RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Jean Constant Raveloson: "Fifidianana sa fandrobàna safidim-baoaka?"



     Ireo heloka 10 nanota fady an’ilay Andininy faha-15
    Na:
    Nahoana no tsy azo ankinina amin-dRajoelina intsony ny prezidansan’ny tetezamita raha ny Tondrozotra fototry ny tetezamita (lalàna 2011-014 t@ 28/12/11).

    Fadian’ny Prezidàn’ny tetezamita tanteraka ny mitanila na miandany na manao tombo sy hala INDRINDRA INDRINDRA MIKASIKA NY FIFIDIANANA hoy ilay and.faha-15.

    Rajoelina kosa:


    • 1-      Mampiasa ny fitsaràna ho famelezana amin’ny politika (Tsy menatra nilaza tany Dar ès-Salaam fa afaka mampijanona ny fanenjehana raha manaiky tsy hirotsaka ny Prezidà Ravalomanana,mandrirarira ny Amnisitia,tsy mamoaka ny gadra politika).
    • 2-      Misoloky ho tompon’ny fahefàna feno ary tompon’ny fitondràna ny fifidianana (invité du zoma)
    • 3-      Mandidindindy sady mandrahona momba ny fifidianana ary mandrangaranga korontana rehefa tsy manaraka ny sitrapony ny CENI-T.
    • 4-      Manoso-potaka sy manala baraka an’izay mikasa hanao kandidà tsy miaraka aminy.
    • 5-      Manome toky hanendry kandidà ary efa mampiseho vahoaka an’izay mety hatao kandidàn’ny prezidàn’ny tetezamita.
    • 6-      Mitavana vola sy fitaovam-panjakàna sy harem-pirenena ary manararaotra ny fahefàm-panjakàna avy amin’ny tondrozotra hankalazàna ny tenany sy hanaratsiana ny hafa.(prôpagandy)
    • 7-      Manampatra sy manao ampihimamba amin’ny Radio sy televizionam-pirenena,manao an’ireo 1 hatramin’ny 6 ireo miaraka amin’ny mpitondra tenin’ny prezidansa.
    • 8-      Mandidindindy sy manapepo ny hainoamanjery sy mpanao gazety ary tsy manaiky hanokatra ny radio nakatony hatramin’izao.
    • 9-      Lalàm-panorenena natao am-boletra amin’izay metimety aminy tamin’ny 2010 ihany no hananganana fanjakàna hifehy atsika amin’ny fifidianana.
    • 10-      Mamorona fepetra hisakanana ny Prezidà Marc Ravalomanana tsy hody alohan’ny fifidianana (mandika ny and. Faha-16 sy and. Faha-20)

    1
    Impolo (10) nohosen-dRajoelina ny lalàna nolanianay Parlemantera CT sy CST niaraka tamin’ireo ankolafiny hampivoaka antsika amin’ny krizy.Voahosy ny hasin’ny Fahefàna Mpanao Lalàna sy ny Fianakaviambe iraisam-pirenena izay Mankato sy manohana ny Tondrozotra.

    Ka tsaraonareo ry Vahoaka. Tetezamita fandrobàna ny safidinao ve sa Tetezamita ho amin’ny Demokrasia? Hatao ahoana ny fahefàn-dRajoelina?

    27 feb.13


    J. Constant RAVELOSON
    MCT, Président commission juridique et législation 


    constant-raveloson-communiqué.jpn

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire