Ontsa ny fo, mila tsy hino
‘reo zava-doza mitranga any Atsimo
Zatovo lazaina fa mpangalatr’omby…
« Tonga dia vono no paika mahomby » ??
Malaso mpandroba no toa hoe enjehina
Tanàna milamina anefa no potehina
Tsisy fitsarana, tsy misy famotorana
Fa tonga dia ireo trano tsotra no dorana
Aoka re marina, tena mahasavolaina
Omby ve no enti-manala ny aina ?
Zatovo iray rà amintsika rehetra
Dia hoe « tratrako ialahy ka aina no fetra » ?
Misy ireo te hanaporofo ny marina
Any Tsiafahy no tonga dia mivarina
‘Reo andramena, vatosoa sarobidy
Azy avokoa, izy mantsy olom-boavidy !
Malaso ! Malaso ! Izay no mba re
Malasom-panjakana tokoa ary ve?
Iza, aiza no tena Remenabila ?
Sao diso fitandroka ianao « Ramiara-mila » ?
Mifona, mivalo, ho firy taona sisa
Isika rehetra no handry toa adrisa ?
Tsy rariny intsony, isika anie vonoiny
Ny harenany nefa ampiroboroboany !
Aoka re marina, tena mahasavolaina
Omby ve no enti-manala ny aina ?
Zatovo iray rà amintsika rehetra
Dia hoe « tratrako ialahy ka aina no fetra » ?
Misy ireo te hanaporofo ny marina
Any Tsiafahy no tonga dia mivarina
‘Reo andramena, vatosoa sarobidy
Azy avokoa, izy mantsy olom-boavidy !
Malaso ! Malaso ! Izay no mba re
Malasom-panjakana tokoa ary ve?
Iza, aiza no tena Remenabila ?
Sao diso fitandroka ianao « Ramiara-mila » ?
Mifona, mivalo, ho firy taona sisa
Isika rehetra no handry toa adrisa ?
Tsy rariny intsony, isika anie vonoiny
Ny harenany nefa ampiroboroboany !
Antso

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire