RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Fanambaràna avy amin'ny Fianakaviana Lalao Ravalomanana


    Mitodika amin'ireo Malagasy izay nahafantatra an'i Neny, manana izany hoe Reny, ary indrindra fa izany Bebe izany.

    Tiavo izy ary kolokoloy tahaka ny anakandriamaso ary arovy araka izay azonareo atao, fa tsy misy tahaka ny Reny, ary tsy voavidim-bola izany fitiavana izany.

    Marary mafy i Bebe Razay

    Namerina ny fangatahiny i Bebe Razay mba hifankahita amin'ny zanany vavy Lalao Ravalomanana mialoha ny nidirany ao amin'ny Réanimation ny alahady maraina teo.

    Mafy, tena mafy amin'ny zanaka lahy Malagasy izany tsy mahazo manantanteraka valim-babena izany, ary dia ny fitondram-panjakana malagasy ihany no vato misakana, kanefa ny adidy tsy an'olon-dratsy.

    Manao antso avo amin'ny Fianakaviam-be Iraisam-Pirenena ny Firenena Malagasy mba hijery haingana ny vahaolana hoan'i Madagasikara, ary miarahaba azy amin'ny ezaka izay efa ataony.

    Hisoratra ny tantara ary tsy mbola tara loatra ny fifampihavanana, tsy mbola tara loatra ny fifamelàna ary ho vokatr'izany dia hiverina indray ny Fahafahana sy ny Fahamasinana eto amin'ny Firenena.

    Homba antsika mandrakariva anie Andriamanitra

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire