RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Antso sy toro-marika avy amin'ny Filoha Marc Ravalomanana anio 10 Novambra 2012


    antso-dada.jpg
    ARAHO ETO: Antso sy toro-marika avy @ Filoha Marc Ravalomanana anio 10 Novambra 2012

    "...mampahery anareo mpitarika aho mba tsy harivo salosana!"

    Niditra mivantana an-telephone androany tolakandro ny filoha Ravalomanana ary nanamafy ny efa nolazainy tamin'ny farany : "Tsy maintsy tafaverina aty Madagasikara aho na ahoana na ahoana. Aza manana ahiahy na mitebiteby satria efa nolaniana ny fampiarana ny tondrozotra ary tsy misy miverina amin'izany intsony. 


    Ampiharo ara-bakiteny izay nifanarahana ary tsy misy izany hoe ao anaty enim-bolana izany fa fifanarahana politika no mitondra io". 

    Ny fampiarana ny tondrozotra dia mitaky demokrasia ka tokony halalaka ny fanehoan-kevitra, tsy tokony enjehina ny fanaovan-gazety. Tsy mbola tanteraka ny fifanekena satria toa izany koa ireo gadra politika izay mbola tsy novotsorana. 

    Tsy izaho no tsy te hody fa sakanana ary tsy izany no voamarika ao anaty tondrozotra.
    Tsy maintsy tanterahana ny fifidianana ara-demokratika, avelao hilatsaka izay te hilatsaka, avelao ny vahoaka hisafidy izay tiany hitondra ny fireneny. 

    Ny fanapaha-kevitra noraisin'ny Troïka no ahatafita ny raharaha ara-politika aty Madagasikara. Niantso ireo mpitarika izy teo ampamaranana, ny ampahery ny malagasy, mba tsy hanaiky ataon'ny sasany fitaovana.

    Ny teny farany avy amin'ny filoha Ravalomanana : "Tsy tolona ho ahy no atao fa tolona hoan'ny Malagasy!".


    http://www.tim-madagascar.org

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire