![]() |
| "...tsy hisy fifidianana eto Madagasikara raha tsy tafaverina eto Madagasikara ny filoha Marc Ravalomanana!" |
ARAHO SY HENOY ETO NY ANTSO
"...tsy hisy fifidianana eto Madagasikara raha tsy tafaverina eto Madagasikara ny filoha Marc Ravalomanana!"
"Vaovao
mikasika ny raharaha politika no lazaiko aminareo" hoy ny filoha Marc
Ravalomanana androany raha niditra nivantana an-telephone tamin'ny
vahoaka tao amin'ny Magro izy." Amin'ny herinandro dia hisy fivoriana ka
manantena fa hisy zava-dehibe ho lazaina aminareo. Matoky sy manantena
fa hamaha-olana ny Sadc sy ny Troika.Tsy manaiky mihitsy isika izany hoe
"ni ni" izany. Lazao hoy izy fa tsy ao anatin'ny vohabolan'ny
demokrasia izany "ni ni" izany. Homena ny vahoaka ny safidy malalaka ary
izy ihany no manendry izay olona tiany hitondra azy.
Mazava ny safidy
omena ny vahoaka. Mampita hafatra hoan'ireo manely tsaho ary tano
hoanareo irery izany "ni ni " izany. Tandremo amin'ny fandemen-tsaina.
Ny art. 20 dia efa mazava ka matokia fa ny marina tsy mba maty.
Mampahery anareo aho hoy ihany izy tamin'ny kabariny ary tsy hamadika
mihitsy ny vahoaka malagasy aho mandra-pahafatiko. Manome vaovao ho
anareo aho amin'ny herinandro ary tsy hisy mihitsy fifidianana raha tsy
tafaverina eto Madagsikara ny filoha Marc Ravalomanana.
http://www.tim-madagascar.org

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire