RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Antso sy toro-marika avy amin'ny Filoha Marc Ravalomanana anio 02 Janoary 2013


    antso-ravalo2.jpg


    “…tsy azo sandaina vola aho…”

    Niarahaba ny vahoaka malagasy sy ny mpitaky ny ara-dalàna, ny mpiaro zo amankasin'ny zon'olombelona, ny malagasy tsy misy ankanavaka na aiza misy azy na aiza, ny filoha Marc Ravalomanana androany tolak'andro tamin’ny antso mivantana teo amin’ny kianjan’i Magro. Enga anie hoy izy ity taona 2013 ity ahafahantsika mandala ny demôkrasia izay takian'ny firenena eran-tany mba ampanjaka ny rariny eto Madagasikara. Tonga hoy izy ny fotoana andinihina ny fahasahiranana manjo ny malagasy ka hihaino ny feon'ny fieritreretany satria nataon'Andraimanitra afaka andala ny fahafahana sy mivezivezy ny olombelona, noho izany isika eto Madagasikara dia tokony hanaja izany zon'ny maha-olona izany. Miarahaba ny vahoaka malagasy aho hoy izy noho izany faharetana fitakiana ny ara-dalàna izany, toa izany koa ny hafanam-po sy ny afom-pitiavana, mba ampanajàna ny demôkrasia eto Madagasikara.


    Minoa an'Andriamanitra hoy izy ihany ary matokia azy fa tsy maintsy tafaverina amin'ny laoniny ny fiainam-pirenena. Manàna finoana, manàna fanantenana fa tsy maintsy ho avy ilay fotoana hihaonantsika, ary tsy ho ela dia ho avy i Dada.

    Averiko ihany koa hoy izy fa tsy azo sandaina vola aho ary mijery izay hamerenana amin'ny laoniny ny fiainanan'ny malagasy ary mametraka manontolo ny finoako sy ny fanantenana fa ho avy ny fotoana anandratana indray ny voninahitr'i Madagasikara.

    Averiko ihany koa hoy izy fa tsy hivadi-belirano amin'ny vahoaka malagasy mihitsy aho. Zava-dehibe ny fifampatokisana : raha mahatoky ahy ianareo, izaho mahatoky anareo.

    Mahatoky aho hoy izy fa tsy hamela irery antsika ny Sadc sy ny Troïka. Aza malahelo na mieritreritra raha toa aho tsy miteny, fa tsy hivadi-belirano mihitsy i Dada. Ho tonga tsy ho ela ny fotoana hihaonan-tsika.


    http://www.tim-madagascar.org

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire