Nandalo mitsidika vetivety eto Afrika atsimo izahay malagasy vitsivisty monina ao Frantsa mitaky ny fiverenan’ny ara-dalàna. Nihaona ary nifampiresaka mivantana tamin’ny filoha Marc Ravalomanana mivady izahay. Maro ireo loha-hevitra nifanakalozana fa nibahana tamin’izany ny momba ny famahàna ny krizy ao Madagasikara. Niaraka tao Johannesbourg izahay ny asabotsy hariva. Ny alahady kosa dia niara-nivavaka ary nitohy ny fihaonana ny tolakandro rehefa avy niara-nitsidika ny tananan’i Pretoria.
Salama
tsara izy ireo ary araka ny hita dia malalaka soa aman-tsara ny
fivezivezeny eto Afrika Atsimo, ary manaja hatrany ny maha
filoham-pirenena azy ny fanjakana eto an-toerana. Tsy misy fepetra
mihitsy ny amin’izany.
Tamin’ny dinika nifanaovany taminay dia
nanome hafatra ho antsika vahoaka ny filoha Marc Ravalomanana : mbola
nanamafy ny fahavononany hiverina any Madagasikara ary koa ny
hilatsahany ho fidiana indray amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena
izy. Manome toky koa izy, fa izy tenany mihitsy no mandray an-tànana
tanteraka ny fandaminana izany eo amin’ny lafiny maro, ho famenon’ ny
fanelanelanana iraisam-pirenena. Izany no ataony dia satria hoy izy : “Tsy hamitaka ary tsy handiso fanantenana ny vahoka malagasy aho”. (...) Hamaky ny tohiny
http://www.tim-madagascar.org/



Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire