Taratasy kely miely amin'ny Mpiara-mitolona ity adikako eto ity
ISIKA TSY MAINTSY MITENY
Isika tsy manaiky lembenana.
Mazava izao ny teny Ivato. Manamboninahitry ny foloalindahy tsy ankanavaka ankolafy no nijoro niteny.
Vitan’ny foloalindahy ny nifanaraka tsy hifanafika tsy hifandatsa-drà.
Nihanjaka teo anatrehan’ny firenena sy teo anatrehan’izao tontolo izao fa milisy ivelan’ny fibaikoa-miaramila ara- dalàna sisa azon-dRajoelina sy Vital nobaikoina nigidragidra ny rahalahiny tao Ivato.
Tahaka izany koa teto amin’ny tanànan’Antananarivo:
Efa ataon’i Andry sy Vital tanàna tsy misy fanjakana ny Renivohitra. Miaramila irahina mivantana no alefa manao herim-pamoretana nandrava fihaonam-bahoaka nisambotra sy nanakorontana ny tanàna.
Referandaoma atao amboletra amin’ny kalakinikaovy sy girenady no heverin-dRajoelina hanerena ny mpiray firenena. Kanjo sady tsy ankatoavin’ny Malagasy no melohin’ny iraisam-pirenena. Ny lalàm-panorenan-dRajoelina lalàm-panorenana ho azy irery, tetezamita tsy misy fe-potoana farany. Ny namany aza izao mody hendry manao fialan’ny Jiosy amin’ireo fifidianana lamokany mbola tadiaviny hampanaovina.
Nangady ny lavaka hilevenany Rajoelina sy Vital ka latsaka ao izy izao.
Vitaintsika amin’izay ny tolona hamongorana tanteraka ny fanjakan’iBaroa FAT.
Mijoroa amin’ny anjarantsika sivily hanatanterahana ny tetezamita tenierana sy eken’izao tontolo izao.
Jean Constant Raveloson