Mihazakazaka dia mihazakazaka ny fotoana,ary dia
mihazakazaka toy izany koa ny toe-draharaham-pirenena eto Madagasikara.
Raha tsiahivina kely ny tantara dia efa ho telo taona sy
tapany sahady izay no nisian’ny fanonganam-panjakàna navaivay sy feno habibiana
teto amin’ny Firenena.
Fanonganam-panjakàna izay nitarika an’i Madagasikara ho ao
anatin’ny haizin’ny fahantràna sy tsy fandriampahalemana tanteraka.
Zovy tokoa moa no tsy hitsangam-bolo sy tsy ho vaky fo raha
mahita sy mahatsapa ny fahapotehan’ny Firenena ankehitriny ?
Tao anatin’ny telo taona monja dia nahatratra an’aliny maro
ireo zaza Malagasy voatery nandao ny sekoly ary lasa nanatevin-daharana tsy fidiny ireo Ray aman-dreniny eo amin’ny
sehatry ny fitadiavam-bola.
Tao anatin’ny telo taona monja dia nitombo izay tsy izy ireo
ankizivavy kely tsy ampy taona voatery mivaro-tena noho ny fahantrana.
Tao anatin’ny telo taona monja dia tafiditra ao anatin’ireo
Firenena mahantra indrindra eto ambonin’ny tany i Madagasikara,ary indrisy fa dia mitana ny rambony mihitsy aza eo amin'ny filaharana.
Tao anatin’ny telo taona monja dia orinasa ampolony maro no
potika sy rava teto Madagasikara izay niteraka tsy fananan’asa ho an’ireo
Malagasy an’aliny maro.
Ny mahagaga sy mahatalanjona dia mbola mitohy mandraka
ankehitriny tsindry hazo-lena mahazo ireo orinasa tapa-porohana sisa tsy may
tamin’ny fandrobàna sy fanapotehana nandritra ny taona 2009 ireo raha tsy hitanisa
hafa tsy ny fahavoazana goavana mahazo ny orinasa Tiko ,izay azo lazaina fa efa
tena mandohalika tanteraka ankehitriny.
Ilaina ve ny mampatsiahy fa namelona mpiasa sy tantsaha
an’aliny maro izany orinasa izany ary nanana ny naha izy azy sy lanjany teto amin’ny
Firenena sy ny kaontinanta Afrikana mihitsy aza teo amin’ny kalitao sy
teknolojia.
Tao anatin’ny telo taona monja dia niakatra avo dia avo ny
tahan’ny tsy fandriampahalemana teto amin’ny Firenena.Tsy misy andro iray tsy
ahitana amin’ny gazety sy vaovao mikasika ny fanafihana ataona andian-jiolahy
mirongo fitaovam-piadiana eto andrenivohitra sy ny manodidina.
Ny any amin’ny faritra tsy lazaina intsony raha tsy hitanisa
hafa tsy ny herisetra sy habibiana miseho any amin’iny faritra atsimon’ny Nosy
iny fotsiny(Betroka).
Amin’izao tetezamita vokatry ny fanonganam-panjakàna izao
no misy izany fokonolona mahavita mamono olona anjatony izany ao anatin’ny iray
andro monja.Mampalahelo fa izany no zava-misy ankehitriny.Mifamono ny samy
Malagasy vokatry ny fahantràna sy tsy fandriampahalemana ary tsy
fandraisan’andraikitr’ireo mpitandron’ny filaminana ara-potoana ny zava-doza
misy.
Raha tsy hitanisa hafa tsy ireo isika dia maro ny
toe-javatra mampalahelo misy eto amin’ny Firenena nandritra izay telo taona
izay.
Toa lasa nanao dia miverina any amin’ny dimapolo taona lasa
ny Firenena manoloana ny fahantràna sy
tsy fandriampahalemana goavana iainan’ny Malagasy ankehitriny.
Mitombo isa isan’andro ireo mpiray Tanindrazana miaina anaty
fahantràna sy fahoriana.
Mitaintain-dava toy ny saobakaka ambody riana ny vahoaka ary
mandry an-driran’antsy isan’alina vokatry ny asan-jiolahy sy dahalo.
Ireo mpitandron’ny filaminana mba antenaina variana
tanteraka amin’ny zavatra hafa mba tsy hilazàna azy hoe tafiditra lalina
amin’ny resaka politika.
Amin’izao tetezamita izao no misy izany mpitandron’ny
filaminana (polisy,zandary,miaramila) tambazana vola izany vao manaiky manao ny
asany.Araka ny vaovao ohatra dia manodidina ny 3000 Ariary ka hatramin’ny 4000
Ariary isan’andro no tambim-bola omena ireo mpitandron’ny filaminana tsotra
izay miady amin’ny dahalo any amin’iny faritra atsimon’ny Nosy iny
ankehitriny.Tambim-bola isan’andro ankoatra ny karama fandray isam-bolana io.
Ny
an’ireo manam-boninahitra moa dia tsy lazaina intsony ankoatra ny fiakarana
galona matetika dia matetika.
MATOA MANOVA FITONDRANA,MATOA MANONGAM-PANJAKANA DIA
MAHAVITA TSARA LAVITRA FARAFAHARATSINY TSARATSARA KOKOA NOHO NY FITONDRANA NISY
TEO ALOHA.
Raha ireo voatanisa eo ambony ireo no jerena dia maizina
tanteraka ny fiainan-dramalagasy .
Raha ny fanamarihana nataon’ny solo-tenan’ny masoivoho amerikana miasa sy
monina eto Madagasikara ohatra dia mazava fa mandalo lalana sarotra tsy
manam-paharoa i Madagasikara ankehitriny vokatry ny krizy ara-politika sy
sosialy nateraky ny fanovam-pitondràna tsy ara-dalàna tamin’ny taona 2009.
Mampalahelo nefa fa na dia fahoriana sy fahantràna toy izany
aza no mianjady amin’ny ankamaroan’ny Malagasy dia mbola misy ihany ireo olom-bitsy
maniry sy mitady ny fomba rehetra hitohizany sy hampaharitra ny krizy.
Olom-bitsy izay minia manakipy ny masony sy ny feon’ny
fiheritreretany manoloana ny hirifiry sy fahantràna lalina mahazo ny mpiray
Firenena aminy.
Olom-bitsy izay mihevitra fa mahasolo-tena ny Malagasy
roapolo tapitrisa ka manao izay saim-patany manoloana ny fitantanana ny
tetezamita ankehitriny.
Lasa vorona azon’adala sisa ny fahefàna ankehitriny ka izao
bodo sy adala rehetra izao dia mampiasa ny miaramila sy ny fitsaràna avokoa amin’izay
tiany hanaovana azy mba hahafahany mipetraka maharitra eo amin’io seza sy fitondràna
tsy ara-dalàna sy tsy nandalo safidim-bahoaka io.
Amin’ny maha olom-pirenena sy maha Malagasy dia mipetraka
ihany ny fanontaniana hoe nentin’ireo mpanongam-panjakàna aiza moa ny Firenena
ankehitriny?Telo taona mahery lasa mantsy izay dia tsy mba toy izao loatra ny zava-nisy
teto amin’ny Firenena fa hafa mihitsy.
Nisy ny tsy fandriampahalemana fa tsy nihoa-papana toy ny
misy amin'izao fotoana.Nisy ny fahantràna fa tsy nahazo vahana sy nampiteny ny moana
toy ny iaraha-mahita ankehitriny.
Telo taona mahery lasa izay dia tsy nitsaha-nitombo ny
isan’ny zaza Malagasy miditra an-tsekoly.Nihezaka ny fitondràna
(voafidim-bahoaka) tamin’izany namatsy fitaovana sy fanampiana ireo mpianatra,indrindra
ireo madinika sy sahirana mba hampazoto azy ireo sy hahazoany vokatra
tsara(fitaovam-pianarana,aron’akanjo,ronono,sns…)
Telo taona mahery lasa izay dia mbola maro ny orinasa
nihodina tsara sy nisokatra ary tsy may ka nanome asa ireo mpiray Tanindrazana
an’aliny maro.
Telo taona mahery lasa izay dia làlana an’aliny kilaometatra
maro no voaforona sy vita manerana an’i
Madagasikara ka nanamora ny fivezivezena sy fifaneraseran’ireo Malagasy
maro.Nanamora ihany koa ny fivezivezen’ireo vokatry ny tany sy nahafahana namoaka izany tamin’ireo faritra
saro-dalana taloha.
Tsy hitanisa hafa tsy ireo isika ary farafaharatsiny
tamin’izany fotoana izany mba olona voafidim-bahoaka sy neken’ny Malagasy
rehetra tamin’ny alalan’ny fifidianana no nitondra ny Firenena.Ankehitriny,inona
no zava-misy?Aiza ho aiza no misy ny Firenena sy ny fiainan’ny vahoaka
Malagasy ?
Matoa nanongam-panjakàna,matoa nanova fitondràna
(lanim-bahoaka) dia manana antoka fa mahavita tsara noho ilay fitondràna
nahongana sy nesorina.Raha tsy izany no miseho dia famonoana Firenena tsotra
izao sy fisolokiana ary fanaovana tsinontsinona ny vahoaka Malagasy nametraka
fanantenana sy fitokisana tamin’ilay fitondràna sy fahefàna teo aloha no mitranga.
Ilaina ve ny mampatsiahy hatrany fa fahefàna sy fitondràna
napetraky ny vahoaka Malagasy tamin’ny alalan’ny fifidianana indroa nisesy no
nisy teto talohan’ny fanonganam-panjakàna ?Fifidianana indroa nisesy izay
vita nandritra ny fihodinana voalohany avokoa (1er tour dia vita)
izay mampiseho fa tsy nisalasala ary natoky ireo Malagasy mpifidy nametraka sy
nanamafy ny fitokisany tamin’izany
fitondràna izany.
Eo amin’izay resaka fifidianana izay indrindra dia fantatra
izao raha tsy misy indray ny fiovàna amin’ny fotoana farany fa hotanterahina
amin’iny taona ho avy iny (2013) ny fifidianana Filoham-pirenena eto
Madagasikara.
Ho an’ny rehetra,na ny mpanao politika,na ny olo-tsotra na
ireo vondrona iraisam-pirenena mpanelanelana sy mitady vahaolana ho an’i
Madagasikara dia mazava ny resaka fa tsy misy hafa tsy ny fifidianana ihany no
vahaolana hivoahana amin’ny krizy.
Samy efa mihomana fatratra amin’izany avokoa ireo rehetra
handray anjara .Eny fa na dia ireo mpanongam-panjakàna aza dia mihomana mafy
amin’izany fifidianana izany ihany koa ary nandritra ny telo taona izay dia tsy
nitsahatra nanao fampihelezan-kevitra ry
zareo na eny ankianja na eny amin’ny haino aman-jery rehetra eny .
Marihina fa misy ny lalàna sy sazy iraisam-pirenena mandrara
ireo mpanongam-panjakàna mba tsy ho azo
fidiana intsony eo amin’ny Firenena misy azy(Accord de Cotonou) Saingy hatreto
aloha raha ny zava-misy dia mijanona ho soratra fotsiny izany lalàna izany.Ho
hita eo ny tohiny !
Etsy andanin’izany dia tsy milavo lefona ny Filoha
Ravalomanana ary tsy mitsahatra manome toky sy mankahery ireo mpanohana sy
mpanara-dia aminy manerana ny Nosy na dia eo aza ny tsindry hazo lena sy ny ady
sarotra atrehany isan’andro nandritra izay telo taona nisian’ny fanonganana azy
izay.
Tsy vahiny amin’ny fifidianana Filoham-pirenena raha ny
Filoha Ravalomanana,ary mahafantatra izany tsara ny vahoaka Malagasy.
Mahafantatra
tsara izany ihany koa ireo rehetra handray anjara sy hifaninana aminy amin’izany fifidianana
izany.
Manoloana izany dia misy ireo mitady ny fomba ratsy sy mamohehitra
rehetra mba hanakanana ny Filoha Ravalomanana
tsy ho tafody an-tanindrazana ary mba tsy hahafahany mandray anjara
amin’ny fifidianana.
Natao izay fomba nanalàna azy teto amin’ny Firenena(Herisetra,basy,fampihorohoroana).Rehefa
izany dia atao indray izay fomba rehetra hanakanana azy tsy hiverina eto
intsony raha tsy vita ny fifidianana.
Nivoaka ny NOTAM maro,ary lasa voambolana hain’ny Malagasy vetivety
teo mihitsy aza izany.
Atao takalon’aina ny fananany sy ny orinasany,atao izao
karazana fitsarana rehetra izao hiapangàna sy hanendrikendrehana azy ary hanamelohana azy,saingy
hatramin’izao dia tsy kivy ary tsy mihemotra ny Filoha Ravalomanana.
Nandritra ny telo taona mahery no nanao ny fomba rehetra
hanaratsiana azy ny mpifanandrina aminy,nandritra ny telo taona mahery no efa
nangalatra « départ » amin’ny fanaovana propagandy ireo andian’olona
eo amin’ny tetezamita ankehitriny izay nanongana ny fitondràny,nandritra ny
telo taona no nanapotehana ny fananany (Tiko,Magro,MBS,sns..) mba tsy hananany
hery intsony,saingy na eo aza izany rehetra izany dia mbola TSY NIOVA RANGAHY INY, Mbola tsy niova ny Filoha Ravalomanana fa atahorana foana amin’ny
fifidianana Filoham-pirenena.
Mbola tsy niova i Dada. Fantany ny zavatra nataony teto
amin’ny Fireneny,ary tsy adala ny Malagasy izay nametraka ny safidiny sy
fitokisana taminy indroa nisesy,na dia eo aza ny fafy lainga sy fanaratsiana
(diabolisation) ataon’ireo fahavalony izay mazava loatra fa matahotra ny
safidim-bahoaka.
Telo taona maninjitra izay no niainan’ny Firenena sy ny
vahoaka Malagasy tao anaty haizin’ny fahantràna.Haizin’ny fahantràna izay tsy nandalo
safidy na teneràna akory fa ankaterena tsotra izao no nitondran'ireo mpanongam-panjakàna azy teo.
Ny lasa hono tsy fanadino mba hibanjinana ny ho avy.Telo
taona mahery izay ampy nisaintsainan’ny Malagasy tsara ny zava-misy sy ny
fanampahan-kevitra tokony horaisiny amin’ny ho avy.
![]() |
| Fampihelezan-kevitra 2001... |
Ho an’ny Filoha Ravalomanana koa dia ampy izay,ary hentitra sybnazava ny
teniny raha niantso an-tarobia ireo vahoaka mpomba azy tany Toliara izy ny
faran’ny herinandro teo :"Aza matahotra...aza manahy...1er TOUR DIA VITA!!!"
D.R.


Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire