RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Communiqué de presse Fianakaviana Lalao Ravalomanana



    "Lazaina fa misy ny fitiavana ary milaza fa namana, kanefa dia haratsiam-panahy ny fisehoan'izany. Ny tena namana dia tsy mangetaheta izay hampalahelo ny manodidina azy, fa fanampiana aza no atao. Samy mba natera-behivavy avokoa ny Malagasy rehetra ary samy mahatsapa ny lanjan'izany atao hoe "Reny" izany. Ontsa ny fon'ny fianakaviana, indrindra fa i Bebe Razay, izay efa 83 taona ihany, raha maniry ny hahita ny zanany Lalao Ravalomanana mba hamangy azy aty amin'ny hopitaly satria tsy misy ny tompon'ny ampitso fa an'Andriamanitra irery ihany no tompon'ny lahatra.


    Mino sy manantena izahay fa mbola tsy maty ao amintsika ny Fahendrena Malagasy ary hanome ohatra tsara ho an'ny taranaka faramandimby".

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire