainga avy amin’ireo fomban-drazana loharano sy lakandranon’ny ribam-pirenentsika, ny fanasinana ny maha-olona iombonana maneran-tany, ny demokrasia sy ireo zo fototra, sy ny fankatoavana ny fiambonian’Olombelona, ny fisokafanaamin’izao tontolo izao ary ny fiaraha-midiniky ny samy firenena sy fifanatonan’ny riba samihafa.

    Ireo Sori-dalana sy Andry valo natolotry ny fanavaozam-pitantanana ny antoko PSD ny 23 Aogositra2012 no tsy maintsy hahatò izany fanamby izany. Voasoritra tanatin’izany : ny fanomezan-kasina ny faritra malagasy (1) anatina Fitondrana foibe matanjaka na manaja ny fahavitan-tenam-paritra sy ny filàna ny fitsinjaram-pahefana mirindra (2) ; ny fametrahana : Drafi-pandaminana iray sady sori-dalana no tari-dalana, ilay hoe « Madagasikara Tia Fandrosoana » miaraka amin’ireo tanjony fito (3) ampiarahana amina Politikan-kolontsaina mametraka ny hambom-pon’ny fahasamihafana (4) tsy misaraka amin’ilay Drafi-pampivoarana ny tanora malagasy antsoina hoe « Tanora Mijoro » (5) ; « Dinam-piaraha-monim-pirenena » iray izay ikendrena ny hampatanjaka ireo sokajin’olona marefo anaty fiarahamonina,hampanjary ny fiombonam-piaraha-miaina sy ny soatoavina repoblikanina (6) izay mifanindran-dalana mandrakariva amina fitantanan-draharaham-pitondrana tena lahika, antoka tokana hofampanajana ny fahalalahana ara-pinoana sy ny fepetran’ny fitoviana (7) ; Fiverenana arahina fitobohana amina demôkrasia manara-penitra izay mitaky ny famerenana ny Lalàm-panorenan’ny Repoblika Fahatelo sy ireo andrim-pitondrany, satria ny fahatapaham-pitantanana tsy nifanaraka tamin’ny lalàm-panorenana tamin’ny volana marsa 2009 dia tsy tokony hametraka fiovana fototra ankatoavin’ny lalàna velively izay heverina hifanaraka amin’ny toe-draharaha misy sy ny zava-misy anivon’andrim-pitondrana ; fa hampidi-doza ny fankatoavana ho ara-dalàna izay rehetra mety ho fampiasan-kery ny mifanohitra amin’izay (8).

    Rindran’asa voafantina sy miandalana anatina toe-tsaina vonon-kanarina sy vonon-kanorina no hahatanteraka izany rehetra izany, rahefa hain’ny Malagasy ny mifanaja sy miombona.

    Ireo fifamotoana hiantsoan’ny antoko PSD ny rehetra handrafetana izany rindran’asa izany dia tsy ikendrena fotsiny ny ho fiatreham-pifidianana samihafa fa tafiditra indrindra ihany koa anatin’ilay fomba fiasa manasina ny fandraisan’anjara mavitriky ny olom-pirenena tsy anavahana. Amin’izay,samy hahatsiaro ho tompon’antoka ny isam-batan’olona ka samy hahita ihany koa izay ho anjaratoerany ao anatin’izany. »Ny fandrosoana sy ny fampandrosoana, mandala sy mitsinjo ny maha-olona ».



    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire